Kamerona: Resabe Manodidina Ny Fampielezan-Kevitra Amin'ny Fifidianana

Ity pejy ity dia anpahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Fifidianana ao Kamerona 2011.

Niditra amin'ny herinandro farany amin'ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidiana izay ho filoham-pireneny ny Repoblikan'i Kamerona ao Afovoan'i Afrika, izay hofarana ny 9 Oktobra 2011. Raha efa tonga ao an-toerana ireo mpanaramaso iraisam-pirenena momba ny fifidianana mba hijery ny fizotry ny fifidianana, tsy dia mahavita mandresy lahatra loatra ny vahoaka Kamerone amin'izay tena maha-zava-dehibe an'izany ny fampielezan-kevitra.

Tsy fisian'ny fisehoana mivantana miavaka avy amin'i Paul Biya

Saribe fanentanana an'i Paul Biya, filoha farany sady mpirotsaka hofidiana, avy amin'i Eric Mwamba tao amin'ny Facebook

Voakiana noho ny fandaniany fotoana betsaka any  ivelan'ny fireneny, Paul Biya, filoha farany sady mpirotsaka hofidiana dia voakiana koa ankehitriny amin'ny tsy fahitàna azy mivantana anatin'ny adihevitra politika.

Io izao no lohahevitra mameno ny fifanakalozan-dresaka any anaty Twitter natokana ho an'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, #cmr11……

Raha jerena amin'ny teny faneva nofinidin'ny filoha vao teo no niala mba hoan'ny fampielezan-keviny “Ny safidim-bahoaka” dia manontany tena i   Etumnamboa ao amin'ny twitter [fr]:

Je ne comprends pas il est le “Choix du Peuple” mais ne s'approche jamais de son peuple et a peur de lui

Tena tsy azoko, izy no hoe  “Safidim-Bahoaka”, nefa tsy hita akory mba manatona ny vahoakany fa toa sahala amin'ny matahotra azy.

Araka ny filazan'i Félicité Ngadja avy amin'ny  Social Democratic Front any  Canada ao amin'ny tranonkalam-baovao camer.be, ny fihetsiky  ny filoha dia tsy mitory zavatra tsara ho an'ny vahoaka sy manoloana ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena amin'i Kamerona:

(…) disparaître du paysage politqiue une semaine après le lancement de la campagne électorale est plus qu’un mépris envers le peuple camerounais mais une insulte grave envers tous les bailleurs de fonds et les partenaires du Cameroun

(…) ny filentehana tsy ho eo amin'ny tontolon'ny politika iray herinandro monja taorian'ny nanombohana ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana dia tena fanaovana tsinontsinona tsotra izao ny vahoaka Kamerone, ary tena ompa ratsy ho an'ireo mpanohana sy mpiara-miasa iraisam-pirenena amin'i Kamerona

Ny fitsidihana nambara fa hataon'i Biya any Maroua, tanàna lehibe indrindra any Avaratr'i Kamerona, dia toa tsy maharesy lahatra ny Kamerone mpiondana aterineto.  i NewsduKamer, mpampiaza Twitter, dia maneho hevitra miharo esoeso mikasika ny fahatongavan'i Biya any Avaratra, ao amin'ny twitter [fr] :

Attention au choléra…

Tandremo ny Kolera…

NewsduKamer mifahatra amin'ny hoe ny any avaratry ny firenena dia voadona manokana amin'ny  fihanaky ny kolera izay efa niteraka sahady famoizana aina Kamerone 500 hatreto.

Anatin'ity video manaraka ity, nakarin'i Paul Biya 2011 tao amin'ny  pejy fampielezan-kevitra ao amin'ny Youtube:

Manaikitra mihitsy i Biya amin'ny kiana iresahana ny fisamantsamahana goavana eo amin'ny  Avaratra sy ny Atsimo, hoy ny nambarany nandritra ny fitsidihany tao Maroua:

Je suis venu à Maroua pour marquer l’importance que j’attache à votre région, à la paix et aux problèmes du monde rural dans notre nouvelle dynamique pour mettre notre pays sur la voie de l’émergence

Nanketo Maroua aho haneho ny lanja omeko ny faritra misy anareo, ny fandriampahalemana, ny olan'ny tontolo ambanivohitra. Izany dia mifandray amin'ny fomba famindrantsika vaovao hametrahana ny firenentsika eo amin'ny làlana mankany amin'ny fisandratana.

Iray amin'ireo  sata navoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialiny, Banla Maximus,  Bamenda iray mpampiasa facebook  monina any Kamerona no naneho hevitra hoe:

Personne ne peut gérer Cameroun mieux que vous.Vous avez mon appui tout le temps.

Tsy misy mahavita mitantana tsara an'i Kamerona afa-tsy ianao. Manohana anao foana aho amin'ny fotoana rehetra.

Araka ny lazain'i Kasbig,t mpampiasa Twitter, dia hanao fampielezan-kevitra any Douala ny filoha, renivohitra ara-toekarenan'i Kamerona, amin'ny 5 Oktobra 2011 [fr]:

Le Nnom Ngii est à Douala demain, le 17h de CRTV est entrain de donner le programme. (…)

Ho ao  Douala ny Sefon'ny Sefo rahampitso, amin'ny vaovaon'ny CRTV (Televiziona nasionaly Kamerone) amin'ny 5 ora hariva, raha ny fandaharan'ny fahitalavitra no jerena (…)

Ny vaovao dia namafisin'ny Pejy  Faceboook Ofisialin'i Biya. Sokajiana ho manan-tantara ity fitsidihana ity: tsy tao amin'io tanàna io i Paul Biya efa hatramin'ny 20 Septambra 1991, rehefa nitranga ny famoretana ny mpanohitra.

Rehefa jerena ny olana mitarazoky ny tsy fahampiana herinaratra, Bubakaele, mpampiara iray hafa ny fahana  Twitter #cmr11 no manamarika[fr] :.

avec la visite du Nom Ngii à #Douala, la lumière semble revenue dans certaines rues

Miaraka amin'ny fitsidihan'ny Sefon'ny Sefo ao Douala, toa sahala amin'ny hoe niverina  ny jiro amin'ny lalambe sasantsasany.

Tsy nifanatrika na dia iray aza tamin'ireo mpirotsaka 22 hafa tanaty adihevitra mihitsy  i Paul Biya hatramin'ny fiandohan'ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana. Tamin'ny iray amin'ireo fifandaharana isan-kerinandro karakarain'ny fantsom-pahitalavitra Panafrican  Africa 24, ny mpirotsaka avy amin'ny mpanohitra, Edith Kahbang Walla (Antokom-bahoaka Kamerone) sy Anicet Ekane (MANIDEM) no nifanatrika tamin'i Grégoire Owona (Sekretera Jeneralin'ny Antokon'ny filoha –  Cameroon's People Democratic Movement – CPDM ).

Halemena sa mpanohitra nolemena?

Grioo.com [fr] dia namoaka fanadihadiana momba ireo mpirotsaka, anasongadinana ny tanjaka sy ny halemen'izy ireny.

Anisan'izy ireny i Olivier Bilé, 44 taona, mpirotsaka natolotry ny  Union for Brotherhood and Prosperity [fr] (Union pour la Fraternité et la prospérité – UFP) izay mitandrina ihany amin'ny fomba fijeriny mirona amin'ny “Political Fathism” [fr] (Foyisme politique – Avy amin'ny mpandika: finoana ara-politika fa handresy avy hatrany). Azavaina ao anatin'ny lahatsoratry ny tranonkala Grioo.com [fr] ilay foto-kevitra izay miompana amin'ny :

la création de 500 000 emplois par an tout au long de son mandat, la sortie du franc CFA avec la création d’une monnaie appelée le « camer » et la révision de nos structures mentales et spirituelles pour mieux gouverner avec Dieu comme repère fondamental.

Famoronana asa 500.000 isan-taona mandritra ny fe-potoana itondrany, fialàna amin'ny faribola “Franc CFA” sy fananganana ny vola antsoina hoe “camer”,  ary ny fanovàna ny rafitry ny toe-tsaina ampam-panahin'ny Kamerone mba hisian'ny fitantanana mendrika kokoa miaraka amin'Andriamanitra ho toy ny teboka fototra ifaharana

Ny firesahana an'Andriamanitra izay tsy mety amin'ny mpiondana aterineto sasany toa an'i ETAMBA ao amin'ny Twitter:

(…) Faut qu'il laisse Dieu tranquille

(…) Tokony tsy hikitikitika an'Andriamanitra izy

Jean Njeunga, iray ihany koa amin'ireo mpirotsaka 23, dia nanjary fihomehezan'ny vondrom-piarahamonin'ireoKamerone anaty aterineto taorian'ny nisehoany tamin'ny fandaharana ara-politika tao amin'ny  Equinoxe TV, fahitalavitra Kamerone tsy miankina iray. Lahatsary iray ao amin'ny Youtube no nakarin'i moanang mba ho azo jerena ary efa nisy mpitsidika maherin'ny 23.000 nijery azy.

Tamin'ny 11:06 mn, Jean Njeunga dia nanontanian'ilay mpanao gazety, Suzanne Kalla Lobè, raha toa izy ka hanafoana ny fampakarana vady maro (polygamy) rehefa voafidy ho filoha.Ity ny valinteniny:

Tsy vitako ny hanafoana azy io satria efa nanomboka tamin'izany marovady izany ireo razambentsika (..) Afrikana isika, fa tsy Eraopeana (…)  Betsaka kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy aty Kamerona

Pejy Facebook iray antsoina hoe  “Le Best of des Phrases de JEAN NJEUNGA – Etoudi 2011” no nanangonana ireo fitanisàna malazan'Ing. Njeunga.

Saingy araka ny lazain'ny Kamerone iray mpanoratra mipetraka any Chicago sady mpanao gazety, Dibussi Tande, ny fampisehoana rehefa vanim-potoam-pifidiana toy izany dia tsy mahagaga. Hazavainy ao amin'ny  kaonty Twitter-ny:

Tsy misy na iray aza antoko politika (afa-tsy ny  CPDM izay afaka mampiasa n y fananam-panjakana) ho afaka hanatanteraka antsakany sy andavany fampielezan-kevitra momba ny fifidianana ao anatin'ny 14 andro

Ary dia tohirany:

Ny lalàm-pifidianana Kamerone dia tsy midika fotsiny hoe manome vahana ny mpitondra vao teo no niala fa koa manala baraka ny dingam-pifidianana manontolo.

Ny 6 Oktobra 2011, Africa Review dia mitatitra fa  mpirotsaka roa avy amin'ny mpanohitra, Edith Kah Walla sy Anicet Ekane, no nikarakara fihaonana tamin'ny mpanao gazety mba hanazavany ny kiana ataony amin'ny rafi-pifidianana Kamerone:

Tamin'ny resaka tamin'ny mpanao gazety ny Talata teo [4 Oktobra 2011] tao Douala, Ing. Ekane niampanga hoe ny sariben'i  Biya dia mandika ny fepetra iray napetraky ny  ELECAM (biraom-pifidianana) hoe tsy tokony hihoatra ny 60 sm ny lavany ary 40 sm ny sakany.

“Ireny fepetra ireny dia tsy najain'ny mpirotsaka avy amin'ny antokon'ny mpitondra satria ny sasany amin'ireo saribeny dia telo metatra ny sakany ary efatra metatra ny lavany, izay tena tsy ara-dalàna tanteraka mihitsy,” hoy ny nambaran'Ing. Ekane

Momba ny fanohanana ara-bola ny fampielezan-kevitra, nanamafy Ing Ekane sy ny mpirotsaka avy amin'ny Antokom-bahoaka Kamerone fa tsy mbola naharay ny vola avy amin'ny Tahirom-bolam-panjakana ry zareo, mifanipaka amin'izay fampanantenana ofisialy efa natao

Esther Dang [fr], mpirotsaka iray avy amin'ny mpanohitra, rehefa namaly fanontaniana napetraky ny Kolon-tsotra Kamerone iray tao amin'ny fisehoana an-tsehatra ara-politika iray an'ny fantsom-pahitalavitra  Vox Africa [fr]  dia nanamafy koa fa hatramin'ny 3 Oktobra 2011 dia tsy mbola naharay izay volam-panjakana ho an'ny fampielezan-keviny izy. Saingy  tamin'ny fomba tony no nitodihany nijery ity resaka famatsiam-bola ity:

C'est bien aussi cette situation qui permet aux camerounais de suivre les composantes de la démocratie camerounaise (…) ; cette situation permet aussi aux camerounais de se rendre compte que nous sommes un PPTE et qu'il n'est pas normal que nous déployions sur le terrain un arsenal de moyens, d'argent qui en correspond pas au pouvoir d'achat

Tsara ity toe-draharaha ity, izay hahafahan'ireo Kamerone manaraka  ny singa rehetran'ny demaokrasia Kamerone; Ity toe-draharaha ity koa dia mamela ny Kamerone hahafatantra fa izy ireo dia miaina anaty Firenena Mahantra Indrindra sy Difotry Ny Trosa ka tsy araka n y tokony ho izy raha toa isika hampiasa izao fitaovana rehetra izao eny ankianja, sy vola izay tsy mifanandrify mihitsy amin'ny zava-misy amin'ny fahefa-mividintsika.

Ity pejy ity dia anpahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Fifidianana ao Kamerona 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.