Makedonia: Tsy nigadra ireo nandray anjara tamin'ny herisetra nandritra ny adim-poko

Nahazo sazy mihantona ireo rehetra fantatra fa nandray anjara tamin'ny herisetra nandritra ny adim-poko tamin'ny volana febroary 2011, tao amin'ny lapa-manda tao Skopje (Kale), nandritra ny fitsarana natao an-tsokosoko.

Tanora sy vatombatony an-jatony maro no nandray anjara tamin'ny fifandonana, nialohavan'ny alina namotehan'ny mpiasam-panjakana ambony ao amin'ny foko Albaniana ny fiangonana iray izay naorin'ny fanjakana teo ambany fitarihan'ireo mpiara-dia taminy ihany izay tsy iza fa ny mpiasam-panjakana avy ao amin'ny foko Masedoaniana.

Skopje Fortress Kale, photo by Yemc, via Wikipedia

Lapa-Mandan i Kale ao Skopje, saripika Yemc, nosintonina Wikipedia (Domaine Publique)

Tamin'ny 22 aogositra, nanambara ny manam-pahefana fa hatao ato ho ato ny fitsarana, satria naharay fanamelohana olona 51 nandray anjara tamin'ny herisetra sy nanakatsakana ny asan'ny polisy ny biraon'ny mpampanoa lalàna, efatra volana aty aorian'ny nanombohan'ny fanadihadiana. Natao nandritra ny fanambarana niarahan'ny media maromaro izany, anisan'ireny ny PlusInfo [mk]. Araka ny fanambarana nataon'i Utrinski Vesnik [mk], nohamarinin'ny fitsarana tao Skopje izany tamin'ny alalan'ny mpitondra teny voalohan'izy ireo, ny mpitsara Vladimir Tufegdzic.

Na dia nandray anjara mivantana na ankolaka tamin'iny zava-nitranga iny aza ny sasany amin'ny olom-panjakana avy amin'ny DUI sy ny VMRO-DPMNE , tafiditra amin'izany ny minisitra, ny depiote, ny Ben'ny tanàna sy ny mpanatanteraka maro, ny hany mpanao politika tsy voakasika araka ny fanambaran'ny media dia i Artan Grubi (vaovao fanampiny any amin'ny faran'ity lahatsoratra navoakan'ny  Global Voices  ity), izay nandray anjara tamin'ny fifidianana parlemantera tamin'ny volana jona lasa teo ka nirotsaka hofidiana izy tamin'izany niaraka tamin'ny antoko DUI.

Tamin'ny 24 aogositra, nampiasa ny media [mk] ny fitsarana nanambarana fa efa nisy ny didim-pitsarana navoaka tamin'ny 17 aogositra, ny andro namoahan'ny mpampanoa lalàna ny porofo rehetra sy ny nanambarany fa hanomboka tsy ho ela ny fitsarana. Nanapa-kevitra ny fitsarana fa tsy azon'ny daholobe atrehana ny fotoana ary omena sazy mihantona telo volana ireo olon-dehibe rehetra voaporofo fa nandray anjara tamin'iny raharaha iny. Fitsarana hafa manokana no hitsarana ireo voaheloka tsy ampy taona. Ny tena dikan'ity fitsarana ity dia hoe tsy hisy ny olona higadra, raha tsy hoe voaheloka amin'ny zavatra hafa indray izy ireo ato anatin'ny 2 taona manaraka.

Manome alalana hampiakatra fitsarana ambony ny lalàna ny amin'ny tsy fahafahan'ny be sy ny maro manatrika ny fotoam-pitsarana raha toa ka misy mametraka fitarainana ireo voakasik'izany ao anatin'ny enina andro. Avoaka ho fantatry ny be sy ny maro ny fanapahan-kevitra afaka 7 andro, izany hoe raha tsy misy mitsivalana eny antenantenany eny ny fanapahan-kevitra .

Na dia avelan'ny lalàna hatao aza izany fomba izany, ny zava-misy dia hoe ny tsy fahafahan'ny olona mandre dia manakana ny Masedoaniana amin'ny fahadiovan'ny fifehezana sy ny fanadinana ofisialy izay mety hiteraka fihoaram-pefy. Ny ‘fandaharam-potoana tsy azo kianina’ nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra sy ny fahafaham-pon'ny ankamaroan'ny media tamin'ny varotra nataony no nampahazo antoka fitsabahan'ny ny fifanarahana politika ohatra amin'ny resaka fitsarana, ohatra anankiray  [mk] amin'izany ny mpanao gazety avy ao amin'ny Utrinski Vesnik,  Gordana Duvnjak, izay nijanona ho nanjavozavo sy tsy nisy namana. Nomarihiny tamin'izay fa niteraka faharatrana mpandalo efatra sy polisy roa ny zava-nitranga, olona izay tsy afaka nandray anjara tamin'ny dingana nandraisana fanapahan-kevitra.

Ny blaogera Neutralec (The Neutral Guy) no anisan'ireo feo tsy fahita firy niresaka [mk] ity fivoarana ity, mampahatsiahy ny fisian'ny resaka fankahalana aparitaky ny fampahalalam-baovao sôsialy, izay zavatra goavana atrehan'ny media ankehitriny, trandrahan'ireo mpampiasa izany hanehoany ny ‘fitiavan-tanindrazana’ ao aminy handrangitana ireo mpifidy amin'ny fifidianana ho avy rehetra:

Ataoko fa mahamenatra izany fanapahan-kevitra izany, satria tsy nisy mihitsy ny fiezahana hitady ny tena tompon'andraikitra [ao amin'ny Facebook] fantatra amin'ny sonia Goce Solunski na ny lehiben'ny fampielezan-kevitra amin'ny diabe ho an'ny Kale, Sasha Petkovski – Karlos. (Izy koa no mpikarakara ny fihetsiketsehana nanoherana ny mpitandro ny filaminana Grika [niady tamin'ny Masedoniana sy ny Albaniana], izay niseho teo amin'ny kianja malalaka ao Skopje 15 andro mialoha ny zava-nitranga, avy eo  “niandry” izay hahazoany ny alalana rehetra avy amin'ny polisy izy.  Ireo Albaniana nanao fihetsiketsehana ny ampitson'io andro io izay nanjary fihetseham-bahoaka anefa tsy niandry ny fahazoan-dalana avy amin'ny polisiny sy ny mpitarika azy ireo. Izay angamba no mahatonga ny Albaniana handeha alohantsika)

Mbola mihevitra foana aho fa tompon'antoka tamin'iny zava-nitranga iny ny roa tonta satria te hitsapa ny “tanjany” izy ireo hoe hatraiza ny fitiavan'ny olona azy…

Mbola mikatona[mk] ho an'ny daholobe ny lapa-manda. Fanambarana vao navoakan'ny fanjakana vao haingana, nifanojo tamin'ny fivoahan'ny vaovao tsy fisian'ny fitsarana, no milaza ny fananganana indray tranobe vaovao [mk] eo akaikin'ny toeran'ny teo aloha ihany, akaikin'ny fiangonana toy ny mozea [mk]: rindrina manana endrika Ottoman sy trano tranainy be, izay maneho ny lova napetraky ny kolontsaina maro mifangaro.

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.