Kenya: Mandria am-piadanana #WangariMaathai

Mbola misesy ny Tweets manome voninahitra ilay nahazo ny loka Nobel Fandriampahalemana Wangari Maathai, Kenyana mpiaro ny tontolo iainana sady mpikatroka politika nodimandry tamin'ny herinandro rehefa niady tamin'ny homamiadana.

Ny Firenena no hanome voninahitra amin'ny fandevenana azy, hoy ny tatitra nataon'i @CapitalFM_kenya:

@CapitalFM_kenya: President #Kibaki has announced that Prof Wangari #Maathai will be accorded a State Funeral; flags to fly at half mast tomorrow and Friday

Wangari Maathai. Saripika mpisera Flickr e pants (CC BY 2.0).

Nanambara ny filoha #Kibaki fa hahazo ny fandevenana ara-mpombam-panjakana ny profesora Wangari #Maathai; hisaona [hihofahofa antenatenan-tsangana] noho izany ny saina rahampitso sy Zoma

@echoinggreen nizara teny avy amin'i Wangari Maathai:

@echoinggree: “..there comes a time when…we have to shed our fear & give hope to each other. That time is now.” – Wangari Maathai #heros #bebold

“Misy ny fotoana… mila manary ny tahotra isika ary mifanome toky. Izao izany fotoana izany.” – Wangari Maathai

Aiza ny bokiko nosoratana sy voasonian'i Wangari?:

@GeeBrunswick: I am so vain…frantically looking for my signed copy of Dr #WangariMaathai's book.

Mahatsiaro ho lany andro aho…mitady fatratra ny bokiko nosoniavin'ny Dr #WangariMaathai

Mandria am-piadanana Prof. Wangari Maathai:

@mbuguanjihia: Let us endeavor so to live that when we come to die even the undertaker will be sorry.” — Mark Twain Rest in Peace Prof Wangari Maathai.

Mikiriza fatratra ny ho velona ka na avy aza ny fotoana ahafatesana na ny mpanao vatapaty aza halahelo. – Mark Twain Mandria am-piadanana Prof Wangari Maathai

Manjonitra…

@waithash: #WangariMaathai Sad and worse is the fact that I never heard of her illness. @kenyangetter #cancer

#WangariMaathai Manjonitra ary ny tena ratsy dia tsy nahalala mihitsy ny aretiny aho. @kenyangetter #cancer

Hamboly hazo ny Kenyana ho fahatsiarovana azy amin'ny volana ambony:

@K24Tv: Kenyans will be planting trees at the Karura forest on Saturday Oct 1st between 10am – 5pm in honour of the late Great Prof.#WangariMaathai

Hamboly hazo ao amin'ny alan'i Karura ny Kenyana amin'ny Asabotsy 1 oktobra manomboka amin'ny 10 ora atoandro ka hatramin'ny 5 ora hariva ho fanomezam-boninahitra ilay Prof lehibe #WangariMaathai

Ny zavatra kely vitantsika no mampiova zavatra:

@OfficialKimora: “It's the little things citizens do. That's what will make the difference. My little thing is planting trees.” RIP #WangariMaathai #Africa

“Izay no zavatra bitika ataon'ny olom-pirenena. Izay no hampiova zavatra. Ny zavatra bitika ataoko dia ny mamboly hazo.” Mandria ampiadanana #WangariMaathai

Nilaza i @RobertAlai:

@RobertAlai: Nairobi river should be cleaned in honour of Wangari Maathai.

Tokony hodiovina ny reniranon'i Nairobi ho fanomezam-boninahitra an'i Wangari Maathai

Niteny ny @StateDept:

@StateDept: #SecClinton: Wangari Maathai understood the deep connection between local and global problems, and helped give ordinary citizens a voice.

#SecClinton: Nahalala ny fifandraisana lalina eo amin'ny olana ao an-toerana sy ny olona ankapobe i Wangari Maathai, ka nanampy ny olo-tsotra hamoaka ny feony.

Fanomezam-boninahitra tsara indrindra ho an'i Wangari Maathai:

@missbwalya: Best tribute to Wangari Maathai – “She came. She battled. She won.”

Fanomezam-boninahitra tsara indrindra ho an'i Wangari Maathai – “Nanatona izy, Niady, Nandresy”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.