Sina: Mpianatra Miofana Arak'asa Sa Mpikarama Vary Masaka?

Hatramin'ny 2004 no nanomboka tsikaritra tao China ny tsy fahampian'ny hery afaka mamokatra; mba hiatrehana ilay olana dia nanomboka nandrisika ny fanorenana ivontoerana tantanin'olon-tsotra ny governemanta Sinoa mba hampitomboana ny isan'ireo sekoly manofana hiasa. Araka ny antontan'isan'ny Biraon'ny Fanabeazana, ny isan'ny mpianatra any amin'ireo Lisea manofana hiasa dia niainga avy amin'ny 12,56 tapitrisa tamin'ny 2003 ka tonga amin'ny 21,95 tapitrisa tamin'ny 2009.

Tamin'ny 2006, nampidirin'ny governemanta ny atao hoe “Orinasa etsy aloha, sekoly ao an-damosina” na lasitra fiaraha-miasan'ny sekoly sy ny orinasa. Na izany aza, ireo mpianatra miditra amin'izany dia tsy voaaron'ny karama farany ambany akory, sady ireo orinasa dia tsy mila akory mandrotsaka fiahiana ara-tsosilay ho azy ireny, na dia miasa toy ny mpiasa tsotra rehetra aza ireo mpianatra.

Herim-pamokarana sady mpianatra

Young shoe factory worker in Shenzhen Longgang, China. Image by Martin Coyne, copyright Demotix (27/04/2009).

Tanora miasa aminà orinasa mpanamboatra kiraro ao Shenzhen Longgang, Sina. Sary avy amin'i Martin Coyne, copyright Demotix (27/04/2009).

Ny Asia Monitor Resource Centre na Foibe Fanaraha-maso ny Loharanon'angovo ao Azia dia namoaka tatitra amin'ny antsipirihany, ‘ Cheap Labour in Essence, Students in Name: Vocational School Interns In China [Eng]’, momba ny fanararaotana an-kitsirano ny mpianatra mianatra asa ao Sina

…ny hany tena ilain'ireo orinasa Sinoa rehetra dia mpiasa tsy manana fahaizana manokana;   ; ny ankabeazan'ny mpianatr’ ireo lisea manofana hiasa, na inona na inona làlam-piofanana arahan-dry zareo, dia alefa any amin'ny seha-pamokarana daholo amin'ny farany, ka any dia lazain'ireo mpianatra sasany fa iray andro monja no lanin-dry zareo ianarany ny asany no sady tsy ilàna fahaizana manokana momba ilay asa akory. Vokatr'izay, ny fandraisana ireo mpiasa mianatra asa, ny tena votoatiny, dia fanilihana fotsiny ireo mpianatra tsy ho isan'ny mpiasa manana fifamatorana matotra amin'ny orinasa, ary dia tsy voaaron'ny lalàna mifehy ny asa ry zareo amin'izany, ka dia azon'ny orinasa atao ny mampidina ny fandaniana natokany ho an'ny herim-pamokarany.

Io zava-misy io dia tsy hoe fotsiny manakana ireo mpianatra tsy hahazo ny zony amin'ny maha-mpiasa azy, fa koa mitondra voka-dratsy ho an'ireo rehetra tonga eo amin'ny tsenan'ny asa. Orinasa maro no mampiasa mpianatra mandritra ny fotoana maharitra, ny sasany amin'izy ireny no mampiasa azy ireny hatramin'ny 70%-n'ny herim-pamokarana ilain-dry zareo…

Mpianatra-mpiasa maro avy ao amin'ny Sekoly Miaramilan'ny Guoyang na ny Sekoly Fianarana Asa ao  Guoyang no nanapa-kevitra hamaky bantsilana ny olana teto amin'ny aterineto. Ito ambany ito ny fampidirana nataon-dry zareo tao amin'ny Sina Weiblog [zh] tamin'ny 19 Jolay 2011:

我们是贵阳市国防学校的毕业生,被学校当成了赚钱工具,长期实习。我们感到不愤,走上了维权路,为自己讨公道。希望分享我们的经历,请大家支持我们!我們的博客:http://t.cn/aWSbkR

Mpianatra nahazo diplaoma tao amin'ny Sekoly Miaramila ao Guoyang izahay. Ampiasain'ny sekoly ho toy ny fitaovana hakàna tombontsoa fotsiny izahay. Mahatsiaro sorena izahay ary manapa-kevitra ny hiaro ny zonay sy hikatsaka ny rariny. Te-hizara izay zavatra iainanay izahay, miangavy mba tohano! Ny rohy mankany amin'ny bilaoginay dia : http://t.cn/aWSbkR

Ny iray amin'ireo mpianatra-mpiasa,  Xiao Luo, dia nilaza ity tantarany ity tao amin'ny gazety iray ao an-toerana[zh] tamin'ny Jolay:

“在 学校根本学不到东西。”小罗学的是市场营销专业,2007年7月入校,在学校只待了5天,他就被安排到深圳的一家公司实习。直到2008年2月才回到学 校。在学校上了两三个月的课之后,他再次被送到外面当没有人指导、实习内容完全不对口的“学生工”。小罗说:“每次勤工俭学回去后,都会有一个星期的假 期,学校就会给我们很多招生简章,并下达任务,回家要招多少学生,如果招不够回来的话,我们的教官就会被罚钱。如果帮他们招一个学生的话,就给600元奖 金。实际上,这笔奖金不是学校支付,而是在所招到学生的实习工资里扣除。”

“Tsy afaka hahazo na inona na inona ianao any an-tsekoly.” Ny ‘marketing’ no taranja ataon'i  Xiao Luo. Niditra tao amin'ny sekoly izy tamin'ny Jolay 2007, nijanona tao nandritra ny dimy andro dia avy eo nalefa tany aminà orinasa iray ao Shenzhen ho toy ny mpiana-draharaha. Niasa tao izy hatramin'ny Febroary 2008, avy eo niverina an-tsekoly hianatra momba ny asa nandritra ny roa na telo volana teo ho eo dia naverina niasa indray. “Tsy nisy fitarihan-dàlana na kely aza tany amin'ny toeram-piasana, fa tonga dia mpiasa fotsiny izao izahay, raha ny marina.” Hoy i  Xiao Luo, “Isak'izay tafaverina avy any amin'ny asa izahay, dia omen'ny sekoly herinandro hialàna sasatra, nomena izao karazan'antontan-taratasy rehetra izao ho fampahafantarana ny sekoly  ary nangatahana mba handroboka mpianatra maro rehefa tafody any an-tanàna. Raha tsy mahavita misarika mpianatra misimisy izahay, dia mandoa lamandy ny mpampianatra anay. Etsy ankilany kosa, mandray 600 [yuan] bonus isaky ny mpianatra voajono izahay. Ny marina dia izao, tsy ny sekoly no mandoa ny vola, fa esorina amin'ny karamanay.”

按照法律规 定,实习期间的劳动报酬应该发到实习生手里。但据他们介绍,3年来,小罗及他们同学的所有工资都直接打入学校账户。…此 外,学校帮他们每个人都申请了国家补助金,两年共计每人3000元,小罗这级共有1801人。他们至今不知道这些钱长啥样子。“

Araka ny fitsipika mipetraka, ny karaman'ireo mpianatra asa dia tokony haloa mivntana amin'izy ireo, na izany aza anefa, tato anatin'ny roa na telo taona farany, dia nalefa mivantana tany amin'ny kaontin'ny sekoly ny karama… Fanampin'izany, nametraka fangatahana fanampiana avy amin'ny governemanta ny sekoly ho an'ireo mpianatra ka ny mpianatra tsirairay dia tokony handray 3.000  yuan mandritra ny roa taona. Nisy mpianatra 1.801 tao amin'ny andiany misy an'i  Xiao Luo, saingy tsy nisy na iray aza tamin-dry zareo naharay ilay fanampiana avy amin'ny governemanta.

Nampiasa ny Weibo ihany koa ilay mpianatra mba hanairana ireo mpiasan'ny mpampahalala vaovao ao an-toerana [zh] mikasika ny momba azy ireo:

对@中国新闻周刊 说:你们好!我们是贵阳市的中职学生,学校违规办学,包括学校滥收费、强迫学生长时间实习、强迫童工实习、克扣学生工资、代收和骗取国家补助金等。我们已向教育局、物价局、教育厅投诉,可教育态度搪塞,学校恐吓学生,我们媒体报导。我们有个材料,是否有邮箱给发过去。谢谢!

Ho an'i  @ChinaNewsWeekly: Miarahaba, mpianatra avy ao amin'ny Lisea Fianarana asa ao  Guoyang izahay. Nanitsakitsaka fepetra maro ny sekoly, isan'izany ny saram-pianarana midangana, ny fampanaovana fiofanana arak'asa maharitra loatra any anivon'ny orinasa, fampiasana mpianatra tsy ampy taona, fanagiazana ny karaman'ny ankizy sy ny fanampiana avy amin'ny governemanta. Nametraka fitarainana izahay tany amin'ny Birao momba  ny Fanabeazana sy ny Sanda. Saingy ny fihetsika asehon'ny Birao misahana ny Fanabeazana dia sadasada toa mitanila ka nanomboka nandrahona ny mpianatra ny sekoly ankehitriny. Manana porofo izahay ary azonay alefa ho anareo izany. Misaotra anareo!

Farany, maro ireo famoaham-baovao eo anivon'ny aterineto no nanaraka akaiky ilay raharaha, toy ny  Caixin.cn [zh]. Avy eo ireo mpianatra dia namelabelatra misimisy kokoa, tamin'ny 26 Aogositra[zh] tamin'ny alalan'ny kaonty Weibo an-dry zareo, fa ny sekoly dia mandefa ny ankizy ho herim-pamokarana hiasa any aminà orinasa mpanao akanjo.

我是这个学校的,2007年刚入学,才15岁,也跟着所有工人一样,每天上12小时的班,一个月只有一两天休息。那时候我们所在的工业区有一家厂的童工工伤死亡,学生童工被原来的工厂退出来了,学校又把学生集中起来,改了我们的出生日期,调到另一个工厂上班,当时候100多个同学都不满16的,有些才14岁!

Avy ao amin'io sekoly io aho. Tamin'ny 2007 aho no niditra tao fony mbola 15 taona. Toy ireo mpiasa hafa rehetra, ny anjarako dia ora 12 isan'andro ary fitsaharana in-droa isam-bolana ihany. Tamin'izany fotoana, nisy loza nitranga tao amin'ny toeram-ponenan'ireo mpiasa ao amin'ilay orinasa ary nahakasika ankizy iray niasa tao ka dia naverin'ny orinasa nankany an-tsekoly daholo ireo ankizy rehetra nampiasaina tao. Avy eo novàn'ny sekoly ny datin'andro nahaterahanay tany anaty antontan-taratasy ary dia nalefany hiasa tany aminà orinasa iray hafa izahay. Nisy teo amin'ny 100 teo ny mpianatra latsaky ny 16 taona, ny sasany vao 14 taona monja!

Ny 8 Septambra, roa andro nialoha ny Andron'ny Mpampianatra, namoaka lahatsary iray ireo mpianatra, manainga ny mpanabe an-dry zareo hihetsika handray andraikitra mikasika ny fanararaotana ny mpianatra miasa:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.