Tonizia: Bilaogera Nirotsaka Hofidiana

Hifidy ny Antenimieran-dalampanorenana izay hiandraikitra ny famolavolana ny Lalamoanorenana vaovao ny Toniziana amin'ny 23 Oktobra ho avy izao .

Hafa noho ny hatramin'izay ity fifidianana atao amin'ity taona ity izay matetika miafara amin'ny fahazoan'ny antokon'i  Ben Ali vato eo amin'ny 90 isan-jato eo foana. Ho henjana tokoa ny fifidianana amin'ity taona ity ary heverina hifanakaiky ny vokatra.

Taorian'ny fionganan'ny fitondrana teo aloha, nohalefahana kokoa ny  fepetra ahafahana mirotsaka ho fidiana. Araka ny voalazan'ny Vaomiera tsy miankina misahana ny Fifidianana, dia lisitra 1700 anatiny sy ivelan'ny firenena no hifaninana hahazo ny seza 218 ao amin'ny antenimieran'ny Lalampanorenana.

Bilaogera fito no nanapa-kevitra hirotsaka ho fidiana.

 

Adib Samoud. Sariny ao amin'ny pejy Facebook

Adib Samoud:
Tanora mpaka sary, dokotera mpitsabo biby no sady mpiaro ny tontolo iainana. Andriamatoa Samoud no mitarika ny lisitra tsy miankina antsoina hoe “عيون حريصة” [Maso Mandinika Tsara]. Te hametraka Lalampanorenana miaro ny tontolo iainana izy izay miaro ny zo tsy azo amidy momba ny zavaboahary.

 

Amira Yahyaoui Sary avy amin'ny sawtmostakel.com

Amira Yahyaoui: (@Mira404)

27 taona, mitarika ny lisitra tsy miankina ao Frantsa, antsoina hoe “Sawt Mostakel” (Feo Tsy Miankina). Mpiaro ny zon'olombelona izy ary nitolona nanohitra ny fanavakavahana nandritra ny fitondran'i Ben Ali.  Hoy izy nanambara momba ny firotsahany hofidiana:

 

Jusqu’alors, mon engagement politique en Tunisie se faisait dans l’opposition. Aujourd’hui je veux proposer et construire. Je suis tête de liste de Sawt Mostakel, avec un réel projet que je suis prête à aller défendre à la Constituante

Hatramin'izay dia tany amin'ny fanoherana hatrany ny firotsahako tamin'ny politika ao Tonizia. Ankehitriny, Te- hanolo-kevitra sy hanorina aho. Izaho no lohalisitry ny “Sawt Mostakel” izay manana tetikasa izay nivononako harovana ao amin'ny Antenimieran'ny Lalampanorenana

Imen Braham. Sary: sawtmostakel.com

Imen Braham: (@__Imen)

Manam-pahaizana ambony momba ny fambolena sy fiompiana, sy mpiaro ny tontolo iainana izay mino ny fahombiazan'ny governemanta misokatra. Fantatra amin'ny anarana hoe Moonsgirl, 28 taona izy tahaka an'i Amira Yahyaoui, kandidà ao amin'ny lisitra “Sawt Mostakel.” Imen Braham nanambara hoe:

Les jeunes doivent s’engager dans la vie politique puisque c’est notre avenir qu’on décide aujourd’hui avec cette assemblée. Être cinquième de la liste Sawt Mostakel constitue pour moi le meilleur moyen d’afficher mon engagement pour les valeurs de la liste et de défendre notre vision d’une Tunisie où le citoyen prend le pouvoir.

Tokony hiditra eo amin'ny sehatra politika ny tanora. Ny hoavintsika no hobanjinintsika amin'ity fifidianana Anteimieran'ny Lalampanorenana ity. Ny maha fahadimy ahy ao anaty lisitra “Sawt Mostakel” no fomba tsara iray ampisehoako ny firotsahako hanome lanja ny soatoavin'ny lisitra sy mba hiarovana ihany koa ny vinantsika ahitana an'i Tonizia ndraisan'ny olompirenena ny fahefana.

Mehdi Lamloum. Sary tao amin'ny Twitter-ny

Mehdi Lamloum: (@MehdiLamloum)

 

Mpahay momba ny Aterineto no sady bilaogera mpaka sary. Matetika dia mampiasa ny bilaoginy Pink Lemon izy mba hiresahany momba ny fifandraisana nomerika, Aterineto, sy fampahalam-baovao. Emna El Hammi nanoratra ny momba an'Andriamatoa Lamloum:

D’autres blogueurs ont choisi, contre toute attente, de faire leur entrée sur la scène politique et d’afficher publiquement leur engagement malgré leur silence pendant les années où les voix manquaient. Ces blogueurs qui s’autocensuraient au temps de Ben Ali, par fatalisme ou par peur, veulent aujourd’hui saisir cette opportunité de participer à la construction d’une Tunisie à leur image. C’est le cas du blogueur Mehdi Lamloum, dont le blog Pink Lemon est une référence dans le domaine du webmarketing et de la communication

Nisafidy ny hiditra amin'ny sehatra politika sy hampiseho am-pahibemaso ny firotsahany na dia eo aza ny fahanginany nandritra ny taona maro tsy  nisian'ny fanehoan-kevitra malalaka ny bilaogera hafa, raha tsy noheverina ny hisian'izany . Ankehitriny, dia te-hanararaotra ity fifidianana ity ireo bilaogera izay nisafidy tsy nanambara ny heviny nandritra ny fitondran'i  Ben Ali noho ny fiandrasana ny rariny na noho ny tahotra, mba hitondra ny anjara birikiny amin'ny fananganana an'i Tonizia araka ny fahitan'izy ireo. Tahaka izany i Mehdi Lamloum, manana ny bilaogy Pink Lemon fitaratra eo amin'ny sehatry ny  haivarotra an-tserasera sy ny fifandraisana

Riadh Guerfali Sary tao amin'ny Twitter-ny

Riadh Guerfali: (@Astrubaal)

Manam-pahaizana momba ny lalàm-panjakana ity mpiara-mitantana ny bilaogy iombonana Nawaat ity. Mpahay momba  ny Lalam-panorenena sy ny Andrimpanjakana politika Andriamatoa Guerfali. Nandritra ny fitondran'i Ben Ali, nampiasa matetika ny bilaoginy Astrubal izy hanambarana ny fanitsakitsahana ny fehezan-dalàna iraisam-pirenena sy ny fehezan-dalàna ao an-toerana nataon'ny fitondrana teo aloha, nampanantena ny Toniziana izy ny amin'ny zo ahafahana manara-baovao sy hiditra amin’ ny Aterineto. Emna El Hammi nanoratra toy izao:

Riadh Guerfali est non seulement apte à imposer ses idées en matière de protection des libertés individuelles mais possède en plus les outils juridiques nécessaires à l’élaboration de cette nouvelle constitution.

Tsy ny fahaizany mametraka ny heviny amin'ny fiarovana ny fahalalahana isam-batan'olona ihany no hain'i Riadh Guerfali fa ananany ihany koa ny fitaovana momba ny lalàna ilaina amin'ny famolavolana ity lalam-panorenana vaovao ity

Tarek Kahlaoui: (@t_kahlaoui)

Nirotsaka ho fidiana sady kandidà tsy miankina ihany koa izy, ary mitarika ny lisitra antsoina hoe “Sawt Echabab” (Feon'ny Tanora). Mpampianatra ao amin'ny sampana Tantara sy Zavakanto ao amin'ny Oniversite Rutgers ao New Jersey Andriamatoa Kahlaoui. Mpandala ny fanehoan-kevitra an-kalalahana izy izay nanana ny bilaoginy voarara tamin'ny taona 2010. Tamin'ny 8 Septambra, nanambara ny firotsahany ho fidiana tao amin'ny Pejiny Facebook i Tarhek:

قررت الترشح لانتخابات المجلس التاسيسي.. . الاستحقاق الانتخابي منعطف تاريخي لتونس.. المساهمة فيه باي شكل مهم لإنجاحه و الترشح احد اشكال هذه المساهمة

Nanapa-kevitra hifaninana amin'ny fifidianana Antenimieran'ny Lalampanorenana aho… Fivadihan'ny tantaran'i Tonizia ity fifidianana ity… Mitondra ny anjara biriky amin'izany mba hampahomby izany, ny firotsahako hofidiana no lalana iray ahafahako manatontosa izany

Yassine Ayari: (@yassayari)
Bilaogera, sady mpiserasera mafana fo. Miaraka amin'i Slim Amamou, notanan'ny polisy nandritra ny ora efatra i Andriamatoa tamin'ny 21 Mey 2010, noho ny fikasany hanao fihetsiketseham-panoherana ny fanavakavahana izay saiky notontosaina ny ampitson'ny fisamborana azy. Vao haingana izy no nanoratra lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy antsoina hoe “Tsy bilaogera aho” izay manazava amin'ny mpamaky ny dikan'ny hoe mpamaha bolongana araka ny fijeriny:

je ne suis pas “blogueur”, je suis un jeune tunisien, qui pense qu'il a des choses intéressantes a dire et a faire et qui veux participer a construire une meilleure Tunisie. […]j'aspire a être un homme publique qui a un blog, pas un blogeur qui veux faire la politique,

Tsy “bilaogera” aho, tanora Toniziana aho, izay mieritreritra fa manana zavatra mahaliana hambara sy hotontosaina, ary te handray anjara amin'ny fanaovazana ho tsaratsara kokoa an'i Tonizia. […] Maniry ny lasa olona fanta-daza manana bilaogy, fa tsy bilaogera  te hanao politika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.