Brezila : Kabary Manantantaran'i Dilma Rousseff Tao Amin'ny ONU

Dilma Vana Rousseff, vehivavy voalohany lany ho filohan'i Brezila, no notendrena ihany koa ho vehivavy voalohany hanokatra ny fivoriambe fanao isan-taonan'ny Firenena Mikambana ny 21 septambra 2011. Ara-tantara ihany koa dia i Brezila no manokatra ny fotoana hatramin'ny voalohany tamin'ny 1947.

Ankoatra ny maha-fotoana manan-tantara azy dia niavaka tamin'ny fahasahiana sy ny tsindro-paingotra ho an'ny firenena tandrefana tratry ny krizy, tamin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny fanekena an'i Palestina ho mpikambana ao amin'ny ONU, ary ao ihany koa ny fanohizana ny fananiham-bohitra an'i Haiti ary ny  faneken'i Brezila tsy hampiasa ny angovo nokleary ho fitaovam-piadiana na dia misy toby nokleary eo ampananganana aza any Brezila ny votoatin'ny kabariny izay azo henoina manontolo eto [pt].

Fehiny avy amin'i Hugo Albuquerque, ao amin'ny bolongana Descurvo:

sary ambany lisansa CC avy amin'i Carlos Latuff

Nunca na história deste planeta uma mulher fez o discurso de abertura da Assembleia Geral da ONU. (…) Dilma foi precisa ao enfocar a gravidade da crise mundial, saudar a ascensão da Primavera Árabe, tocar no problema de gênero e, sobretudo, exortar o reconhecimento do Estado Palestino.

Tsy mbola nisy mihitsy teto amin'ny tantaran'ity planeta ity, ka vehivavyt no nanao kabary fanokafana tao amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana. (…) Tonga lafatra ny nataon'i Dilma, tamin'ny fanasongadinana ny krizy mondialina, tamin'ny fanandratana ny lohataona arabo, tamin'ny filazana ny olaa mpanjò ny vehivavy, ary indrindra, tamin'ny fandrisihana ny fanekena ny fanjakana palestiniana.

Cristina Rodrigues, avy amin'ny bolongana Somos Andando no nameno azy:

(…) falou pela paz, criticou a violência, em um recado direto aos Estados Unidos. Pediu o espaço pro Brasil. Afirmou o papel das mulheres. Defendeu, sem meias palavras, deixando implícita uma crítica, a criação do Estado Palestino (no que foi muito aplaudida, o que demonstra que uma minoria poderosa impede os anseios da maioria). E deu uma aula de humanidade e solidariedade, refletindo a atitude do governo do qual foi parte por oito anos: “Queremos para os outros países o que queremos para nós mesmos”.

Niteny ho amin'ny fandriampahalemana izy, ary nitsikera ny herisetra tamin'ny fandefasana hafatra mazava ho an'i Etazonia. Nitaky toerana iray ho an'i Brezila izy. Nanandratra ny anjara toeran'ny vehivavy. Niaro, tsy niolakolaka, tanatina tsikera, ny fananganana ny fanjakana palestiniana (andalana nahazoany tehaka mirefodrefotra, manaporofo ny fanitsakitsahan'ny vitsy an'isa matanjaka ny maro an'isa). Nanome lesona ny mahaolombelona sy ny fiaraha-mientana ihany koa izy, azo itarafana ny fihetsiky ny governemanta nisy azy efa valo taona izao: “Tianay ho azon'ny firenen-kafa izay tianay ho azo”.

Saingy nisy fanairana nataon'i Cristina Rodrigues :

Meu único ponto a contrapor é que temos, sim, que discutir quem causou a crise de 2008, que persiste até hoje. Precisamos saber por uma questão de justiça e pra saber melhor como enfrentá-la. Mas concordo com Dilma que os causadores já estão suficientemente claros. Pena que muitos ainda fingem não ver.

Teboka iray hany toheriko, tokony iadian-kevitra izay tompon'andraikitra tamin'ny krizy 2008, izay maharitra hatramin'izao fotoana izao. Ilaintsika ny mahafantatra hahalalana ny marina sy hahafahana miatrika  azy. Fa mitovy hevitra amin'i Dilma aho: Efa fantatra ihany ny tompon'andraikitra. Indrisy moa fa betsaka no mody fanina amin'izany.

Ny mpanao gazety sady mpamaham-bolongana Rodrigo Vianna no nifantina tenifototra vitsivitsy tamin'ny kabarin'ny filoha Dilma ary namoaka azy tao amin'ny bolongany, o EscrevinhadorNovahavahany, ankoatra izay, ny maha-zava-dehibe ny kabary:

Foi importante porque Dilma se diferenciou da baboseira (neo) liberal que ainda sobrevive no chamado mundo desenvolvido (e sobrevive também entre “colunistas” e “analistas” que pensam o Brasil feito girafas: têm os pés na América do Sul e a cabeça em Londres ou Washington). Dilma falou na necessida de controlar capitais. Os colunistas de economia brazucas devem ter sofrido uma síncope nervosa. Controle? Capitais devem ser livres. Controle, só para as pessoas.

Zava-dehibe satria niavaka tamin'ny voatavo (néo) liberaly izay mihatra hatrany any amin'ny lazaina ho tontolo mandroso (ary mbola velona ihany koa any amin'ny “tonian-dahatsoratra” sy “mpamakafaka” izay mihevitra an'i Brezila ho toy ny Zirafa : Any Amerika atsimo ny tongony fa any Londres na Washington ny lohany). Nampahatsiahivin'i Dilma ny tsy maintsy hanaraha-maso ny renivola. Tsy maintsy hoe marary ihany ny an-dohan'ny mpamakafaka ara-toekarena breziliana. Fanaraha-maso ? Tsy maintsy malalaka ny renivola. Fanaraha-maso, tsara ho an'ny olona.

Manan-tantara ny kabarin'i Dilma, saingy nisedra tsikera maro dia maro, na izany noho ny haavom-peo izay, ho an'ny sasany, mikendry zavatra tsy ho tratra, na izany noho ny elanelana misy eo amin'ny fampiharan'ny governemanta breziliana, tahaka izay fakafakain'ny profesora sy mpanao gazety Mauricio Santoro :

Em suma, a presidente está em bom momento internacional, mas convém não esquecer que os problemas e contradições de seus aliados no governo representam obstáculos para que o país alcance os objetivos ambiciosos de sua política externa.

Raha fehezina dia niaina fotoana mahafinaritra eo amin'ny sehatra Iraisampirenena ny filoha, saingy tsara ny tsy manadino ny olana sy ny fifanoheran-kevitra eo amin'ny mpiara-dia aminy ao amin'ny governemanta izay manakana ny firenena tsy hahatratra ny tanjona kendreny eo amin'ny politika ivelany.

Ny mpamaham-bolongana sady mpikatroka Leonardo Sakamoto no manavoitra ny olana goavana eo amin'ny fifanalaviran'ny kabary sy ny fampiharana, indrindra momba an'i Belo Monte, ozinina mpamokatra herinaratra avy amin'ny tohodrano izay niteraka adihevitra mahoraka sy ady eny amin'ny Fitsarana izay, araka an'i Sakamoto, dia manosihosy ny zo fototry ny fokonolona Zanatany (Indizeny) breziliana :

(…) Mas soa irônico o governo brasileiro pagar de progressista lá fora e ser reacionário aqui dentro.

O Brasil tem tentado parecer o “bom moço” da comunidade internacional, mas nem sempre aplica a mesma cartilha internamente. Por exemplo, a defesa dos direitos humanos. (…)

Como um país que declara em seu discurso à Assembléia Geral das Nações Unidas que deseja um assento no Conselho de Segurança ignora uma solicitação de outro organismo internacional, a Comissão Interamericana de Direitos Humanos (CIDH), ligada à Organização dos Estados Americanos, para que interrompa a construção da usina hidrelétrica de Belo Monte até que os indígenas sejam devidamente ouvidos.

Mampihomehy ny mahita ny fitondrana Breziliana miseho ho liam-pandrosoana any ivelany nefa henjam-pihetsika ato anatiny.

Miezaka ho “tsara fanahy” i Brezila eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, nefa tohizany ihany izay ataony ao anatin'ny sisintaniny. Ohatra, ny fiarovana ny zon'olombelona. (…)

Ahoana moa ny firenena iray, ao anatin'ny kabary mandritra ny fivoriana fanao isan-taonan'ny Firenena Mikambana, manana toerana iray ao amin'ny vaomieran'ny fandriampahalemana, no minia tsy mihaino ny fangatahan'ny fikambanana iraisampirenena, Vaomieran'ny Zon'Olombelona Iraisan'i Amerika (CIDH), izay mifamatotra amin'ny Vondron'ny Firenana Amerikana, mba hampitsaharany ny fananganana ny toby mpamokatra herinaratra ao Belo Monte mandra-pandre tsara ny hiakan'ny Zanatany.

Firenena Mikambana

Nisy ihany koa ny tsikera momba ny kabary nivoaka avy amin'ny antoko ankavia breziliana PSTU,  navoakan'ny Diário Liberdade, indrindra fa ny fanoherana ny mbola ametrahana ny mpitandro ny filaminana breziliana any Haïti, ny fanoherana ny fampihenana ny tetibolam-panjakana amin'ny fandaniam-panjakana ary ny fanoherana ny fanaovana ny mpiasa hitsipozipozy indrindra fa ny fanoherana ny drafitra politika noraisin'ny filoha :

Entre omissões, distorções e meias verdades, o discurso de Dilma não trouxe nenhuma novidade, apesar do simbolismo de sua própria presença naquele palanque.

(…)

O discurso de Dilma foi bonito. Seria melhor, porém, que fosse embasado na realidade, para que o entusiasmo de tanta gente, em especial a de mulheres trabalhadoras, não fosse em vão.

Any an-tsefatsefan'ny fanesorana, fanamboamboarana ary ny marina tapany dia tsy nitondra zava-baovao ny kabarin'i Dilma, afa-tsy ny fijoroan'ny tenany mihitsy teo amin'io sehatra io angaha.

(…)

Tsara ny kabarin'i Dilma. saingy tsaratsara kokoa raha niainga tamin'ny zavamisy, mba tsy ho very maina ny fitsinjatsinjahan'ny olona, indrindra fa ny mpiasa vehivavy.

Eo amin'ny fitsikerana ihany, André Kenji, ao amin'ny bolongana dissidência, no miresaka ny fanirian'i Brezila hanana toerana ao amin'ny vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana, izay hita taratra ao amin'ny kabary :

Muitas das críticas – incluindo deste blog – da participação do Brasil no CS partem do princípio que a política externa do Brasil é pouco consistente e de que a diplomacia brasileira não tem respostas para algumas das questões mais cruciais envolvendo questões diplomáticas (Isso quando não passa a mão na cabeça de ditadores brutais tendo em vista apenas interesses comerciais).

Ny ankamaroan'ny tsikera – anisan'izany ity bolongana ity – raha miresaka momba ny fandraisana anjaran'i Brezila ao amin'ny vaomieran'ny fandriampahalemana no milaza fa malemy ny politikan'ny raharaham-bahiny breziliana ary tsy manan-kambara manoloana ny ankamaroan'ny lohahevi-dehibe eo amin'ny sehatra ankapobe (rehefa tsy mandokandoka ny mpanao didijadona mahery vaika dia noho ny resaka tombontsoa ara-barotra fotsiny ihany).

Ny mpamaham-bolongana sady mpitsara Saraiva, ao amin'ny bolongany Saraiva 13, no mamehy, izay heveriny, ho fotoana manan-tantaran'i Brezila eo amin'ny fiarovana ny fandriampahalemana sy ny zon'olombelona manerantany :

Dilma defendeu as liberdades democráticas e os direitos-humanos, como era previsível. Surpreendente foi Dilma tirar apenas o foco de países africanos e do oriente, como as potências imperialistas gostam de fazer, e chamar à responsabilidade o chamado primeiro-mundo, condenando as violações de direitos humanos nestes países ricos através da xenofobia, do racismo, da pena de morte, da miséria. Em todo o discurso defendeu uma ordem mais justa para os países pobres, desenvolvimento sustentável em vez de bombas, soluções para o Oriente Médio, o Estado Palestino. Enfim, arrastou as fichas, conquistando corações e mentes do terceiro mundo, já bastante simpáticos ao Brasil.

Niaro ny fahafahana demokratika sy ny zon'olombelona, araka ny efa nandrasana , i Dilma. Ny nahagaga dia ny tsy nifantohan'i Dilma tamin'ny firenena Afrikanina sy ny Afovoany Atsinanana ihany, tahaka ny fanao mahazatra ny imperialista tandrefana, fa ny mba hiheveran'ireo lazaina ho tontolo kilasy voalohany ny andraikiny manoloana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any amin'ireny firenena mpanankarena ireny amin'ny alalan'ny fankahalana vahiny, fanavakavaham-bolonkoditra, ny fampiharana ny fanamelohana ho faty ary ny fahantrana lalina. Any antsefatsefan'ny kabariny no itadiavany rariny kokoa ho an'ny firenena mahantra, fampandrosoana maharitra fa tsy fandarohana baomba, vahaolana ho an'ny faritra Afovoany Atsinanana sy ny fanjakana Palestiniana. Tonga dia azony ny tirelira rehefa mahazo ny fon'ny tiers-monde izay efa mpankafy Brezila rahateo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.