Tontolo: Adihevitra Ao Anaty Aterineto Mikasika Ny Teknolojia Ho Amin'ny Mangarahara

Ny Hetsika  Teknolojia ho amin'ny Mangarahara, iarahana amin'ny Paikady Vaovao amin'ny resaka Zon'Olombelona, dia manasa anao handray anjara amina dinidinika anaty aterineto momba ny ‘Fampiasana Teknolojia mba Hampiroborobo ny Mangarahara’, manomboka anio (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: 21 Sept)  ary hitohy hatramin'ny 27 Septambra 2011.

Nisy ny fivelarana sy fitomboan'ny hetsika eran-tanin'ny teknolojia sy ireo tetikasan'ny media dizitaly nikendrena ny hampiroboroboana ny fangaraharan'ny governemanta, ny fandraisana andraikitra, ary ny fandraisan'ny vahoaka anjara anatin'ireo fanapahan-kevitra politika. Taorian'ny nandinihana tranga am-polony maneran-tany, Ny Tambajotra Teknolojia ho an'ny Mangarahara, tetikasan'ny Rising Voices, nandinika ireo tetikasan'ny fangaraharana ireo mba hahazoana fahatakarana tsaratsara kokoa ny vokatra aterak'izy ireo, ny olana misakana, sy ireo fivoarana mety hiseho. Fotoana izao hanombohana ny resadresaka, miaraka amin'ny fanampian'ny sehatra fiadian-kevitra mahafinaritra ‘Paikady Vaovao ho an'ny Zon'Olombelona’

Image by whiteafrican on Flickr (under a Creative Commons Attribution 3.0 license).

Sarin'i whiteafrican ao amin'ny Flickr (fizaka-manana Creative Commons Attribution 3.0 ).

Amin'ity herinandro ity izahay dia manasa manam-pahaizana 11 manerana izao tontolo izao, avy any amin'ireo tetikasa samihafa izay mampiroborobo ny fisokafana, ny fiaraha-miasa sy ny fangaraharana, mba hamaly ireo fanontanianareo, hitsikera momba ireo foto-kevitra mahaliana ary hiady hevitra mikasika ny hoavin'ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana ny mangarahara.

Miaraha amin'i Elizabeth Wolf avy ao amin'ny Ciudadano Inteligente (Olom-pirenena Maranin-tsaina), Shily; Susannah Vila sy Jorge Soto avy ao amin'ny Citivox, Meksika; Mike Linksvayer avy ao amin'ny Creative Commons; Jonathan Gray avy ao amin'ny Open Knowledge Foundation, Grande Bretagne; Diego Casaes avy ao amin'ny Eleitor 2010, Brezila; Camila Bustamante avy ao amin'ny Dateros, Pero; Ulrich Muller avy any Jermany; Maya Indira Ganesh avy ao amin'ny Tactical Technology Collective; John (Kipp) Kipchumbah ao amin'ny InfoNet, Kenia; Amr Gharbeia, Mpiandraikitra ny Fandaharanasan'ny Teknolojia sy ny Fahalalahana ho an'ny Egyptian Initiative for Personal Rights; ary i Mendi Njonjo, Mpiahy ny Africa Technology and Transparency Initiative any Kenia.

Io resadresaka io dia varavarana iray ahafahana mizara ireo tranga nodinihana sy ireo fitaovana miaraka amin'ny Vondrom-piarahamonina “New Tactics” ao amin'ny aterineto, maka lesona avy amin'ireo traikefan'ieo manam-pahaizana mampiasa ireo tetikasa ireo, ary miady hevitra mikasika ireo hevitra vaovao, ireo fanamby, ireo risika sy tombontsoa. Miaraha aminay ao anaty aterineto manomboka ny 21 Septambra mba hizaranao ireo tantaranao, hevitra ary loharano.

(Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Efa tara ihany ny nandikàna ity lahatsoratra ity, nefa navoaka ihany mba hahafahantsika mitsidika ireo rohy hita ato anatiny, na dia amin'ny teny Anglisy aza)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.