Rosia : Mahakasika Ny Tena Manokana Misy Mamoaka Antsokosoko , Iza No Homena Tsiny ?

Ny 03 Oktobra 2011,  antotan-taratasinà teratany Rosiana maro,  ao anatin'izany ny taratasim- bola ary laharanà pasipaoro, no nakarina tao amin'ilay vohikala rusleaks.com [ru].

Taoriana kelin'ny nahitana ireo antontan-taratasy maro be,   ny lehiben'ny  mpampanoa lalàna  Rosiana sy ny Sampana Mpanara-maso  ireo Teknolojian'ny Fampahalalam-Baovao (izay afohezina amin'ny anarana hoe Roskomnadzor) dia nanambara fa nanao fikarohana izy ireo mikasika ny fomba nivoahan'ireo angona tao amin'ilay vohikala Rusleaks lazaina fa “miady amin'ny kolikoly”.  Maro amin'ireo anaran-tsehatra maro an'ny Rusleaks no tsy afaka idirana amin'izao fotoana izao.

Mamoaka antsokosoko ny mombamomban'ny tena manokana

Ny tranonkalam-baovao Rosiana Vedomosti dia nanoratra fa ny roa amin'ny mpiasa ao aminy no nahita ny momba azy ireo manokana tao [ru]

Корреспондент «Ведомостей» нашел в базах Rusleaks данные своего старого паспорта и помесячные данные о зарплате за вторую половину 1990-х гг., а его коллега — номера двух старых паспортов и некоторые данные, удаленные из «В контакте».

Drop. Picture by Flickr-user kaffeetrauma

Sarinà ranonando avy amin' i kaffeetrauma, mpampiasa Flickr

Iraka manokana avy ao amin'ny Vedomosti iray no nahita tao amin'ny Rusleaks ny antontan-taratasy momba ny pasipaorony taloha sy ny karamany tany amin'ny tapany faharoa amin'ny taona 1990,  ary ny mpiara-miasa aminy dia nahita nomeraonà pasipaoro roa taloha ary zavatra hafa voaangona  izay efa nofafan'ny VKontakte [tambanjotra sosialy].

Nanambara ny governemanta Rosiana fa ny fampakàrana lahatsoratra tahaka izany dia mandika ny lalàna mifehy ny mombamomba ny tena manokana ao anaty aterineto. Ny birao ny Fampanoavana dia nameno taratasy halefa ho an'ny tribonalin'ny tanànan'i Mosko mikasika io tranga io (raha maharesy ny Mpampanoa lalàna, dia hakatona ho an'ireo mpampiasa io vohikala io ao Rosia) sady nangataka [ru] tamin'ny BS Corp (registrat mpivarotra anaran-tsehatra izay mampiantrano ihany koa ny  rusleaks.com) mba hampiato ny famandrihan'izy io.

Tamin'ny karazana tranga roa  ihany no nanapahan'ny governemanta hevitra ny hampiasa fijirihana sehatra : ho an'ny vohikala sochi.ru sy ny torrents.ru,  ilay vavahadin-tserasera torrent Rosiana lehibe indrindra, izay  nakatona ny taona 2010 noho ny fandikana ny artikla 146 ao amin'ny fehezan-dalàna Rosiana famaizana heloka bevava.

Ilay sampan-draharaha koa dia nilaza fa ny sasany amin'ireo mombamomba ny tena,  izay nihanaka ny taona  1999 hatramin'ny 2007 dia mety nisy nanao hosoka [ru].

Iza no homena tsiny ?

Bilaogera Rosiana fanta-daza iray i Anton Nosik,  izay nisy namoaka koa ny momba ny kaontiny”Citibank” nanomboka ny taona 2003, dia nampakatra [ru] dikasarin'ny fàfana iray amin'ilay halatra tsy misy lanjany ny mombamomba ny tena ao amin'ny bilaoginy.  Nosik dia nanazava fa ilay mombamomba ny tena dia mety ho efa nandalo tamin'ny sehatra maro samy hafa tao amin'ny governemanta Rosiana ary nifarana tany amin'ny  sehatra ho an'ny daholobe.

Круг чиновников и силовиков, с которыми коммерческий банк в России обязан делиться всеми данными своих клиентов, невозможно установить. Зато теперь понятнее становится характер информации, сливаемой банками государству, и способ её хранения.

Sarotra ny hamaritra ny kiboroborin'ireo mpiasa am-birao sy ireo mpampihatra lalàna, izay manery ireo banky ara-barotra ao Rosia mifampizara ny mombamomba ny mpanjifany amin'izy ireo.  Ary ankehitriny dia lasa mazava kokoa hoe inona ny mombamomba ny tena manokana navoakan'ny banky ho an'ny governemanta ary ahoana no fomba nitehirizana azy ireny.

Ny fanadihadiana iray [ru] nakarin'ilay vohikala Habrakhabr no naneho fa 67,55 isan-jaton'ireo natao fanadihadiana ireo dia nanaiky fa:

Опубликование подобных данных, скорее зло чем польза, даже в России

Ny famoahana ny mombamomba ny tena manokana tahaka ireny dia tena ratsy tokoa fa tsy manampy, eny na dia ao Rosia aza.

Maro ireo mpitondra fanehoan-kevitra no nanavaka ny Rusleaks sy ireo rehetra izay nanome vaovao ho an'ny Rusleaks.  Mpampiasa iray  ao amin'ny CLR no nilaza[ru] fa ilay vaovao dia “tsy nangalarina fa nanaovan'ireo olona izay manana alàlana hiditra ao risoriso”,  ary nanamafy izy fa tena tokony ho saziana ireny olona ireny fa tsy ny vohikala izay mampakatra ilay lahatsoratra ihany.

Ilay mpampiasa Himari nilaza fa [ru] :

Проблема не в том, что существуют такие сайты, а в том что эти данные утекают. Вы как наше правительство, боритесь с последствиями, а не причинами. Тем более раз утекло, то уже всё — оно будет переодически всплывать.

Tsy ny fisian'ny vohikala tahaka ireny no olana,  fa ny fisian'ny mombamomba ny tena mivoaka antsokosoko.  Ianao,  toy ny governemantantsika,  dia miady amin'ny voka-dratsiny fa tsy ny fàkan'ny olana. Ary ny tena raharaha,  rehefa mivoaka ilay izy,  dia izay – hivoaka tsindraindray eny ilay izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.