Shina: “Sakafo maimai-poana” ho an'ny Mpianatra Ambanivohitra avy amin'ny Fanampiana madinidinika

Students at Hongban Primary School

Mpianatra sekoly Fanabeazana Fototra ao Hongban mankafy ny sakafony. Saripika takelaka fanangonam-bola, nozarain'i @anna313 tao amin'ny Weibo

Nanakorontana lalina ny fanabeazana Shinoa ny elanelam-pihariana misy eo amin’ny tontolo andrenivohitra sy ny tontolo ambanivohitra. Miantraika amin’ny mpianatra any ambanivohitr’i Shina ny olana ara-drafitra tahaka ny fampianarana, fandraharahana, fotodrafitr’asa ary ny kojakojam-pampianarana noho ny tsy fahampiam-bola. Any amin’ny faritra tena mahantra, na dia ny famahanana ny kilonga mba hananany hery hianarana aza dia efa fanamby goavana.

Araka ny fikarohana navoakan’ny Tahirim-bolam-panampiana ny fikaroham-pampandrosoana an’i Shina avy amin’ny vaomieram-panjakana Shinoa tamin’ny marsa 2011, niteraka tsy fahampian-tsakafo sy fahatarana eo amin’ny fitomboana eo amin’ny kilonga mpianatra ambaratonga voalohany ny fahantrana any amin’ny faritany andrefan’i Shina. Ao anatin’ny santiona-na mpianatra anelanelan’ny 10-13 taona monina an-tsekoly ambanivohitr’i Ningxia, Guangxi ary Yunnan ohatra dia 12% no hitana fahatarana eo amin’ny fitomboana ary 9% no tsy ampy lanja.

Liang Shuxin

Liang Shuxin

Hiatrehana izany olana izany dia nikarakara tetikasa “Sakafo maimaipoana” ilay mpikatroka Liang Shuxin monina ao Guangzhou tamin’ny 1 Aprily 2011, ary iarahany miasa amin’ilay Tahirim-bolam-panampiana Fampandrosoana ny Tanora ao Guizhou (misy renivolan’ny fanjakana ary misy renivolan’olo-tsotra). Tetikasam-panampiana madinidinika izy ity, ONG naorin’i Liang tamin’ny 2010 ary ny tanjony dia ny hikolokoloana ny tanjaky ny aterineto hanatsarana ny fanabeazana any ambanivohitr’i Shina.

Nametraka fahafaha-manao tsy voafetra ny fitomboana izaitratra ny mpisera aterineto any Shina. Nanamora ny fandraisana anjara birikin’ny besinimaro ny lazan’ny fitaovam-piseraserana aterineto tahaka ny Weibo (mitovy amin’ny Twitter any Shina) sy ny vavahadin-tserasera maro. Ao anatin’izany tetikasa izany no notorontoronina ny “fanampiana madinidinika ”. Ohatra, nanangana fivarotana virtoaly ao amin’ny sehatra Taobao, izay ahafahan’ny mpisera mividy sakafo atoandro ho an’ankizy mpianatra roa amin’ny vidiny RMB 5.00 (manodidina ny $0.80 amerikana) ny tetikasa. Ho fiantohana ny fangaraharana sy ny fahadiovam-pitantanana dia nanangana  bolongana ahitana tantara, saripika ary verindrohy momba ny nampiasana ny fanampiana ny tetikasa.

Logo of Micro FoundationNahombiazana tokoa ny tetikasa. Hatramin’ny volana avrily tamin’ity taona ity dia vita nanome sakafo atoandro ho ana mpianatra 205 tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra tao Hongban Faritanin’i Guizhou. Mihoatra ny roatokon’ny mpianatra ao amin’io sekoly io no tsy afa-misakafo tsara noho ny fahasahiranana ara-bola sy ny halaviran-toerana mankany an-tsekoly. Ho fiaraha-mientana amin’ny manampahefana ao an-toerana dia hatsangana manakaiky ny sekoly mandritra ny taona vitsivitsy ny “fivarotana sakafom-pitiavana ” hanomezana sakafo maimai-poana ho an’ny mpianatra tena sahirana. Haitatra tsikelikely hanerana ny faritra mahantra any Guizhou ny tetikasa mitovitovy amin’izy ity.

Novinavinaina haharitra telo taona ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitondra sy ny olo-tsotra ; ny kendrena amin’izany dia ny hahazoana vola hatramin’ny RMB 10 tapitrisa (mihoatra ny $1,5 tapitrisa amerikana) amin’ity taona ity. Tao amin’ny tafatafa niarahana tamin’ny gazety Shinoa Southern Daily, no naneken’i Liang fa maro ny fanamby, tahaka ny faharetan’ny fanampiana sy ny fananganana rafi-panomezana sakafo ampy. Mieritreritra izy fa tsy maintsy miafara amin’ny fiarahana amin’ny fandraisana an-tanan’ny governemanta ny famahana ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo. Noho izay antony izay no nifidianana ny Tahirim-bolam-panampiana Fampandrosoana ny Tanora ao Guizhou (misy renivolan’ny fanjakana ary misy renivolan’olo-tsotra) ho mpiara-miombon’antoka, fa manana fifandraisana amin’ny tontolon’ny fampianarana ihany koa izy io amin’ny ankapobeny. Na izany aza dia mino izy fa afa-mitondra fahavitrihana ao anaty fiaraha-miasa ny fikambanana tahaka ny Tahirim-bolam-panampiana Bitika noho ny fahaiza-mamorona, fahaiza-mampita sy mifandray ao anatin’ny tambazotran’ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.