Koety: Rehefa Notanana Am-ponja Telo Volana, Nafahan'ny Fitsarana Ilay Mpampiasa Twitter

Telo volana lasa izay, nahatratra ny fetra faran-tampony ny tsy fahaiza-mandefitra ara-pinoana tamin'ny raharaham-panjakana, taorian'ny fihetsiketsehana nataon'ny Bahraini, dia nisy Koetiana iray mpampiasa Twitter  nantsoina hoe Nasser Abul (@NasserAbuLnosamborina rehefa avy niteny ratsy ny fitondrana Bahraini sy Saodiana.

Tamin'ny voalohany, dia maro ny olona no nihevitra fa noho ireo bitsika manana fironana aminà sekta nataony no antony nisamborana an'i Abul, bitsika izay nahitàna ny fanehoany ny hatezerany ka nilazany ny zava-nitranga tamin'ireo mpikambana ao amin'ny sekta Shia ao Bahrain; nefa na dia izany aza dia tsy izay ihany no niampangàna azy. Nandany telo volana tao amin'ny polisim-pirenena sy ny fonja ao an-toerana i Abul ary ny fotoam-pitsarana azy dia nahemotra foana. Nony farany anefa, dia nanapa-kevitra ny fitsarana fa hafahana i Abul rehefa avy nanasazy azy nandritry ny telo volana, izay efa vitany rahateo, nonho ny fitenenana ratsy ny sekta Sunnite.

Nasser Abul after his release. Picture taken from the Facebook group "We are all with Nasser Abul".

I Nasser Abul taorian'ny famotsorana azy. Sary nalaina tao amin'ny Facebook misy ny vondrona "We are all with Nasser Abul" na "Miaraka amin'ny Nasser Abul avokoa izahay".

Izany fanapahan-kevitra izany dia noraisina herinandro vitsivitsy taorian'ny nanasaziana telo taona an-trano maizina ny Sunnite iray mpandefa bitsika antsoina hoe Mubarak Al-Bathali (@mubaark) noho ny fitenenan-dratsy antokom-pivavahana iray sy noho ny fikatsahana “hanohintohina ny firaisam-pirenena”. Raha i Al-Bathali kosa, izay tsy toa an'i Abul, dia tsy nandà velively izay nosoratany tao amin'ny Twitter. Taty aoriana anefa ilay sazy dia nahena ho enim-bolana an-tranomaizina.

Ny filazam-baovao Koetiana  dia tsy nanazava ny pitsopitsony momba ny raharaha Abul sy ny azo antoka fa iraisan'ny rehetra dia ny fandàvany ny tsy nanoratany ireo bitsika ireo, amin'ny alalan'ny filazàna fa nisy olona niditra antsokosoko tao amin'ny kaontiny ary nandefa ireo bitsika nampisavoritaka.

Tao amin'ny aterineto, dia nataon'ireo Koetiana mpampiasa aterineto fitaovana ireo lahatsoratra ara-pinoana mba hifampiitenenan-dratsy. Rehefa mijery ireo fanehoan-kevitra momba ny famotsorana an'i Abul, dia mety ho sarotsarotra ihany ny hahita olona mikirakira ity raharaha ity  ho toy resaka zon'olombelona na ara-politika. Tao amin'ny Kuwaiti National Online Forum na Sehatra Nasionaly Koetiana Fiadian-kevitra ao amin'ny  Aterineto, dia niantomboka ny resaka taorian'ny famotsorana an'i Abul rehefa nanoratra ireto teny manaraka ireto ny mpikambana iray antsoina hoe Al-Ashtar [ar] ao amin'ilay sehatra fiadiankevitra::

ظهر الحق وان تأخر .. نحن في دولة قانون يحاكم ويحاسب كل شخص وفق ما ورد في نص القانون .. لا مكان لشريعة الغاب ان تحكم .. ناصر كان كبش فداء .. فعسى ان يتعظ من يعي ويفهم
Al-Ashtar: Nivoaka ny marina na dia efa tara aza; ao anaty tany tan-dalàna isika ka araka ireo lalàna ireo dia azo entina eny amin'ny fitsaràna avokoa ny olona. Tsy misy toerana ho an'ny fifehezan'ny lalàn'i Baroa. Tsy mpisolo vaika ny ankàlana akory i Nasser. Noho izany dia manantena izahay fa azon'ny olona ny lesona.

Nisy mpikambana iray hafa antsoina hoe “Bidoon Mojamala” [ar] tao amin'ilay sehatra fiadian-kevitra no namaly hoe:

نعم ظهر الحق وان تأخر … والحق الذي ظهر وتبين للجميع ان ناصر ابل اخذ اقل من جزاه، وأعلم ياعزيزي ان ناصر ابل الآن ليس ناصر ابل سابقا (أمن الدولة) اعطته درسا كافيا وتعلم منهم كيفية ( المشي تحت الحيط ) .!! والايام القادمه ستثبت لك ذلك وسيحسب لأي كلمة ألف حساب قبل ان يتفوه بها
Bidoon Mojamala: Ekeko hoe tara loatra ny fipoiran'ny marina, kanefa ny marina dia izao, kely noho izay tokony ho sahaza azy no azon'i Nasser raha ny momba ny sazy no asian-teny. Tokony ho tsapanao fa i Nasser amin'izao fotoana dia tsy toy ilay Nasser taloha intsony satria nomen'ny Polisim-pirenena lesona izy mba hisorohana ny korontana toy izany! Ka ny andro ho avy no hanaporofo fa hitandrina kokoa ianao sy izy mialohan'ny hitenenana zavatra.

Nanoratra valinteny hafa tao amin'ityy lahatsoratra ity i Al-Ashtar, izay nahitàna pejy maromaro, ka nilaza izy tamin'izany fa miroborobo fatratra ny resaka sekta ao Koety:

تهمة الاشهر الثلاث كانت بسبب تحقير مذهب ديني .. تأكدي ان هذا القانون لو تم تفعيله لربما نحتاج الى بناء سجون في بر المطلاع لرمي اكثر من نصف الشعب هناك، شخصيا اتمنى تفعيل هذا القانون بشكل صارم على الكل وليس على الواحد
Al-Ashtar: Ny sazy telo volana dia natao ho an'ny fitenenan-dratsy antokom-pivavahana; fantaro anefa, fa raha ampiharina io lalàna io dia tsy maintsy hanorina fonja any an-tany efitra ihany isika handefasana ny antsasaky ny mponina any. Raha ny hevitro manokana aloha, dia manantena aho fa hampiharina amin'ny fomba hentitra amin'ny olona rehetra tsy ankanavaka io lalàna io fa tsy amin'olon-tokana ihany.

Nanandrana niteny tamim-pahendrena i Sager [ar] ka nilaza fa tokony hitovy tàntana ny fiarovan'ny olona ny Shia Nasser Abul sy ny Sunnite Mubarak Al-Bathali:

على من يدعون الديمقراطيه من الطرفين ان يدافع عن الطرفين او يلوم الطرفين
Sager: Ireo izay miresaka demôkrasia avy amin'ireo sekta roa ireo dia tokony hiaro na hanoso-potaka ny lafy roa andaniny sy ankilany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.