Maraoka: Tetikasa Zotran-dalamby TGV Vita Frantsay Miteraka Resabe

Ny Alakamisy 29 Septambra 2011, nitsidika an'i Maraoka  ny Filoha Frantsay Sarkozy mba hanotrona ny fanombohana ny asa fanorenana zotram-piarandalamby TGV mampitohy ireo tanàna ao Tangier sy Casablanca. Ity fiarandalamby haingam-pandeha vita frantsay ity dia tokony hanomboka hisosa amin'ny Desambra 2015 ary mitontaly 20 lavitrisa  dirhams (US$2.4 lavitrisa) ny vivavinam-pandaniana aminy.

Ny masoivohom-baovaom-panjakana Maraokana M.A.P. dia nidehaka hoe “i Maraoka no firenena voalohany indrindra aty Afrika sy amin'ny tany Arabo hanana fitaterana an-dalamby raitra sy araka ny haitao avo lenta toy izany“

Nandritra ny lanonana, teo ambany fiahian'ny mpanjakan'i Maraoka Mohammed VI sy ny Filoha Sarkozy, ny Minisitry ny Fitaterana Maraokana,  Karim Ghellab dia nanazava fa ny TGV dia andrasana hiteraka asa vaovao sy ho seha-piofanana momba ny asa amin'ny fitaterana an-dalamby ho an'ireo Maraokana mitady asa.

Na izany aza, dia miteraka resabe ihany ity tetikasa ity eny anivon'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Mametra-panontaniana ireo bilaogera Maraokana mikasika izay antony ao ambadik'izao, ary manontany raha tena ilain'ny fireneny tokoa ny tetikasa lafo vidy be toy izao.

TGV train in the French countryside. Image by Flickr user Joost J. Bakker IJmuiden (CC BY 2.0).

Fiarandalamby TGV any ambanivohitra frantsay. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, Joost J. Bakker IJmuiden (CC BY 2.0).

Ny “tena” antony

Ilay bilaogera Maraokana anti-panahy, Larbi, dia mihetsika manohitra ilay  “heloka bevava ara-toekarena”. Azavainy fa ilay fifanarahana dia tampi-maso nomena an'i Sarkozy tany amin'ny faramparan'ny taona 2007 tany mba ho fanambatambazana ny Frantsay noho ny tsy  nahazoan-dry zareo ny fifanarahana varotra fitaovam-piadiana, nitentina volabe, nanoloana ny Amerikana. Tamin'izany fotoana, ny governemanta Maraokana dia nifidy ny fiaramanidina mpiady Lockheed Martin F-16 avy any Etazonia nanoloana ny fiaramanidina mpiady frantsay Dassault Rafales.

Nisafidy ny hividy ny TGV frantsay i Maraoka mba hampiononana an'i  Sarkozy, hoy ilay bilaogera manazava. Manoratra [fr] i Larbi, mitodika amin'ny filoha Sarkozy:

C’est ainsi que cette aberration économique est née. D’un mélange d’ascendant psychologique que vous exercez sur les dirigeants marocains, de la volonté de ces derniers de vous plaire et du fait du prince, voire du caprice, du roi Mohammed VI. Un jour, sans étude préalable, sans aucune consultation ni étude de rentabilité, on a décidé de vous accorder un marché de TGV pour ne pas vous fâcher. En contrepartie vous avez bien voulu faire un beau discours au parlement marocain pour dire tout le bien que vous pensez du roi Mohammed VI et de la démocratie à la marocaine. C’était en 2007, c’était il y a mille ans. Mais force est de constater que ce sujet au moins vous n’avez pas changé d’avis, printemps arabe ou pas.

Dia teo no teraka ity hadalàna ara-toekarena ity: miainga avy aminà fifangaroana fandrebireben-tsaina nataonao [Sarkozy] tamin'ireo mpitondra Maraokana, ny finiavan'ireto farany hanome fahafaham-po anao, ary ny finiavana, na va re holazaintsika hoe, ny di-dohan'ny mpanjaka Mohammed VI. Indray maraina, tsy nasiam-pandinihana mialoha akory, tsy nisy fifampiresahana na fijerena izay mba hahazoana tombony, dia notapahanay fa homenay valisoa ianareo, dia ny TGV, mba tsy ho tezitra. Ho setriny dia nanao kabary mampandry adrisa ianao tao amin'ny Parlemanta Maraokana hilazana izay tsara rehetra azonao sainina momba ny mpanjaka Mohammed VI sy ny demaokrasia Maraokana. Tamin'ny 2007 izany. Arivo taona lasa izany. Ny zavatra tokana azo antoka anefa [Sarkozy], tsy niova ianao…na ho lohataona Arabo io na tsia.

“Sarkozy, ‘ndeha mandeha any!”

Ny fitsidihan'i Sarkozy tao Maraoka dia nitranga indrindra tao anatin'ny fotoana izay isian'ny adihevitra lehibe ao amin'ny firenena, momba ny fanavaozana demoakratika nentin'ny Lohataona Arabo, natosik'ireo hetsi-panoherana am-pilaminana teny an-dalambe notarihan'ny hetsiky  ny tanora “20 Febroary” mpandàla  ny demaokrasia.

Ho an'ny maro, ilay fitsidihana dia manamarika fanohanana midanadana ataon'i Frantsa ny fanavaozana maha-be resaka tarihan'ny Mpanjaka  Mohammed VI. Ho an'ilay mafàna fo Rachid Droit, io dia miteraka fitsabahana amin'ny raharaha anatin'i Maraoka. Tsy miolankolaka ny hafany ho an'i Sarkozy :

"Sarkozy, get out! Morocco is not for sale". Poster by Rachid Droit, posted on Facebook.

"Sarkozy, 'ndeha mandeha any! Tsy amidy akory i Maraoka". Saribe avy amin'i Rachid Droit, nakarina tao amin'ny Facebook.

Ny tambajotra Alstom

Ny orinasa frantsay Alstom, izay nahazo ilay fifanarahana hametraka ilay TGV Maraokana, dia tafiditra anaty lisitra maintin'ny BDS campaign (Boycott, Divestment and Sanctions) hatramin'izy io nipongatra, tany amin'ny Janoary 2010 tany, hoe tafiditra tamin'ny tetikasa fanorenana zotran-dalamby tram  tao Jerosalema ilay orinasa, nosainina hampitohy an'i Jerosalema Andrefana amin'ireo fibodoana tsy ara-dalàna ao anatiny sy manodidina an'i Palestina Atsinanana.

Mamfakinch!, tranonkala iray tantaninà andianà mafàna fo Maraokana, no miresaka ilay olana sady manontany tena [fr] hoe:

Lors de l’attribution à Alstom de ce projet a-t-on pris en compte sa participation à la construction d’un tramway reliant Jérusalem-Ouest, via Jérusalem-Est, à deux colonies de Cisjordanie? (Pour rappel : la ligune arabe, dont le Maroc est membre, a voté une résolution condamnant le projet de tramway de Jérusalem)

Fony nanome io tetikasa io ho an'ny Alstom, noraisina tao anatin'ny kajikajy ve ny efa fandraisan'io orinasa io anjara amin'ny fametrahana zotranà tram iray hampitohy ny Andrefan'i Jerosalema amin'ny Atsinanan'i Jerosalema sy faritra roa bodoiny? Ho fampahatsiahivana, ny ligy Arabo, izay mpikambana feno ao anatiny i Maraoka, dia nandany fanapahan-kevitra iray manameloka ilay tetikasa zotran-dalamby tram ao Jerosalema [tany am-piandohan'ny 2010 tany].

Lafo vidy ny hafainganam-pandeha

Betsaka amin'ireo resabe manodidina ilay tetikasa TGV no mikasika ny tombam-bidiny. Manoratra ilay bilaogera Omar El Hyani [fr]:

Le coût du projet avancé jusque là était de 20 milliards de DH (dirhams), soit un peu moins de 2 milliards d’euros. Et au début de ce mois-ci, une autre surprise attendait le contribuable marocain : le coût prévisionnel du projet n’est plus de 20 milliards, mais bien de 33 milliards de DH (~3 milliards d’euros) ! Oui , vous avez bien lu, une augmentation de 13 milliards de DH (plus d’un milliard d’euros), soit 65% d’augmentation, sans qu’aucune explication ne soit fournie!

Ny tombam-bidin'ilay tetikasa tany ampiandohana dia teo amin'ny 20 lavitrisa dirhams Maraokana teo, latsaka kely monja ny 2 lavitrisa euros. Saingy tany am-piandohan'ity volana ity, fahagagàna iray no nitsena ireo Maraokana mpandoa hetra: tsy 20 lavitrisa intsony ny tombam-bidin'ilay tetikasa fa 33 lavitrisa dirhams (manodidina ny 3 lavitrisa euros)! Eny, tsy diso famaky akory ianao. Fiakarana 13 lavitrisa dirhams ( iray lavitrisa euros), izany hoe fisondrotana 65%.  Ary dia tsy nisy na dia fanazavàna iray aza naroso hatreto!

Tohizan'i Omar amin'ny fanazavàny ny antony eritreretiny ho tsy nanaovana fakàn-kevitra tamin'ny fomba demaokratika mikasika ny vidin'ilay tetikasa:

Ne soyons pas naïfs. Il existe une catégorie de projets sur lesquels les parlementaires et les ministres n’ont aucun droit de regard. Des projets tombés d’en haut. Exécutez, trouvez du financement, et venez présenter sur un tapis rouge. De préférence devant beaucoup de caméras. Quid des règles de base de gouvernance économique, des études d’utilité, de rentabilité et d’impact socio-économique, de l’état des finances publiques? Quelle hérésie!

Aoka tsy ho vendrana isika. Misy sokajinà tetikasa izay tsy ananan'ireo parlemantera sy minisitra fahefana: ireo tetikasa milatsaka avy any ambony, tarihana, vatsiana vola ary atolotra eo ambony karipetra mena midorehitra, ary manoloana kamera maro raha mbola azo atao. Ary ahoana ny amin'ireo fepetra footra momba ny fitantanana mangarahara ny toekarena? Ny fijerena izay mba tombony ho azo? Ny fanadihadiana ny fiantraikany ara-toekarena sy sosialy? Ahoana ny toe-bolam-panjakana?  Hadalàna mihoampampana!

TGV – hatao inona?

Ilay bilaogera Kingstoune dia velom-panahiana ny amin'ilay fiheverana hoe ny TGV dia ho vahaolana sahaza an'ireo olan'ny fitateram-bahoaka ao Maraoka satria, milaza izy, efa voaporofo fa vahaolana tsy sahaza ary lafo vidy izany tany Frantsa. Ho azy, ny TGV dia endrika isehoan'ny di-dohan'ny mpanjaka fotsiny fa tsy tena filàna marina. Hoy izy manoratra [fr]:

Je me demande si les responsables politiques et technocrates avaient vraiment étudié ou abordé de manière critique ce projet.
La LGV [Ligne Grande Vitesse], succès technologique, risque d’être un flop financier à l’instar de la France.
Elle semble donc être une sorte de caprice, un éléphant blanc dont certains responsables seront fiers, mais qui a de fortes chances de ne pas être utilisée par des millions de marocains comme ils l’espèrent.

Manontany tena aho raha mba efa nandinika lalina sy niady hevitra momba ity tetikasa ity ireo politisiana sy teknisiana.
Ny TGV, fahombiazana iray ara-teknolojika, dia mety hitondra tsara mihitsy any amin'ny fitontonganana ara-bola, tahaka izay niseho tany Frantsa.
Toa sahala amin'ny di-doha ilay izy, elefanta fotsy mampirehareha ireo manampahefana, saingy iray izay tsy ny Maraokana an-tapitrisany akory no hampiasa azy araka izay nanantenan-dry zareo azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.