Rosia : Fitsipika Fitondran-tena Ho Fiarovana Amin'ny Cyber ?

Ny taona 2011 dia lasa fotoana mafana ho an'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny Rosiana (MAE) : Ny governemanta dia miezaka ny hanely ny rafitra fifehezana ny Aterineto any ivelany -ary ireo bilaogera Rosiana dia mandika izany fihetsika izany ho fototra fiarovan-tenan'ny fitondrana misy, na koa manakorontana kokoa, toy ny fisainana tsy dia mendrika loatra momba ny aterineto.

Manely ny fandrindràna ny aterineto any ivelany

Ny volana May 2011, ny Fivoriambe iraisan'ireo Antenimieran'ny Firenena Mpikambana ao amin'ny Tany miteny sy mampiasa ny teny Anglisy momba ireo firenena mahaleotena dia namoaka lalàna lasitra [ru] “Any ifoton'ny fidirana amin'ny aterineto” (tsy mifandray araky ny lalàna, atolotra ho tari-dàlana ho an'ireo mpikambana ao amin'ny mpanao lalànam-panjakana avy ao amin'ny fanjakana CIS)

United Nations flag. Source: Wikipedia

Moa ve ny Firenena mikambana dia hahay hanohitra ny fakampanahin'ny fisainana tsy mendrika ? (Sainan'ny Firenena mikambana. Loharano: Wikipedia)

Ny faha 13 Septambra, niaraka tamin'ny Uzbekistan, Tajikistan ary Shina, i Rosia dia nanolotra antotan-taratasy antsoina hoe “fitsipiky ny fitondran-tena iraisam-pirenena ho fiarovana ny torohay .” tamin'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana.

Folo andro tato aoriana, Kommersant nitatitra[ru] fa ny Filankevi-pilaminana Rosiana niaraka tamin'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny (MAE) sy ny solotenan'ireo firenena 52 dia nahavita vakiraoka 18 pejy avy amin'ilay fifanarahan'ny Firenena Mikambana “momba ny hiantohana ny fiarovana ny torohay iraisam-pirenena “( ilay fifanarahana; amin'ny teny Anglisy eto)

Ilay antontan-taratasy dia miombon-kevitra amin'ny hoe ny governemanta nasionaly dia manana ny fiandrianany amin'ny ‘rantsana nasionalin'ny aterineto. ‘Ilay Fitsipiky ny fitondran-tena natolotra dia manambara fa izay firenena manao sonia io dia tokony hanaiky :

c) Ho fiaraha-miasa amin'ny ady amin'ny fanaovana heloka bevava sy ny mpampihorohoro izay mampiasa ny torohay sy teknolojian'ny fifandrisana, ao anatin'izany ireo tambajotra, ary amin'ny fanivànana ny vaovao izay mandrisika ny fampihorohoroana, ny fisamantsamahana na “extremisme”, na ny fanohintohinana ny fahamarinan-toerana ara-politika, toekarena ary sosialin'ny firenena hafa, hatramin'ny tontolo ara-panahiny sy ny ara-kolotsainy ; […]

Ho teny fandresena lahatra tena entina amin'ny fanolorana ny fitsipika tahaka izany, ireo manampahefana Rosiana dia manondro ny fanaovana ny ao amin'ny aterineto ho toy ny kianja miaramila (oh., ny fametrahana ny fibaikona ny cyber an'i Etazonia, andian-tafika izay mametraka ny dindony eo amin'ny tontolon'ny cyber mba ho afaka hiasa amin'ny sehatra rehetra[…],’), ary fanentanam-be ho an'ny hetsi-panoherana manohitra ny governemanta.

“Fisainana [Ntaolo] tsy mendrika loatra “

Resaka iray [ru] tao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka IT (momba ny Teknolojiam-pifandraisana) Habrahabr no navoitra, na dia izany aza, isan-karazany ny zavatra nanosika ny hetsiky ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny (MAE) tato ho ato. Ilay mpampiasa whoozle dia nanoratra hoe [ru] (ny valinteny tena malaza indrindra) :

Наши чинуши, прежде и больше всего, пекутся о своём благосостоянии. И смена политической обстановки(не говоря о режиме) им, очевидно, очень невыгодна.
Всю жизнь они воровали или просто были максимально неэффективными, и вроде бы, все на всё закрывали глаза. СМИ поприжали, демонстрации-выборы отменили. Всё стабильно и хорошо, остался лишь интернет.
Что можно сделать в этой ситуации? Можно начать думать, работать, перестать воровать. Но это не путь джедаяроссийского чиновника. Путь российского чиновника — бороться с теми кто его критикует. И это пока им удавалось, СМИ теперь легко снимают острые материалы, отбираются лицензии. 🙂 Это простейший, одноклеточный ответ на угрозу и я думаю эволюционно общество найдёт действенное противоядие.

Ireo manam-pahefanantsika ireo, voalohany sy lehibe indrindra, dia mitandrina mafy ny voninahiny. Ary ny fiovan'ny raharaha ara-politika (tsy resahana ny fitondrana) dia, mazava ho azy, tena mamono antoka. Nandritra ny androm-piainany izy ireo dia nangalatra hatrany, na koa tena tsy nanjary, ary hita fa toa tsy misy olona miraharaha akory an'izany na dia kely aza. Nafotetak'izy ireo amin'ny tany ny haino aman-jery, nofoanany ny hetsika sy ny fifidianana. Milamina ny zava-drehetra ary mandeha tsara, ary ny aterineto sisa no tavela.

Inona no afaka ataon'ny olona amin'ny tranga tahaka izao ? Azon'ny tsirairay atao ny manomboka mieritreritra, manomboka hiasa, manakana ny halatra. Kanefa tsy izany no làlan'ny manam-pahefana Jedi Rosiana. Ny làlan'ireo manam-pahefana Rosiana ireo dia ny hiady amin'izay manakiana azy. Ary hatreto dia nahomby izy ireo tamin'izany – nofoanan'ny haino aman-jery ny tantara fanakianany, maro no nesorina ny fahazon-dàlana (licenses) . 🙂 Ny maivana indrindra izany, valin-kafatra tokan-tsela [ntaolo] ho an'nynfampitahorana, ary mino aho fa manaraka ny fivoaran'ny toetr'andro dia hahita vahaolana mahomby ny fiarahamonina.

Mpampiasa dimakey nanao fanamarihana hoe [ru] : ……..

Подозрительно, что про детское порно ничего нет…

Mampiahiahy fa tsy misy idiran'ny resaka vetaveta atao amin-jaza.

Warrior127 namaly hoe [ru]:

По логике чинушей, пока педофилы не кричат «Путина в отставку» с педофилией бороться не зачем.

Araka ny lojikan'ireo manam-pahefana, mandra-pitenin'ireo mpanolan-jaza hoe “Tokony hametra-pialàna i Putin,” tsy itako izay antony hiadiana amin'ny fanolanan-jaza.

Ilay bilaogera CLR, na izany aza, dia nahita fa [ru] niompana taminà resaka manan-danja ihany ilay izy :

Цель — расширение сотрудничества правоохранительных органов между странами членами ООН, потому что сейчас любой мало мальски важный запрос, например данные по почтовому ящику на hotmail.com (заказчик убийства например с него ведет переписку) можно осуществлять только через интерпол и ждать ответ месяцы, с нашими реалиями такие преступления если они действительно не очень громкие автоматом переводятся в разряд глухарей. Что совершенно не нормально.

Ny tanjona dia ny hampitombo hatrany ny fiaraha-miasan'ny samy mpitandro filaminan'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana, satria ankehitriny na dia ny tsy dia misy lanjany loatra aza – ohatra, ny fisintonana angona torohay avy ao amin'ny hotmail.com (oh. bandikely iray nampiasa azy io hanomezana toro-làlana amin'ny resaka famonoana olona) dia azo atao amin'ny alalan'ny Interpol ihany ary volana maro vao ahazoana valiny, ary miaraka amin'ireo zavatra iainantsika ny heloka bevava toy izany, raha tsy hoeefa tena henjana be ilay izy, dia alefa any amin'ny sokajin'ny ‘saro-bahàna’ . Ary izany dia tena zavatra tsy manara-penitra mihitsy.

Ilay bilaogera tachidi dia nanoratra [ru] fa tsy voafehy ilay olana, kanefa vao mainka miaraka amin'ny fijery mampalahelon'ireo manam-pahefana ny hoe inona marina ny aterineto sy ny taonantsika :

Вообще, у проблемы две стороны. Современному рядовому «потребителю интернетов» весьма фиолетов статус свободы, прозрачности и доступа к информации. Более того, его это практически не интересует. Т.е., даже в худшем варианте развития событий он попросту не заметит кардинальных перемен.
Остальные же, скорее всего смогут найти способ обхода проблемы.

Но печальное здесь, да, именно «квадратно-гнездовое» мышление наших власть имущих, их абсолютное несоответствие эпохе и мироустройству.

Raha ny marina, misy lafiny roa ilay olana. Ny salanisan'ireo ‘mpanjifa aterineto’ [tsy dia rarahaina loatra] amin'ny resaka fahalalahana, fangaraharana ary fahazahoana vaovao. Ankoatr'izany, ireo zava-dehibe ireo dia tsy mahasarika azy. Izany hoe, ny seho ratsy indrindra, tsy hahita fiovàana goavana tsotra izao fotsiny izy.
Ny hafa, angamba, dia hitady hevitra hialana amin'ilay olana.Fa ny zavatra tena mampalahelo indrindra tao dia, ekena, fa ilay fisainana [tsy mendrika] [an'ireo politisianintsika], ny tsy fahaizany nampifandray ny vanim-potoana sy ny firindran'izao tontolo izao. 

Hajian-tsary avy amin'ny mpampiasa Flickr crazyinthenight (CC BY-NC 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.