Iran: Taosary Fanoherana Mba Hamonjena ny Farihy Urmia

Nidina an-dalambe indray ireo mpanohitra ny Alatsinainy teo tany Ardabil, any amin'ny faritr'Azarbaijan any Iran, ho fangatahana ny hanavotan'ny governemanta Iraniana ny Farihin'i Urmia. Nitatitra momba ny famoretana sy ny fisamborana ireo mafana fo Azeri maro ireo Iraniana mpitoraka bilaogy.

Tsy ela akory izay dia nanome toky ireo manam-pahefana fa hanokana $95 tapitrisa mba hamiliana rano avy amin'ireo renirano hamerenana indray ny iray amin'ireo farihy manana rano masira lehibe indrindra eran-tany.

I Goftar Sabz dia vavolombelona tamin'ny zava-nitranga tany Ardabil ny Alatsinainy teo. Manoratra ilay mpitoraka bilaogy [fa]:

Stay blue - protest art for Lake Urmia

'Mijanòna manga' – taosary fanoherana ho an'ny Farihy Urmia ao amin'ny Facebook

Nandeha an-tongotra tany Ardabil aho, teo amin'ny 6 hariva teo ho eo ary nisy mpitandro filaminana marobe teny an-toerana. Mpanohitra roa no voasambotra noho ny fidradradradràn'izy ireo teny faneva. Nandeha an-tongotra nankany amin'ny kianjan'i Shariati aho ary nahita maso olona folo voasambotra. Naheno aho fa tany amin'ireo toerana hafa manerana ny faritra dia maro no  voasambotry ny mpitandro filaminana.

Ny bilaogy Sev-news dia manoratra [fa]:

Maro ireo fihetsiketsehana tany Ardabil, nanakaiky ny aotra ny hafainganam-pandehan'ny aterineto ary tsy nisy nahafahana nifandray tamin'ny alàlan'ny finday. Manohy ny hetsi-panoherany ny vahoaka ary mandrantiranty ireo teny faneva mba hiarovana ny Farihin'i Urmia

Manoratra i Kolekhabar [fa] fa roa andro lasa izay dia nisy ireo mafàna fo nosamborin'ny mpitandro filaminana tany an-tranony ary nogiazan'izy ireo ny fananany manokana.

Rah Azadi dia milaza [fa] fa toy ny tanàna voabodo i Ardabil ary dia hita eny rehetra eny ireo mpitandro filaminana.

Namorona pejy Facebook ihany koa ireo mpanohana ny Farihin'i Urmia, izay efa manana mpankafy mihoatra ny 4700 sahady. Ao anatin'ny iray amin'ireo sarin'ilay vondrona Facebook (etsy ambony) dia ahitantsika ny soratra: “Mijanòna ho manga.”

Misy taosary hafa ihany koa ao amin'ilay pejy Facebook, ity iray (eto ambany) ity dia manao antso, “Manampy antsika ny any Ambony, raha tsy mahavita sy manao masobe tsy mahita ny olombelona.”

Lake Urmia protest art

Taosary fanoherana ho an'ny Farihy Urmia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.