Maraoka: Mitatra Ny Fisamborana Ireo Mafàna Fo

Ity pejy ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Maraoka 2011.

Tampotampoka teo dia nitatra ny fisamborana ireo mafàna fo mpomba ny demaokrasia sy  ireo mpanentana anaty aterineto tao Maraoka, tato anatin'ny andro vitsy. Tamin'ny herinandro lasa fotsiny dia efa nisy telo. Zara raha miteny momba izany ny mpampahalala vaovao ary dia nandray an-tànana ny fitaterana ireny fisamborana ireny ireo bilaogera izay vao taitra ny fampahalalam-baovao nentin-drazana tao Maraoka handray ny tantara.

Ilay mafàna fo mpanentana ny ady amin'ny kolikoly

Ny fisamborana voalohany dia nitranga ny Alatsinainy teo rehefa nosamborin'ireo manampahefana ao amin'ny tanàna avaratra ao Friqad ny bilaogera iray sady mpanentana ny ady amin'ny kolikoly, Mohamed Douas. Mohamed no mpanorina ilay fikambanan'ireo vohikalam-baovao antsoina hoe  Fnidaq Online.

Ilay fisamborana, araka ny nolazain'ireo namany sy mpanohana azy, dia mety misy ifandraisany amin'ny vondrona Facebook iray, Wikileaks Fnidaq, natsangan'i Mohamed ka tao no namoahany antontan-taratasy lazaina fa mampiseho masoandro ny resaka kolikoly maha-voarohirohy ireo mpitondra ao an-toerana. Mohamed dia nampangaina ho mivarotra zava-mahadomelina, nefa miteny kosa ny vondrona bilaogera sy mafàna fo anaty aterineto fa tsy misy fototra ijoroany ilay fiampangana.

Hamid Salim raha nanoratra momba ireo Tanora mpifindra monina dia miteny fa misy mandringa ny lafiny lalàna misy ambadika politika. Hoy izy manoratra [ar]:

التهمة ملفقة والملف مفبرك، مرجحا أن يكون السبب الحقيقي لاعتقال المدون محمد دواس في هذا الوقت بالذات، هو مناهضته للفساد وكشف تورط عدد من المسؤولين في المنطقة في قضايا فساد ومخدرات.

Noforonina ny vesatra ary antony sahala amin'ny hoe ao ambadiky ny nisamborana an'i Mohamed, tamin'ity indray mitoraka ity, dia ny fanentanany amin'ny ady atao amin'ny kolikoly sy ny naoahany marina ny maha-voarohirohy ny maro amin'ireo manampahefana ao amin'ny faritra amin'ny tranganà kolikoly sy fanondranana zava-mahadomelina.

Vondrona iray ,anohana azy no nifa,otoana nanoloana ny lapan'ny fitsarana izay nitondràna an'i Mohamed hiseho eo anoloan'ny mpitsara tamin'ny Alakamisy. Ao anatin'ity lahatsary manaraka ity (avy amin'ny  Reporters sans limites) [ar], bilaogera sy mafàna fo maro no maneho ny fanohanany an'i  M. Douas. Faritan-dry zareo ho tsy ara-drariny ny fizotry ny raharaha.

Ilat mpiangaly rap

Afaho i Moad – sary nakarina ao amin'ny pejy fanohanana an'i Moad ao amin'ny Facebook

Mafàna fo iray hafa, mpiangaly rap i  Moad Belghouat, fantatra amin'ny hoe Haked (midika hoe Ilay Mpamaly faty, na Ilay Tsy Faly raha amin'ny teny Arabo) dia voasambotra ny Zoma noho ny vesatra hoe naniratsira  mpanao fihetsiketsehana iray mpomba ny fitondràna. Moad dia mpikambana mavitrika ao amin'ny hetsiky ny tanora Maraokana mpandàla  ny demaokrasia fantatra amin'ny hoe  20 Febroary.

Tondraka ireo teny fanohanana an'i  Moad ao amin'ny Twitter sy Facebook. Ilay bilaogera Ghassan Wail dia manoratra hoe:

Ny hetsika 20 febroary  dia hetsi-panoherana maka ny aim-panahiny avy amin'ny “Lohataona Arabo” ary miady hisian'ny demoakrasia bebe kokoa, fahalalahana, fahamendrehana ary rariny ara-tsosialy tato anatin'ny fito volana farany. Haked dia iray amin'ireo mpanakanto dia miditra lalina amin'ity hetsika ity. Ireo tononkirany dia malaza ho mivantambantana sy manakiana ny fitondrana Maraokana. Kianiny ny kolikoly, ny fanangolena, ny famihinana ny fahefana ho eo an-tànana fianakavian vitsy ao Maraoka ary ny harena mihoam-pampan'ny mpanjaka.
Afaho i Moad Haked.

Ny vondrona mpanohana an'i Moad dia ahitàna mpikambana miisa efa ho an'arivony ao amin'ny Facebook.

Tamin'ny Alahady, mafàna fo maro no nanao diabe fanehoana firaisankina amin'i Moad Haked,  nitafy T-shirts misy  ny fehezanteny  hoe “Afaho i Haked na sambory daholo koa izahay rehetra.”

Afaho i Haked – Sary avy amin'ny vondrona fanohanana ao amin'ny Facebook

Namoaka ity lahatsary manaraka ity ireo mpanohana an'i Moad [ar] maneho olona mitàna sora-baventy mangataka ny hamotsorana an'ilay mpiangaly rap:

Ilay poeta

Tamin'ny Sabotsy, ilay  poeta sady mpanao sariitatra momba ny politika, Younes Belmalha, a.k.a Inkicharia, no voalaza fa voatàna. Izy dia diso fantatra loatra amin'ny lahatsariny mahatsikaiky sy tsy dia manisy hajany loatra izay matetika anakianany ny mpitondra.  Fotoana fohy taorian'ilay vaovao momba ny fisamborana, nitatitra ireo mponin'ny aterineto fa nesorina tao amin'ny fantsona Youtube an'i Younes ireo lahatsary rehetra tao. Tsy mazava loatra araka izany hatreto hoe inona izany no tena nisamborana an'i Younes sy raha toa ka olona hafa mihitsy no nanaisotra ireo lahatsary

Ity manaraka ity dia lahatsary iray amin'ny teny Arabo [ar] misy an'i Younes miventy ny iray amin'ireo tononkalony. Manakiana ny kiantranoantrano sy ny kolikoly ao amin'ny fiarahamonina Maraokana izy. Ao amin'ny M20FevBel ao amin'ny YouTube no ahitàna ilay lahatsary:

http://www.youtube.com/watch?v=CqiCM497WuQ&feature=player_embedded

Younes dia voalaza fa votsotra tamin'ny Alahady. Tsy misy andinindininy nitete mikasika izay antony nitànana azy

Tena tsy nisy zavatra niova marina tokoa va re?

Ireny fisamborana ireny dia nitranga roa volana monja taorian'ny nandanian'ny firenena ny lalampanorenana heverina ho demaokratika, nofaritan'ireo mpiaro azy ho toy ny iray afaka miantoka fahafahana lehibe kokoa ho an'ny fanehoan-kevitra. Manontany tena ilay bilaogera Don Aminos  [fr]:

La question que je me pose aujourd'hui, à l'heure où tous les tyrans tombent les uns après les autres, quel résultat attendent les autorités de ces arrestations arbitraires ? La peur a basculé de camp. Vouloir intimider les manifestants me parait suicidaire puisque cela ne fait que renforcer la crédibilité du mouvement et cristalliser la haine des citoyens contre le régime. Mais est-ce que le roi est informé de ces arrestations arbitraires qui vont à l'encontre de ses intérêts? Est si oui, quelle est sa réaction ou sa position sur la question ? Lui qui nous a habitué à des beaux discours soporifiques sur la place de la jeunesse dans la société et les efforts qui vont être entrepris en sa faveur.

Ny fanontaniana ato anatiko ato androany dia ny hoe: ao anatin'ny vanim-potoana izay irodanan'ireo jadona rehetra manodidina antsika, inona no vokatra andrasan'ireo manampahefana amin'izao fisambontsamborana izao? Nifindra lasy ny horohoro. Ny fanandramana handemy ireo mpanao hetsi-panoherana amiko dia sahala amin'ny famonoan-tena ihany satria izany dia tsy hitondra afa-tsy ny fanomezan-danja ny hetsika [mpandàla ny demaokrasia] sy hampivaingana ny fankahalàna ny fitondràna. Nefa ny mpanjaka ve mba nampahafantarina ny amin'ireny fisamborana ireny izay mandeha mifanohitra amin'ny tombontsoany manokana? Raha eny, inona no valinteniny na ny toerana noraisiny? Izy, izay nanazatra antsika tamin'ny kabary tsara lahatra mikasika ny anjara andraikitry ny tanora ao amin'ny fiarahamonina sy ny ezaka natao ho amin'izany.

Ity pejy ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Maraoka 2011.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.