Zambia: Lasa Alohan'ny Fampahalalam-baovao Mahazatra ny Mpiserasera Amin'ny Famoahana Vaovao Momba Ny Fifidianana

Nifidy filoham-pirenena, mpikambana ao amin'ny antenimiera ary solotenan'ny governemantam-paritra ny Zambiana tamin'ny 20 Septambra 2011 lasa teo, fantatra fa nanomboka tamin'ny 6 ora maraina ny fandatsaham-bato, maresaka tanteraka ny Twitter, Facebook sy ny tranokala mpanaramaso ny fifidianana Bantu Watch tamin'ny fanehoana izay tsy fetezana rehetra nanamarika ny fiandohan'ny fandatsahambato .

Tao amin'ny tranokala valantserasera, olom-pirenena iray no nanambara ny fahataran'ny fisokafan'ny birao fandatsaha-bato, ny fahataran'ny fahatongavan'ny lehibe misahana ny biraom-pifidianana, ny fanovana ny birao fandatsaha-bato ary indrindra ny tsy fahampian'ny bileta. Nitatitra ireo herisetra nitranga ihany koa ny tranokala, indrindra ny herisetra niseho tao an-drenivohitri Lusaka nahitana ireo mpifidy ahiahiana niandry izay mety ho fitaovana azo angalarina.

Tamin'ny fahataran'ny fisokafan'ny birao fandatsahabato, mpiserasera iray nanambara ity manaraka ity

@Mama_Kankasa: Ratsy tanteraka ny fikarakarana, namporisika ny vahoaka handeha hifidy izao izy ireo…kanefa mbola tsy misokatra akory ny biraom-pifidianana?

Nisy hafa nilaza hoe:

@luchi7: Tatitra tsy voamarina no nilaza fa mbola tsy nanomboka ny fifidianana any amin'ny faritra sasany ao Lusaka,  nilaza ny birao fandatsaha-bato ao chelstone fa tara ny filohan'ny birao

Nilaza i Mama Kankasa fa sahirana mafy momba ny zava-miseho any amin'ny faritra ambanivohitra izy raha toa ka ny faritra ao an-drenivohitra misy Vaomieran'ny Fifidianana ao Zambia no miatrika olona ara-pitaovana lehibe toy izao.

@Mama_Kankasa: Afaka mahatsapa ny hamaroan'ny vahoaka any ambanivohitra i Matero/Lilanda raha teo akaikin'ny biraon'ny ECZ ?

Namoaka sary misy ny filaharambe teny amin'ny biraom-pifidianana ny mpiserasera sasany ary namoaka lahatsary sy feona horonantsary tamin'ny fifidianana teny amin'ny toerana rehetra nalehany kosa ny hafa.

Nitatitra ny feon'ny adiady teny amin'ny biraom-pifidianana nahitana ireo mpifidy naparitakin'ny polisy sy ny baomba mampadatsa-dranomaso ny feom-baovao avy amin'ny @Luchi7 ao amin'i Lilanda (ao Lusaka).

 

One of our reporters got caught up in the skirmishes in lilanda sent this report (mp3)

Tao anatin'ny andron'ny fifidianana, fampahalalam-baovao am-bava ao an-toerana, Radiom-pirenena Zambia, nandefa hira fotsiny raha toa ka vaovao momba ny fifidianana hatrany no tokony alefany izay nandiso fanantenana ireo mpiserasera:

@VusumuziS: Oh #ZNBC, samy tia ny kolontsaintsika isika rehetra saingy mila mahafantra ny ny vaovaon'ny fifidianana hatrany isika. Afaka mijery fandaharana kolontsaina isan'andro ISIKA, saingy indray mandeha isaky ny 5 taona kosa ny fifidianana

Toa fantatra fa noesorina tamin'ny aterineto ilay Tranokala mpanaramaso ny fifidianana, Bantuwatch.org, ary nahita ny olona fa norarana hanajanona ny fanomezam-baovao momba izay tsy fietezana amin'ny fifidianana ny tranokala (mbola tsy voamarina izany):

@alexmichelo: @mwanabibi eny aty zambia aho ary tsy afaka miditra amin'ny tranokala #Bantuwatch

Nandritra izany, niantso ny vahoaka ny sasany mba tsy hikorontana amin'ny tsaho miparitaka. Tao amin'ny Facebook misy ny vondrom-bahoaka “Nifidy tamin'ny 20/09/11 aho”, Maliq Malekano ao Lusaka nilaza hoe:

Niezaka nandefitra hatrany isika rehetra nandritra ity fotoam-pifidianana ity (L). Nisoroka izahay mba tsy ho maika hamoaka vaovao rehefa maheno tsaho. Nisoroka tsy handefa fanambarana lehibe izay tsy voamarina izahay. Aoka isika rehetra mba ho mpampita hafatra ho an'ny filaminana na dia tsy mahazo vato aza ny kandidà tohanantsika. Ny teny rehetra izay alefanao ao amin'ny facebook dia mety hanorina na handrava an'i Zambia. Nisafidy hanorina an'i Zambia aho amin'ny alalan'ny fanehoako fa tompon'andraikitra aho amin'izay rehetra alefako ao amin'ny facebook.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.