Bolivia: Nosakan'ny Polisy Ny Diaben'ny Zanatany manohitra ny Lalambe migodàna

Mitohy ny diabem-panoherana ataon'ny Zanatany mba hampitsaharana ny fanorenana ny lalambe migodàna mamakivaky ny TIPNIS, ilay Valam-pirenena Isiboro Sécure Faritanin'ny Zanatany, araka ny efa notaterin'ny Global Voices.

Ao amin'ny bolongana Bolivia Diary, no anazavazavan'i Dario Kenner ny halalin'ny fifandirana sy anoratany ny toe-javamisy tsy maintsy atrehin'ny mpanao Diabe:

Na dia eo aza ny fandaniana tsy maintsy ataon'ny Zanatany mandritra ny volana hanaovany diabe, ka ao avokoa na kilonga na antitra (misy zokiolona 99 taona koa mandray anjara!), ao anatin'ny tena fahasarotana ary tsizarizary ny kanokanona dia mitozo ry zareo mba hahazoana fifanarahana heverin-dry zareo hiarovana ny zony sy ny Faritaniny. Ny dikan'izany ho azy ireo dia tsy misy lalambe mamakivaky an'i TIPNIS. Nahagaga ny namelan'ny fitondrana Boliviana ity raharaha ity hiitatra satria hiteraka fifanoheran-javatra hatrany izy ity isan'andro ka anatin'izany ny fanaovan-tsonia iraisampirenena.

"Let's defend TIPNIS. NO to the highway" Poster by Patricio Javier Vera, used with his permission.

 

Taterin'i Dario ny zavamisy amin'izao fotoana izao:

Mbola misy 250 kilometatra mahery hodiavina amin'ny mihoatra ny 500+ kilometatra vakivakiana. Mihahenjana amin'izao fotoana izao ny toe-draharaha noho ny barazy natsangana ao Yucumo sy ny fisiana polisy 400 mijoro ao hanakanana ny mpanao diabe tsy hiroso intsony. Misy Hetsika Tambanivohitra lehibebe iray, Ny Konfederasionan'ny Fokonolona Marokolontsaina ao Bolivia (CSCIB), efa nanakana ihany koa hanohana ny fisian'ny Lalambe ary hanaisotra ny dimy amin'ny fangatahan'ny mpanao diabe (jereo ny fangatahana manontolo ao amin'ny fizarana faharoa) ka ifampiresahan'ny mpanao diabe amin'ny governemanta. Tsy dia misy dikany loatra io teboka farany io satria ny tanjona faran'ny mpanao diabe dia ny hihazo an'i La Paz ary hifampiresaka amin'ny governemanta. Efa niangaviana ny rehetra mba tsy hisy ny fifandonana mahery vaika, saingy efa nandrahona hampitsahatra ny diabe ny mpikambana ao amin'ny CSCIB izay efa nanao barazy ao Yucumo nandritra ny roa herinandro izay – na dia milamina sy tsy mibahan-dalana na manelingelina fifamoivoizana aza ny diaben'ny Zanatany.

 

Naaton'ny polisy ny diabe ary notapahina ny lalana mankany La Paz, renivohitr”i Bolivia, noho ny antony filaminana, saingy tsy nisy ny fanazavana fanampiny. Tsy nahasakana ny Fanoherana rehetra anefa izany. Hoy ny tatitry ny Bolivia Weekly:

Misy olona miisa 300 miara-milahatra amin'ny governemanta nanaisotra hatramin'ny 200 metatra ny dinamita. Notapahin'ny polisy nasionaly 200 notarihin'ny Minisitry ny governemanta Boris Villena ny lalana omaly [20 Septambra]. Nilaza ny Filoha Lefitra Alvaro Garcia Linera fa mahazo mifampiresaka aminy any San Borja ny mpanao diabe ary nohamarininy ny fanakanana ny diaben'ny foko fa hoe mety manimba ny fianakaviana miaina anaty ala.

Nahazo fanohanana iraisampirenena ny fanangonan-tsonia ho an'ny Filoha Boliviana Evo Morales Hampitsahatra ny famotehana an'i Amazonia. Niahoaho ny mety hisian'ny fandratrana, araka izay soratan'ny mpisolovava Americo Romero M. (@americorom):

3 heridos Naranjal y 1 herido o fallecido dan diferente informacion en urundaiti…es confusa la informacion.

3 no maratra any Naranjal ary iray no maratra na maty, vaovao mifanohitra any Urundaiti…mampisaritaka ity vaovao ity.

Na izany aza dia notaterin'i (@sobre_el_TIPNIS) farany fa:

La situación en Yucumo ha mejorado un poco. El agua de la solidaridad de la gente ya llega a los y las marchistas. Gracias

Nihatsara ihany na izany aza ny toe-draharaha. Tonga tany amin'ny mpanao Diabe ny ranon'ny firaisankina. Mankasitraka

Azonao atao ny domberina sy ny tatitra hafa ao amin'ny Twitter amin'ny fampiasana tenifototra #TIPNIS.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.