Jordana : Adin'ny MP (Mambran'ny Parlemanta) Amin'ny Tanora

Ny fivorian'ny Antenimiera tao Amman, Jordana tamin'ity herinandro ity, no niatombohan'ny tsy fahafalian'ny mponina, indrindra teny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny tanora. Ny lohahevitra iray nisokatra hiadian-kevitra tao dia ny tolo-kevitra mikasika ny fanovàna ny lalàm-panorenana hampidinana ny taona feran'ny lalàna ho an'ny olona hofidiana ho ao amin'ny parlemanta, miala amin'ny 30 ho amin'ny 25 taona. Ny zava-nisy marina, MP (mpikambana ao amin'ny parlemanta) 20 no tsy tonga, 49 no nandàny ilay fanovàna naroso, raha toa ka 49 no nandà izany, ary 2 no tsy nifidy. Adihevitra mafonja sady mafàna nanodidina ilay tolo-kevitra no nitranga tao amin'ny efitrano, raha toa ka ny MP sasany naneho fandàvana lalina ny amin'ny hanohanana ny fidiranà andianà tanora ao amin'ny firenena, izay ny 70%n'ny mponina dia latsaky ny 30 taona. Tsy nahomby ilay fanovàna.

Fintinin'i Ahmad Zatari ny sasany amin'ireo fanakianana mahasosotra avy amin'ny MP :

علي الخلايلة “شباب الحراك تقودهم أمريكا وفرنسا وتحركهم بإرادتها، كما قال أثناء التصويت على سن 25 عاماً للترشح “ما ظل بالخم إلا ممعوط الذنب
@AhmadZatari : Ali Khalayleh : ireo tanora mafàna fo dia tohanan'i Etazonia sy Frantsa izay manodinkodina azy ireo araka izay tiany.

Ary naneho hevitra mikasika ilay tolo-kevitra momba ilay taona farany ambany ho 25 izy :

“Tsy nisy nijanona tao am-bala afa-tsy ny akoho kely tsy manan'elatra sisa” ( fomba fiteny Arabo midika hoe tsy misy mijanona afa-tsy ny faikampaikany eo amin'ny fiarahamonina).
النائب محمد الذويب بمداخلته خلال التصويت على سن 25 عاماص للترشح بقوله “ما بدنا يجونا سكرانين
@AhmadZatari :
Ny fidirana an-tsehatr'ilay MP Mohammad Thweib tamin'ny andro nifidianana ilay tolo-kevitra ho 25 taona ny ambany indrindra dia nanao hoe : “tsy mila azy ireo mamo tampona miditra ato izahay”

Hazem Zureikat, Jordaniana mpandrindra ny fitaterana sy mpahay toekarena, dia nandefa bitsika momba ny fandraisam-pitenenana nataonà iray MP hafa :

طلال الفاعور: ” هؤلاء حديثو السن وعديمي الخبرة .. وموجهون من فرنسا والغرب ؟؟ هؤلاء صغار لا خبرة عندهم
@hazem : Talal AlFaour : Ireo dia tanora ara-taona ary tsy ampy fahalalàna…saribakolin'iFrantsa sy ny Tandrefana…Tanora tsy ampy fahalalàna izy ireo.

Ary io Jordaniana io, izay ny endriky ny kolikoly no hevitry ny famantarana ny Twitter-ny, dia nanontany hoe :

لماذا يستسهلون اهانة شعب باكمله او جيل كامل و لكن يخافون حتى من انتقاد رجل واحد او امرأة واحدة في صنع القرار
@FacadeAlFasad : Maninona izy ireo no manompa tsotra izao ny firenena iray manontolo na ny andian-taranaka, na izany aza matahotra sy tsy sahy manakiana vehivavy na lehilahy iray mpanapaka hevitra ?

Hanihanin'i Ahmad Alhuwwari :

خبر عاجل: تأسيس جمعية ممعوطين بلا حدود، فمن يرغب بالاشتراك يعمل ريتويت
@huwwary : Vaovao mafàna: mamorona akoho kely tsy misy elany tsy manana fiarahamonina voafetran-tsisintany izahay, raha mahaliana anao ny hiditra ao, azafady avereno alefa ny bitsika 🙂

Ary ilay Palestiniana poeta sady mpanoratra, Mourid Barghouti, nandefa bitsika fanontaniana iray izay mampametra-panontaniana ahy matetika  rehefa manatrika fandarohana tanora :

عدو الممعوطين كيف يعامل أبناءه؟
@MouridBarghouti : Io fahavalon'ny akoho kely tsy manan'elatra io, ahoana no fitondrany ny zanany?

Sarinà sorabaventy iray notazoninà tanora Jordaniana avy ao amin'ilay hetsi-panoherana teo ivelan'ny parlemanta omaly. Mivaky hoe ny soratra : raha toa ka miady amiko izao tontolo izao, izaho izay akoho kely tsy manan'elatra. Tiako ny fanamby. Sary an'i @eman tao amin'ny Twitter

Ahmad Zataridia nandefa bitsika mikasika hetsi-panoherana iray efa voaomana :

إذا شعرت بالإهانة من النواب، انضم/ي إلى اعتصام اليوم أمام المجلس، الساعة 5:30
@AhmadZatari : Raha mahatsapa ho sorena amin'ny MP ianao, tongava amin'ny hetsi-panoherana hatao ny 22 Septambra eo anoloan'ny parlemanta, amin'ny 5:30 hariva.

Mandranitra ilay mafàna fo Eman Jaradat :

هل انت سكران و ممعوط و موجه من امريكا و فرنسا؟ اذا كنت فتاة هل انت مفرعة ايضا؟ و بتنزلي على المظاهرة مع صاحبك؟ اذن انت شاب اردني
@eman : Mamo ve ianao, akoho kely tsy manan'elatra, voadrokidrokin'i Etazonia sy iFrantsa? Moa ve ianao vehivavy tsy manao tanan'akanjo ? Hivoaka hanao hetsi-panoherana miaraka amin'ny sipanao va ianao? Izay ianao vao fantatra fa Tanora Jordaniana.

Batir Wardam, mpitondra teny amin'ny resaka tontolo iainana, dia nanontany hoe :

هل يمكن أن نستنتج من تعليق النائب المحترم حول “ممعوط الذنب” أن مجلس النواب هو خم؟

@batirw : Afaka tsoahana avy amin'ny famakafakana nataon'ilay MP manana ny hajany mikasika ny akoho kely tsy manan'elatra ve izany fa ilay trano fivorian'ny Parlemanta dia tranon'akoho?

Aya Almusa dia nampiaka-peo nanohitra ilay ompa:

يجب حل الخم الذي أهان جيل بكامله بوصفهم ممعوطين الذنب. هيك نواب ما بمثلوا حدا
@Andareee :Tokony ho ravantsika ilay valan'akoho izay nanompa ny taranaka manontolo amin'ny fiantsoana azy ireo hoe akoho kely tsy manan'elatra. Tsy misolotena na iza na iza ireo MP ireo.

Ary ny sakafo fototra dia ilay Trano fivorian'ny Solombavam-bahoaka nanapa-kevitra ny hamàfa ireo ompa avy tao amin'ny tatitr'ilay fivoriana, sy nanolotra fialantsiny. Nofafàna avy ao amin'ny tatitr'ilay fivoriana, angamba, raha ireo lahatsary ao amin'ny Aterineto toy ity noraketin'i JordanDays ity (lahatsary Ar) kosa miantoka ny maha-tena izy, tsy misy fitaka, ary tahirin-kevitra velona voatahiry.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.