Angola: Mivondrona Hanohitra ny Zavatra Hafahafa ny Hetsi-Panoheran'ny Tanora

Taorian'ny fanagadrana sy ny fanamelohana ny mpitarika sasany avy ao amin'ny Hetsika Angoley 3 Septambra manohitra ny Filoha nitondra nandritra ny 32 taona José Eduardo dos Santos, dia mbola nitohy ihany ny tolona na dia eo aza ny fandrahonana.

Tamin'ny 25 Septambra ary notontosaina ihany koa ny 2 Oktobra, dia nidina an-dalambe ny olona tokony ho roanjato isa eo ho eo mitaky ny anafahana ireo 16 nogadraina taorian'ny 3 Septambra.

Nandritra izany Diabe indroa miantoana izany dia nisy ny mifanandrina amin'izy ireo – polisy vitsy sy vondron'olona antsoin-dry zareo hoe “Kongoley” – izay tsy midika hoe avy any Kongo ireo, fa olona miaraka ao amin'ny antoko mitondra kosa, na karamain-dry zareo. Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho fa tamin'ny 25 Septambra, dia nosakanan'ireo vondron'olona ireo tokoa ny diabe tsy manao herisetra, izay ho famaliana izany dia namaly tamim-pahendrena [hira?] sady tsy nandroso:

Efa nisy koa ny antso hanaovana fihetsiketsehana ny 16 sy ny 18 Oktobra [pt]. Mbola mitohy manome hery ny hetsiky ny tanora hatrany ny hip hop, mandrisika ny olona hanontany hoe lasa aiza ny volan'ny solika sy ny tsy fahampian'ny demokrasia. Ity Bolongan-dahatsary ahitana ny vita faramparany ity no ahitana ny angovo nentiny.

Fanamafisana ny fantsona ampitan'olom-pirenena ny vaovao, media dokambarotra

Ny fahamaroan'ny lahatsary nampakarina avy amin'ny mpisera YouTube samihafa no manamarika ny fahabetsahan'ny olotsotra mpanangom-baovao. Ny fihetsiketsehana taloha tamin'ity taona ity manko dia mpisera iray na roa ao amin'ny YouTube ihany no nandrakitra azy.

Ao amin'ny vohikalany na foibe an-tseraserany ny Central 7311 [pt] no nahazo anarana avy amin'ny andron'ny fihetseketseham-panoherana voalohany tamin'ity taona ity izay nitranga ny 7 marsa. Toy izao moa ny filazany ny tenany:

Aqui publicamos não só os pedidos de autorização enviados ao Governo Provincial de Luanda como também alguma informação independente, fora da redoma dos nossos viciados meios de comunicação social, na linha do chamado “jornalismo do cidadão”. Também publicamos alguns textos de opinião de diferentes colaboradores e estamos abertos a outros textos que vão ao encontro do que temos vindo a defender. A Centra 7311 pretende ser somente um espaço de convergência, de troca de ideias e de comunicação dessa juventude, dessa minoria(?) que está descontente, cansada e revoltada com a situação social e política em Angola.

Eto izahay tsy hitaky hahazo [hanohitra] ato amin'ny governemantam-paritany eto Luanda ihany, fa hamoaka vaovao mahaleotena ihany koa, ivelan'ny sehatra miankina ao amin'ny famoaham-baovao, eny an-tsefatsefan'ny “famoaham-baovaon'olo-tsotra”. Mamoaka ny sombin-kevitra avy amin'ny mpandray anjara samihafa ato aminay izahay ary misokatra ihany koa amin'ireo lahatsoratra hafa misy ifandraisany amin'izay iantsoanay izahay. Mikendry ny ho tahala irohotana ny Foibe 7311, tahala ifanakalozan-kevitra sy ifaneraseran'ny tanora, ity vitsy an'isa (?) tsy faly, leo ary mangidy vava amin'ny toe-draharaha politika sy sosialy eto Angola.

Manana kaonty Twitter ihany koa ny Foibe 7311 izay ampiasaina hanelezana ny vaovao farany nandritra ny diabem-panoherana ary dia toy izany ihany koa ny Fantsona YouTube.

Tsy natao horaiketina [hojerena] fotsiny ny lahatsary fa natao hanome aingam-panahy sy hanetsika koa, tahaka ity hira namboarina niraka tamin'ny fikambanan'ny Thievery “El Pueblo Unido” ity:

Mila marihana ihany koa ny fisiana lahatsary satirika sasany izay miely vetivety, Tafiditra amin'izany ny famerenana an-kira ny kabarin'i Dos Santos izay efa nihoatra ny 11.000 ny isan'ny nijery azy hatramin'ny volana Jolay. Mandrisika ny hafa hanao toy izany ilay mpikatroka nanatontosa azy – mba “hatao fihomehezana mandra-pahareraka ny kabarin'ny Filoha”:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.