Indonezia : Fipoahana baomba fanaovana sorona ny tena tao aminà Fiangonana Protestanta

Fipoahana baomba fanaovana sorona ny tena iray indray no nitranga ny Alahady lasa teo (25 Septambra) tao Solo, afovoan'i Java ao Indonezia.  Ilay fipoahana dia niseho tao amin'ny Fiangonan'i  Kepunton,  fiangonana protestanta iray, rehefa nirava ny fotoam-pivavahana ka iny nivoaka ny fiangonana iny ireo mpivavaka rehetra

Tamin'ny fotoana nanoratana,  roampolo ny olona voalaza fa naratra ary roa ny olona maty tamin'ilay fipoahana. Anisany ilay mpanapoaka ilay baomba..

Ny Filoha  Susilo Bambang dia nilaza [id] fa nahita fitoviana teo amin'io fipoahana tao Solo io sy ilay iray izay nitranga tao Cirebon enim-bolana lasa izay,  ary araka ny  fanadihadiana manokana nataon'ny polisy,  dia natao ho fampitahorana ny mpiangona rehetra iny fipoahana iny.

Ireo mpisera Twitter nampiasa ny tenifototra  #prayforsolo sy  #pray4solo :

Mpisera Twitter tao Solo sy tany an-kafa no nandefa ny fiaraha-miory tamin'izy ireo sy naneho ny fahadisoam-panantenany mikasika iny tranga nampalahelo iny.  Indreto ary misy fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpisera twitter,  nampiasa tenifototra  #prayforsolo sy #pray4solo :

@radixhidayat: Ini bukan soal agamamu dan agamaku. Ini soal Indonesiamu dan Indonesiaku. #prayForSolo

@radixhidayat :  Tsy mahakasika ny antokom-pivavahanao na ny ahy ilay izy.  Fa mahakasika ny Indonezianao sy ny ahy.

@papanjari: ini akibat dr masyarakat yg kurang mdapat pendidikan yg layak..mudah dipengaruhi org tdk bertanggung jawab.. #prayforsolo #prayforindonesia

@papanjari :  Izany no nitranga satria ny vahoaka dia tsy nahazo fanabeazana mendrika,  lasa voasariky ny olona tsy tompon'andraikitra mora foana izy ireo.

@BiancaAllysa: Masi ngebom?astagfirullah islam tidak pernah mengajarkan umatnya untuk mencelakai sesama mahluk hidup

@BiancaAllysa  :  Fipoahana hatrany? Astaghfirullah (naotin'ny mpanoratra : midika fa mamindra fo Andriamanitra), Islam dia tsy mba nampianatra ireo mpanara-dia azy ireo hanimba ny hafa.

@RyuDeka: Tuhan, sesungguhnya kami lelah dengan segala tindak kebencian yang mengatasnamakan-Mu..#prayforSolo

@RyuDeka :  Andriamanitra,  tena matahotra izahay amin'ireny zavatra mampiahiahy rehetra ireny izay atao amin'ny anaranao.

@tarsih_ekp: Utk temen di media harap jeli, jangan bawa masalah #bomsolo ke ranah minoritas /pun mayoritas #pray4solo

@tarsih_ekp :  Ho an'ireo haino aman-jery namana, mba re mandinika tsara ary aza ampifandraisina avy hatrany amin'ny fipoahana miaraka amin'ny vondrona maro/vitsy an'isa ilay izy.

Ary indreto ny fanehoan-kevitra avy amin'ny tenifototra #bomsolo :

@ferouz_afr: Selama gerakan ormas2 agama yg radikal yg jelas2 ada tdk d tindak dan d biarkan teror2 bom akn selalu ada krn d situ lah bibit2 nya #bomsolo

@ferouz_afr : Raha mbola tsimatimanota ny antokom-pivavahana radikay ka avela amin'izao, dia mbola hisy hatrany ny fipoahana fampihorohoroana, satria ireo no voany ipoirany.

@gstff:#BomSolo Kepada para agen intelijen yg jadi makelar pengaburan persoalan: kalian semua penghianat bangsa.

@gstff :  Ho an'ireo manam-pahaizana rehetra izay mandray anjara amin'ny fanapotehana sy amin'ny fanakorontanana ny toe-draharaha : mpamadika ny firenena ianareo.

@inyourdeathbed : Tsy ampy saina ilay nanao sorona ny tenany, tsy nahavita NA INONA NA INONA ianao kanefa mampatsiahy anay fa ny fitantanana ny governemantanay dia TSY FAHOMBIAZANA TANTERAKA. #BomSolo

@blangk_on: Ada pihak2 tertentu di republik ini yg tetap melihara monster pembunuh dg ideologi agama. Kapan pun bs mrk gunakan #bomSolo

@blangk_on :  Misy antoko sasantsasany ato amin'ito Repoblika ito izay mamahana bibidia mpamono eo ambany firehan'ny antokom-pivavahana, izay ampiasainy amin'ny tombotsoany.

@AlexKomang2000: Di mana kita mencari perlindungan keselamatan di negara ini?#bomsolo

@AlexKomang2000 : Aiza no mety ahitantsika fiarovana azo antoka eto amin'ity firenena ity?

Solo (fantatra ihany koa amin'ny hoe Surakarta) dia fantatra fa faritra mahabe mpanaraka an'i Abu Bakar Bashir, ilay emiran'i Tambazotra Al Qaeda Atsimon'i Azia teo aloha antsoina hoe Jemaah Islamiyah sady mpitarika ara-panahin'i Ngruki Al Mukmin.
Ny sasany amin'ireo mpianatr'i Ngruki teo aloha dia voarohirohy taminà fipoahana isan-karazany tao Indonezia. Na dia izany aza ilay fianarana dia tsy nakaton'ny governemanta Indoneziana mihitsy. Tetsy ankilany, ny haino aman-jery rehetra dia  nanamarika ny fitomboan'ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ireo antokom-pivavahana ny taona 2010.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.