Bahrain: Tanora Mpanao Fihetsiketsehana Maty Nisy Nitifitra


Sarin'i Ahmed Al-Qattan, tanora mpanao fihetsiketsehana maty nisy namono.

Nitrangàna fihetsiketsehana tao Barhain tamin'ity herinandro ity noho ny fahatezeran'ireo olona misaona nandevina an'i Ahmed Al-Qattan 16 taona, maty voatifitra tamin'ny basim-borona araka ny voalazan'ny minisitry ny Atitany, izay tsy mba milaza ny marina momba ny antony nahafatesan'ireo mpanao fihetsiketsehana:

@moi_bahrain: Nilaza ny tatitra avy amin'ny dokotera mpizaha ao amin'ny minisiteram-panjakana fa ratra avy amina basim-borona no nahafaty an'i Ahmed Jaber .

@moi_bahrain: Nampanao fanadihadiana haingana momba ny nahafatesan'i Ahmed Jaber ny Minisitry ny ATitany

Mifanohitra amin'izany kosa, ny an'ny Sampana Fampahalalam-baovao Bahrain, izay namoaka ireo zava-bita manafintohina tamin'ny alalan'ny famoronana tantara marobe nandritra ny fanoherana ny volana Febroary, nilaza ireo antony isan-karazany nahafaty ireo tanora:

@bna_en: Minisitrin'ny Atitany: Maty noho ny Aretim-po i Ahmed Al Jaber http://tinyurl.com/3cxrub4

Bilaogera Britanika Marc Owen Jones (@marcowenjones) ni-tweet, nanao fanamarihana ilay fampahalalam-baovao Bahrainita mikasika ny filazany ny antony nahafatesan'i Al-Qattan:

@marcowenjones: Tsy nisy gazety Barhain amin'ny teny anglisy namoaka ny fahafatesan'i Ahmed Jaber al-Qattan. Steve Jobs no nibahana tamin'ny pejy anankiroa.

Al-Wefaq, Sekretera Jeneralin'ny antoko mpanohitra Ali Salman (@WefaqGS) nisaona tamin'ny fahafatesan'i Al-Qattan ary nilaza hoe:

شعب البحرين يزف أحمد القطان شهيدا اخر على طريق الحرية والديموقراطية اللهم تقبل منا هذا القربا

@WefaqGS:  Raisin'ny vahoaka ao Bahrain ho toy ny maritiora hafa nitondra tamin'ny fahafahana sy ny demokrasia i Ahmed Al-Qattan. Mangataka an'ilay Avo indrindra izahay mba hanaiky izany sorona izany.

Mpisiokantserasera Bahrainita mafana fo, Mohammed Ashour (@MohmdAshoor) naneho hevitra hoe:

@MohmdAshoor: Ahmed Shams 15 taona .. Moh'd Farhan 6 taona .. Ali AlShaikh 14 taona .. Ahmed Al Qattan 16 taona .. Ankizy maritioran'i Bahrain.

Rula Al-Saffar (@alsaffarrula) lehiben'ny mpitsabo mpanampy ao amin'ny Toeram-pitsaboana Salmaniya izay vao avy nomelohina higadra 15 taona an-tranomaizina noho ny fitsaboana nataony tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ni-tweet mikasika ireo tanora maritiora:

@alsaffarrula: Raha azo antoka ny hopitalim-panjakana antsika sady manana mpitsabo mahay! mety avotra ihany i Ahmed! Marary ny foko!

Mpisiokantserasera Bahrainita (@BuMuhsin) ni-tweet momba ny dikantsoratry ny taratasy fanamarihana ny fahafatesan'i Ahmed izay manambara fa ratra avy amin'ny basimborona no antony nahafaty azy:

Taratasy fanamarihana ny fahafatesan'i Ahmed Al-Qattan

Amin'ity lahatsary ity,  sarimihetsika nalaina tamin'ny fotoana farany niarahan'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'i Ahmed. Mampiseho ny sarin'ireo vondrona tanora mitangorona eo amin'ny Ahmed izay mitsapa azy sy manamarina  raha mbola velona izy eo am-piandrasana ny fitsaboana atao any an-trano. Matahotra andeha hamonjy hopitaly ireo olona noharatrain'ny polisy satria mety hosamborin'ny polisy any indray izy ireo.

Mpanao gazety Bahrainita Abbas Bu Safwan ni-tweet hoe:

@abbasbusafwan: TOKONY HO FANTATRY NY TSIRAIRAY FA IREO MPANAO FIHETSIKETSEHANA NARATRA TAO #BAHRAIN DIA TSY NAHAZO FITSABOANA TAO AMIN NY HOPITALY NOHO NY TAHOTRY NY FANENJEHANA #UN #USA #EU #UK #ARABSPRING

Marina tokoa fa tsy fandevenana tsotsotra no atao noho ny fahafatesan'i Al-Qattan . Bahrainita an'arivony avy amin'ny faritra maro no nirona tamin'ny fandevenana azy, izay nitarika fifandonana tamin'ny polisy misahana ny rotaka izany avy eo.

@jihankazerooni: Bahrainita an'arivony no nandray anjara tamin'ny fandevenana ny Maritiora Ahmed Al qattan ankizy vao 16 taona monja.

Bahrainita hafa (@loveforbahrain) no namoaka horonantsary misy ny fiaran'ny polisy manohitra ny fanoherana izay manenjika ireo olona mamonjy ny fandevenana:

@loveforbahrain: Miezaka manenjika ny olona mamonjy ny fandevenana ilay Martiora Ahmad Alqattan ny polisy.

 

Ity koa lahatsary tamin'ny fandevenana an'i Al-Qattan izay nivadika ho fihetsiketsehana nahitana antsoantso manohitra ny fitondrana

Fantatra indray ny harivariva teo fa maro ireo olona naratra .


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.