Bolivia : Nivondrona ireo Ankizy Miasa

Ao Bolivia, toerana izay ny mpikambana ao anaty orinasa no tena mameno ny sendika, nanangana sendika ihany koa ny andianà mpiasa iray hafa: ny ankizy.

Nisy tantara momba ny asan'ny ankizy ao Bolivia natolotr'i Jean-Friedman Rudovsky tahaka ny andian-tantara mitohy Ground Shifters : Tantaranà Vehivavy Iray Manova Ny Tontolo Tsy Hita Maso. Rudovsky dia manoratra hoe :

Manana mponina 9 tapitrisa i Bolivia; ny iray tapitrisa dia ankizy miasa, ny sasany nanomboka niasa tamin'ny faha fito taonany. Amin'izany, vehivavy ny antsasany. Ny vehivavy, sy ireo asany, dia matetika afenina, any anaty trano na any ambadiky ny trano fisakafoana.

Mauricio Aira ao amin'ny bilaogy Bolivia Primera Plana [es] dia manambàra fa tsy zava-mampanahy ho an'ny fiarahamonina Boliviana ny fampiasana ankizy, ary manampy hoe :

el anonimato en el que viven [los niños trabajadores] simplemente refleja el desprecio que siente el mundo adulto por la niñez en Bolivia.

Ny tsy fitononana anarana izay fomba [ankizy miasa] iainan'izy ireo dia maneho tsotra izao ny tsy firaharahiana tsapa eo amin'ny tontolon'ny olon-dehibe ho an'ny ankizy ao Bolivia.
Nouvelles Hispanically Parlant déjà signalés

Efa nitatitra ny Hispanically Speaking News teo aloha

Ireo ankizy sy tanora ireo dia miasa mba hanampy ny fianakaviany, mba hanohana azy tenany amin'ny fianarany, hamatsy ny fandaniany manokana, mba hiantohany ny ho avy tsaratsara kokoa mihoatra ny an'ny rainy sy ny rahalahiny voagejan'ny aretin-tratra ‘silicose’ sy ny loza azo avy amin'ny toerana fitrandrahana sy fambolena fary.

Ankizy miasa ao Bolivia. Sary avy amin'ny Flickr an'ny Firenena Mikambana (CC BY-NC-ND 2.0)

Ny ankamaroan'ireo ankizy miasa ireo dia mandeha an-tsekoly no sady mitàna asa itakiana zavatra betsaka ihany koa, ny sasany aza miasa mandritry ny tontolo andro. Namorona vondrona iray izy ireo mba hoarovan'ny fanjakana ary hajain'ny fiarahamonina. Tahaka izay anoratan'i Marion Gibney azy :

Ireo ankizy ireo dia tsy mihevitra ny fiainany ho ratsy mihitsy; te-hiasa izy ireo, ary namorona ireny vondrona ireny ho an'ny tombontsoany manokana. Ny sendika misy dia natao mba hiarovana azy ireny sy ny zo fototra avy amin'ny governemanta, toy izany koa ny mba hahazoany ny fanajàna avy amin'ny hafa izay miara-miasa aminy. Amin'ny maha-ankizy azy, matetika izy ireo no voaendaka sy voadarok'ireo lehibe noho izy, kanefa efa nianatra ny hiaina izany sy ny hiaro ny tenany izy ireo.

Koa satria ny fampiasana ankizy dia tsy manara-dalàna, dia sarotra ny hangataka ny fiarovana ireo ankizy miasa ireo amin'ny governemanta na fikambanana hafa.

Noemi Gutierrez,  tanora iray mpandrindra ao amin'i CONNATSOP, ny Filankevitr'Ireo Ankizy Mpiasa Mivondrona ao Potosi dia milaza hoe :

“Ny olon-dehetra milaza fa tsy tokony hiasa ny ankizy, kanefa tsy mijery ny toerana ara-ekonomikan'io firenena io izy ireo. Azoko antoka, fa raha toa ka manana ny ampy isika rehetra, dia tsy ilaina isika ny hiasa. Fa ankoatry ny fisainana lalina, ny hain'ny governemanta milaza dia ny hoe ilaintsika ny hanafoana ny fampiasana ny ankizy. Izao no teniko, ny fahantrana aloha no tokony ho foanan'izy ireo.”

Ilay bilaogy  “Children's Participation” na Fandraisan'anjaran'ireo ankizy dia mamintina ireo fangatahana sasany nataon'ny UNATSBO (“Unión de Niños, Niñas, y Adolescentes Trabajadores de Bolivia” amin'ny teny Espanola, na “Sendikan'ny lehilahy, vehivavy ary tanora miasa ao Bolivia” amin'ny teny Anglisy) ilay sendika lehibe an'ireo ankizy miasa ao amin'ny firenena :

Te-hahazo antoka izy ireo fa hoe mandray karama mitovy sy manana tetibola toy ny ankamaroan'ny olon-dehibe mitovy toerana aminy ny ankizy. Amin'ny sehatra sasany, mandray latsaky ny antsasaky ny karaman'ireo olon-dehibe mpiara-miasa aminy ireo ankizy ireo. Fanampin'izany, tsy manana zo hanana kaonty ny ankizy ary matetika manome mivantana ny karamany any amin'ny ray aman-dreniny. Ny mpikambana ao amin'ilay sendika dia miezaka mandresy lahatra mba hisian'ny tontolon'ny asa manara-penitra sy fandraisanana an-tànana ny fitsaboana tsara kokoa, indrindra indrindra ho an'ireo ankizy izay manana asa misy loza mananontanona ny fahasalamana.
Ny tsy fahampian'ny fankasitrahana ireo ankizy miasa no isan'ny mahatonga ny sakana lehibe iray amin'ny fahatrarana ny fiainana tsaratsara kokoa ho an'ireo ankizy miasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.