CIVICUS: Fandinihana ny tanjaky ny fiaraha-monim-pirenena

Nandritra ny telo andro dia solontena avy amin'ny fiaraha-monim-pirenena maro no nivory tany Montreal, Canada nanatrika ny Fihaonana an-tampon'ny CIVICUS hiady hevitra momba ny làlana rehetra hanairana ny olona, miainga avy amin'ny hetahetan'ny tsirairay.

Isankarazany sy marobe (ary mbola ho toy izany hatrany) ny lohahevitra noresahana : hetsika ara-piaraha-monina, fitoviana ara-tsosialy, sy ny fiantraikan'ny teknolojia vaovao, ho amin'ny rariny. Niady hevitra momba ny andraikitry ny teknolojia amin'ny fanomezana hery ny fiaraha-monina ny mpandray anjara, ao koa ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifandraisana eo amin'ny olom-pirenena sy ny fanjakana, ny tontolon'ny aterineto sy ny ivelan'ny aterineto, ny hetsika any amin'ny tontolo Arabo, ary ny andraikitry ny tanora amin'ny fananganana fiaraha-monina vaovao.

Tristan Brand | Vovonana CIVICUS Manerantany 2011 – Nahazoana alalana

Eo amin'ireo mpanao hetsika, manam-pahaizana, mpiasa, mpandinika sy blaogera, navoaka tamin'ny tranonkala ny fifanakalozan-kevitra, navoaka an-dahatsoratra, tamin'ny tweet, sy ireo media isan-karazany. Navoaka ireo hevitra rehetra novinavinaina hanohizana ny hetsika hitondrana fiovana eo amin'ny fandraisana anjarana hita maso ataon'irey sivily.

Mba hitazonana ireo hevitra nivoaka, indreto misy santionany amin'ireo lahatsoratra nivoaka tao amin'ny fivoriana, indrindra ny tamin'ny fiafaran'izany fivoriana izany. Tsy mbola hifarana mihitsy ny ady hevitra, ary ny tsara indrindra dia ny famakianao azy, sy ny fizaranao izany!

Paul McAdams nanoratra ity eritreriny ity an-taratasy nosoratany ho an'ny zanany. Nomeny ny anarana hoe “Afaka manao mihoatra ianao”:

Miombon-kevitra amiko ny olona tafahaona tamiko fa ny “teknolojia vaovao” toy ny twitter sy ny facebook ary ny YouTube sy ny hafatra an-tsoratra (izay tsy vahiny aminao daholo) dia fitaovana tena ilaina tokoa amin'ny fifandraisantsika sy hahalantsika ny zava-mitranga rehetra manerana ny tany. Kanefa (…) tsy ampy izany.

Anna Mazgal milaza ao amin'ny sorany “Ny karazana holatra rehetra”:

Isaorana betsaka ireo mpanelanelana sy ny mpanatrika rehetra nametraka fanontaniana tsara ka nahatonga ny rehetra namoaka hevitra sy nitady valiny tsotra. Ny valim-panontaniana rehetra novolavolaina tao anatin'ny ora iray sy sasany dia mety ho diso indray amin'ny olana ho avy.

Ao amin'ny lahatsoratra “Raha mahaleo tena kokoa ny fiaraha-monina mahantra“, nosoratan'ny iray amin'ny mpikarakara, no ahitana hevitra mahaliana:

Ny zava-mitranga any amin'ny tontolo Arabo no ohatra azo tsapain-tanana iray mampahafantatra antsika ny hetahetan'ny olona any Afrika Avaratra sy any Afovoany Atsinanana hananany fiainana tsara kokoa, hahazoany miaina fiaraha-monina hisian'ny fahamarinana sy mitombina ara-toekarena. Any amin'ny firenena maro hafa, hatrany Brezila ka hatrany Tailandy sy Senegaly – raha tsy hilaza afa-tsy izay fotsiny – dia manana olana ihany koa amin'ny fahamarinan-toerany ao amin'ny fandrosoana ny hetsika ara-tsosialy efa taranaka maromaro izao.

Farany, ao amin'ny blaogy amin'ny teny frantsay, Sophie Verdon mizara amintsika ny namehezany azy:

(…) misy sady iainana maneran-tany ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena, te hampiasa izany fahafahana izany amin'ny maha-olo-mpirenena azy daholo amin'ny fomba maro samy hafa ny tsirairay. Misy anefa ny olana matetika amin'izany, kanefa ao ny fahavononana ! Ny herin'ny fahamaroana sy ny firaisan-kina no hahafahana mitarika ny olona hihetsika ! (…) Araraotina ny fahafahantsika manao izany ankehitriny, izay mampalahelo fa tsy tena araraotintsika tsara…! Nipoitra tampoka fotsiny sy nivoatra izany, ka nanome aingam-panahy ho ahy.

Tristan Brand | Vovonana Manerantany CIVICUS 2011 – Nahazoana alalana

Santionany kely fotsiny izay. Mahaliana kokoa ny mitsidika ny bilaogin'ny fikambanana sy mandinika izay voalaza ao. Milaza ny heviny ao ny blaogera rehetra amin'ny tenyAnglisyFrantsay sy Espanola, ao koa ny tweets marobe.

Ny fanantenana dia hoe aorian'ity fihaonana ity dia ho maro ny feo hanohana ny fahafahan'ny olom-pirenena. Matanjaka ny hevitra sy ny traikefa rehefa zaraina, tahaka ny hitantsika teo aloha. Afaka manampy ireo rehetra tsy afaka nanatrika ny fihaonamben'ny CIVICUS ny teknolojia : azonao jerena eto ny lahatsary nandritra ny valandresaka. Misokatra ny tahalam-bahoaka, enga anie ka ho betsaka ny hevitra mivoaka!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.