Andron'i Ada Lovelace : Mihetsika Ireo Vehivavy Fitaratra

Ny Andron'i Ada Lovelace (7 Oktobra) dia mikatsaka ny hampakàrana ny tahan'ireo vehivavy manao siansa, teknolojia, fianarana ho injeniera ary matematika amin'ny alalan'ny famporisihana ny olona manerana izao tontolo izao hiresaka momba ny vehivavy izay ankasitrahan'izy ireo ny asa ataony. Ada Lovelace (1815-1852)dia vehivavy mpanoratra, teratany Anglisy, ary matematisiana, ary heverina mihitsy fa voalohany tamin'ny fanoràtana rindrambaiko.

Ny fahatsiarovantsika ny andron'i Ada Lovelace dia natokana indrindra ho an'ireo vehivavy miasa fatratra mba hampangarahara sy hampilamina izao tontolo iainantsika izao; mpitarika sosialy sahy mijoro hamaky bantsilana ny kolikoly amin'ny famatsiana fitaovana sy fanaovana fampielezan-kevitra izay mandrisika ny fahatongavan-tsaintsika sy mampiray hina antsika hihetsika ho amin'ny fanavaozana.

'One Laptop Per Child' project. Image by Flickr user venkylinux (CC BY-NC-SA 2.0).

'tetikasa 'solosaina iray ho an'ny ankizy iray'. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr venkylinux (CC BY-NC-SA 2.0).

Araka ny efa nataontsika tany aloha, ity taona ity no nampidirana ireo vehivavy manam-pahaizana ho fampifandraisana ny  teknolojia sy ny fanovàna ara-sosialy izay mitana anjara toerana lehibe eo anivon'ireo tetikasa fampivelarana ny fiarahamonina ho tompon'andraikitra sy mangarahara kokoa.

Ny fahatsiarovanay

Fernanda Viegas (@viegasf) dia ao anatin'ny lisitr'ireo Breziliana 100 voalohany to teny indrindra. Izy dia mpamorona kajy amin'ny solosaina, ny andraikiny amin'izany dia miompana amin'ny sosialy, fiaraha-miasa, ary endrika ara-artistikan'ny fijery ny torohay.

Viegas dia mpiara-mitarika, niaraka tamin'i Martin Wattenberg, ny vondron'ny ‘Big Picture’ na ‘sary lehibe'n'ny fijerena ny mombamomba, an'ny Google ao Cambridge, MA. Izy koa dia iray amin'ireo atidoha nikotrika ny sehatra Many Eyes (maso maro) , fijerena ny mombamomba ny daholobe,  andrana iray misokatra,  fijerena ny mombamomba ny daholobe sy fandalinana. Ao amin'ito lahatsary manaraka ito no ahafahanao mahita ny resany tao amin'ny TedX Sao Paulo :

Hok Kakada avy ao Kambodza dia namorona rindrambaiko izay hanampy ny hopitaly ao Kambodza hanangona antontan-kevitra azo antoka kokoa, manome fikirakirana tsara kokoa.  Ny asany rehetra dia miompana amin'ny rindrambaiko Open Source avokoa. Nanaovany fanamby ny fahasarotana atrehan'ireo tovovavy any amin'ny fireneny ary dia nahazoany ny diplaoma “master” tany Japana.

Linda Kamau (@lkamau) dia iray amin'ireo mpanoratra ‘code’ tao amin'ilay fandraisana andraikitra malaza Ushahidi. Izy dia mpamorona rindrambaiko monina any Kenya ary manana diploma manokana momba ny “Business Information Technology” Teknolojiam-baovao momba ny fandraharahana. Samy foronin'i Kamau, na vohikala, na ireo pitsopitsony fampiasa amin'ny finday ary mandray anjara amin'ny fitondrana fiovana manerana ny kaontinanta, miainga amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana mankany amin'ny fandrafetana an-tsaritany ny kolikoly.

Brenda Burelldia no atidoha mpiketrika ny lafiny teknika ao anatin'ilay Freedom Fone Project , bankin'angona iray mampiasa feo izay ahafahan'ireo mpampiasa mahazo vaovao sy torohay ho tombotsoan'ny daholobe amin'ny alalan'ny antso an-tariby, finday na antso amin'ny aterineto.  Talohan'izay izy dia nitantana ny “Kubatana initiative” tao Zimbaboe.

Camila Bustamante (@cabude), avy ao Peroa, dia miasa eo amin'ny sehatry ny famoronana endrika,  eo amin'ny tetikady famoronana endrika ho amin'ireo dingana fampandraisana anjara izay mifandraika indrindra amin'ny fifamezivezena an-tanan-dehibe,  ny toerana ho an'ny daholobe ary ny haino aman-jery vaovao .  Ny taona 2010 Camila dia nanomboka ny Todos somos dateros (isika rehetra dia mpamatsy vaovao anaty aterineto avokoa “),  fomba fandraisan'anjara ho an'ny fifamezivezena maharitra an-tanan-dehibe ao Lima.

Miasa avy any amin'ny Open Knowledge Foundation manana ny foibeny ao UK, Kat Braybrooke @kat_braybrooke dia mpamorona vavadahin-tserasera voalohany an-tranonkala ary i Lucy Chambers (@lucyfedia) dia eo an-dalam-pianarana ny fanoràtana ‘code’. Izy ireo dia tafiditra ao amin'ny famolavolana ny hetsika  “Open government” lehibe indrindra maneran-tany, ilay Open Government Data Camp any Varsovie.

Kristin Antin (@kjantin) avy any Amerika dia nandray anjara tamin'ny famoronana sy famolavolana ny  New Tactics in Human Rights na ny paikady vaovao ho an'ny zon'olombelona, teknika anaty aterineto mamatsy hevitra ho an'ireo mpiaro ny zon'olombelona izay manome vahaolana ara-paikady mafonja hiatrehana ny fanamby voafaritra mazava eo an-toerana, amin'ny fampiasana ny teknolojia.

Stephanie Hankey dia mpiara-manangana ny Tactical Technology Collective , fikambanana kely iray tsy miankina amin'ny fanjakana, natokana hanomezana lanja ny fahaiza-manao, ny fitaovana ary ny fomba tsara hiarovana ny zo, izay mandrisika azy ireo hampiasa ny torohay sy ny serasera ho fitaovana tena ilaina ho entina manampy ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika hahatakatra sy hampisy fiovàna miandalana ny ara-tsosialy, ny ara-tontolo iainana ary ny ara-politika.

Daniela Silva (@danielabsilva) avy ao Brezila no nanangana ny Sfera Brazil sy ny Transparencia Hacker, vondrom-piarahamonina ahitana mpanome endrika eo amin'ny 800 eo ho eo, “developpeur”, “codeur” ary hatramin'ny mpiasam-panjakana izay miara-mamolavola tetikasa lehibe mba hanomezana lanja ny fangaraharana sy ny fandraisana andraikitra.

Ireny no sasantsasany amin'ny ohatra momba ireo vehivavy manam-pahaizana tsy matahotra voalavo, fàfana, na ny fahasarotan'ny fanoratana ‘code’. Mandrisika ny hafa izy ireo amin'ny fanaovany tetikasa mahagaga, mandray anjara amin'ny fampandrosoana sosialy izy rehetra.

Raha mahita ohatra ianao ao an-tsainao ao ianao anio, manasa anao izahay hanoratra momba azy ireo, mba hilazalaza ny momba ireo vehivavy miasa amin'ny tontolon'ny teknolojia fantatrao; vehivavy izay maha-te hidera ary fitaratra ho an'ireo zazavavy amin'ny taranaka ho avy, ho lasa tahaka ny nandraisan'ny maro hafa an'i Ada Lovelace, zato taona mahery lasa izay. Zarao ny tantaranao ka entano ny hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.