Arabia Saodita : Nahazo Alàlana Hiditra Ho Ao Amin'ny Filankevitry Ny Shura Ny Vehivavy

Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna.

Iman AlQhatani dia namoaka ilay vaovao narahana fanambarana nataon'i mpanjaka Saodiana Abdulla bin Abdulaziz.

@ImaQh :  Ny vehivavy dia omena alàlana ho mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny Shura amin'ny taona ho avy #kingshora #saudi

Manazava misimisy kokoa izy:

@ImaQh: Didin'ny mpanjaka #ShoraWomen midika fa ny vehivavy dia tsy maintsy miandry 2 taona vao afaka ny ho ao amin'ny filankevitra & 4 taona vao handray anjara amin'ny fifidianana monisipaly

Ny fivoarana,  izay hanomboka hihatra  amin'io taona ho avy io, dia noraisin'ireo mpampiasa aterineto an-kafaliana.

Waheeb Aldakel dia mizara ity sarinà vehivavy Saodiana mifampiarahaba ity taorian'ny famporisihana azy ireo handray anjara amin'ny Filankevitry ny Shura any amin'ny fireneny.

 

‎#KingShora‏ صوره معبره من قلب الحدث ‎yfrog.com/medpityj
@waheeeb :  ity dia sary miteny avy eny anivon'ilay hetsika

Yazeed Al Mogren namaly hoe :

قرار الملك : صفعه في وجه كل من كان جسده في السعودية وعقله في تورا بورا . ‎#KingShora
@Yazeed143 : Felaka tehamaina iray eny amin'ny tavan'ny tsirairay izay ao Arabia Saodita ny vatany kanefa ny sainy any Tora Bora ny fanapahan-kevitry ny Mpanjaka.

Mivoady i Saudi Mai Al Shareef  hoe:

والله ما اكون مي بنت محمد ان ما وصلت للشورى و اخذت حقي و حق امي و بنات بلدي بنفسي
@Maialshareef :  Miniana eo anatrehan'Andriamanitra aho fa tsy Mai, zanaka vavin'i Mohammed, raha toa ka tsy tafiditra ao amin'ny Filankevitry ny Shura, ary izaho mihitsy no hangataka ny zo nesorina tamin'ny Reniko sy ny Rahavaviko any amin'ny fireneko.

Ilay fanapahan-kevitra koa dia nisedra fanakianana momba ny politikan'i Arabia Saodita manoloana ny vehivavy, ary ireo lehilahy momba izay olana izay.

Saudi Ahmed Al Omran  dia nitaraina hoe :

@ahmed :  ny Filankevitry ny Shura dia tsy mbola voafidy,  ary ny Filankevitra monisipaly dia tsy manan-kery, kanefa ny fandraisan'anjaran'ireo vehivavy dia tena fandrosoana lehibe. #Saudi #KingShora.

Lou-kay dia nampiasa sarinteny :

@lou_kay : Tena tsy vitako ny hanasoaso zo nalàna, ary avy eo naverina nofonosina indray natao fanomezana. #KingShora #SaudiArabia

Ary ilay Palestiniana Yousef Munayyer manampy hoe :

@YousefMunayyer :  Nanao izany tamin'ny fiandohan'ny taonjato lasa teo ihany ve i Arabia Saodita nony farany?

Tena fandresena lehibe tokoa ho an'ny vehivavy Saodiana izany kanefa mbola misy ny fanontaniana manitikitika ny sain'ny mponina:

@Zeinobia : Miarahaba ny vehivavy Saodiana tamin'ny nahazoana ny zo hifidy saingy iza anefa no hitarika azy ireo eo anoloan'ny komitim-pifidianana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.