Yemen: Mankalaza ny Herimpon'ireo Vehivavy Revolisionera

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana ao Yemen 2011.

Tanatin'ny valo volana nanaovan-dry zareo fanoherana am-pilaminana, fakàn-tahaka ho an'ny rehetra ny  Yemenita, tsy ho an'ny Arabo fotsiny fa ho an'izao tontolo izao mihitsy. Na dia firenena Arabo mahantra indrindra aza, nasehon'ireo lehilahy sy vehivavy Yemenita ny maha-manankarena azy ireo amin'ny resaka fahasahiana, faharetana ary fijoroana tsy azo hozongozonina, saingy ny tena nampiaiky volana izao tontolo izao dia ny fahatonian-dry zareo.

Taiz no fantatra ho toy ny tanànan'ny faharetana, fon'ny fitakiana fiovàna tao Yemen, ary noho izay dia niharan'ny daroka baomba tsy niato avy amin'ny tafi-panjakana notarihan'i Ahmed zanakalahin'i Ali Abdullah Saleh filoha Yemenita.

Ity lahatsary manaraka ity dia maneho ny herimpon'ireo vehivavy ao Taiz, tanàna izay nodarohan'ny tafik'i Saleh baomba nandritra ny alina, nefa nandeha nilahatra ny andro nanaraka an'izay, na teo aza ny orana, mba hanamelohana ireo herisetra sy ho fitakiana ny hitsaràna an'i Saleh sy ny fianakaviany. (lahatsary nakarin'i: mohammednaruto1).

Vehivavy mpitaky fiovàna no miara-milahatra ampilaminana isan'andro miaraka amin'ireo lehilahy eny an-dalamben'i Yemen.

Ny lahatsary manaraka dia mampiseho ireo vehivavy ao Dhamar raha iny ry zareo nitandrozotra nilahatra iny, nihaika ireo miaramila mba hanatsahatra ny fiarovany ny fitondrana mpanao herisetra tarihan'i Saleh sy hanameloka ny fanafaizana ny valalabemandry  ataon'ny fitondrana amin'ny fanapahany ny filàna fototra toy ny herinaratra sy ny rano. (lahatsary nakarin'i  almenifi)

Ireo vehivavy tsy faly tao Sanaa renivohitra dia nitandrozotra nilahatra ho fanamelohana ny  “fatwa” (didy ara-pinoana) izay naneren'i Saleh ireo mpitarika mpanara-dia azy mba havoaka ho fandraràna ireo hetsi-panoherana , araka izay asehon'ity lahatsary avy amin'i mediacentersanaa ity.

Ny lahatsary manaraka indray dia maneho ny habetsahan'ireo vehivavy  tamin'ilay Diaben'ny 4 Oktobra tao Sanaa nandraisana ny hiram-pirenena Yemenita ( Lahatsary nakarin'i : alqershi2011)

Ny androtr'io ihany koa ny Komity Mpanomana ny Revolisionan'ny Tanora Yemenita dia nandefa antso maika ho an'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, Ban Ki Moon, ary nampanarahana fanambaràna voarakitra anaty lahatsary avy amin'ireo vehivavy revolisionera manamafy ny fitakian'ireo tanora.

Yemen sy ny fitakiana fanovàna ao aminy dia mazàna no mbola atao an-jorom-bàla ka ny fahatonian'ireo Yemenita da mahatonga ny fitakian'izy ireo hitohy hanjary ho fakàn-tahaka ho an'ny maro. Androany (7 Okt.) , iray amin'ireo vehivavintsika mpitarika revolisionera, Tawakkol Karman no notolorana ny loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana. Tena azo raisina ho voninahitra sy fandresen'ny Arabo, ny Yemenita, ny mafàna fo, ny mpikatsaka ny fahalalahana izany, saingy fandresena indrindra indrindra ho an'ireo Yemenita Revolisionera sy ny Revolisiona tam-pilaminana tao Yemen.

Raha hamaky misimisy kokoa (rohy amin'ny teny Anglisy):

Global Voices Online, 7 Oct 2011: Yemen: Celebrating Tawakkol Karman

Global Voices Online, 7 Oct 2011: Yemen: Congrats to Tawakkol Karman

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana ao Yemen 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.