Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York

Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany.  Aingam-panahy avy amin'ny hetsika an-tanàna tany amin'ny firenena Arabo sy Eoropeana,  mampiseho ny tsy fahafaliany ireo tanora ireo ny amin'ny fomba ataon'i Wall Street izay araka ny nambaran'izy ireo fa manaramaso ny politika ara-toekarena ao Etazonia, ka manao izany ho “fahefan'ny Orinasa Marorantsana” mahatonga tsy an'asa anarivony.  Nanomboka tamin'ny 17 Septambra no nijanona tao amin'ny kianja Zuccotti ny vondrona, ary antenain'izy ireo fa mbola marobe ny olona hoavy hanohana azy ireo amin'ny volana manaraka.

Afisy lehibe tao amin'ny hetsika.

Ahitana mpanakanto, mpamonjy voina, tranom-boky vonjimaika ary ekipa mahay teknolojia miaraka amin'ny solosaina sy fitaovana hafa ao amin'ny toby. Namorona afisy vita amin'ny baoritra ireo mpanao fihetsiketsehana izay hanehoany ny heviny amin'ny fanoherana ny kapitalisma, sy ny fanoherany ny famonoana ho faty an'i Troy Davis.  Nivondrona tamin'ny alalan'ny teny faneva hoe: “99%  tsy handefitra amin'ny fitiavam-bola tafahoatra sy ny kolikoly ataon'ny 1%” izahay” ireo mpanao fihetsiketsehana .

Sary Sofía Gallisá. Nahazoana alalana ny famoahana ny sary.

Afisy mampiseho ny fampahalalam-baovao an-tserasera mba hitady vaovao. Sary: Sofía Gallisá. Sary nahazoan-dalana.

Sary avy amin'i Sofía Gallisá. Nahazoan-dalana.

Sary avy amin'i Sofía Gallisá. Nahazoan-dalana.

Na dia tsy nahitana korontana firy aza ny fihetsiketsehana nokarakaraina, dia nisy ny fisamborana natao: araka ny tati-baovao vao haingana, manakaiky ny 80 eo ny fisamborana nisy tamin'ny Asabotsy 24 Septambra, noho ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka ny anton'ny ankamaroan'ny fisamborana izay voalaza fa “nanelingelina ny fivezivezen'ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra ireo voasambotra,” ary fanampin'izany koa ny fanoheran'izy ireo ny fisamborana natao sy ny fanakanana ny mpitandro ny filaminana.  Na dia izany aza, dia tsy nanakana ny diaben'ny mpanao fihetsiketsehana hanohy ny diany any amin'ny faritra hafa ao an-tanàna tahaka ny kianjan'ny Firaisankina ao afovoan'i Manhattan izany.  Na dia tsy mitantara betsaka ny zava-mitranga aza ny fampahalalam-baovao mahazatra, dia niparitaka be tamin'ny valantserasera rehetra ny vaovao (Twitter, Facebook, Youtube, Vimeo, Flickr).

Olo fanta-daza Amerikana tahaka ny profesora sy filozofy Cornel West (@CornelWest) naneho ny fanohanany tamin'ny alalan'ny Twitter:

Vahoaka mahery fo. Anisan'ny fomba demokratika Amerikana ny tsy fankatoavan'ny olom-pirenena. #OccupyWallStreet http://ow.ly/6DNj1

Van Jones (@VanJones68), mpitolona Amerikana malaza, naneho ny firaisankinany amin'ny mpanao fihetsiketsehana ihany koa no sady nitsikera ny herisetra ataon'ny polisy :

Mendrika ny firaisam-po avy amintsika ireo vahoaka ao amin'ny Fehezo i Wall Street. Saingy ny POLISY? WTF? Diniho ity lahatsary ity! Jereo ao amin'ny http://livestre.am/PlNN via @livestream

Mpisiokatserasera hafa tahaka an'i Michele Catalano (@inthefade) mihevitra fa fanoheran-javatra ihany ny hetsika:

Mahafinaritra ny mahita ny ankizy ao amin'ny Fehezo i Wall Street misiokantsera miady amin'ny kapitalisma amin'ny alalan'ny iPhones sy ny Droids. MIADY AMIN'NY FAHEFANA.

Ao anatin'izany i Ricardo (@jrickymayo) dia mahita fifanoheran-javatra hafa indray amin'ity alin'ny 24 Septambra [es]:

y esto pasa en el pais mas [sic] libre Al menos 80 detenidos en Nueva York durante las protestas para ‘ocupar’ Wall Street http://bit.ly/onHB4C

ary dia mitranga amin'ny firenena malalaka indrindra izao raha izao.  Farafahakeliny 80 no voatazona ao New York nandritra ny fihetsiketseham-panoherana “hifehy” ny Wall Street http://bit.ly/onHB4C

Eto ambany ny lahatsarin'ny “Fehezo i Wall Street,” izay ahitana mazava ny fomba hanakanan'ny mpitandro ny filaminana maro ny mpanao fihetsiketsehana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.