Angola: Lahatsarin'ny Famoretana Ny Fihetsiketsehan'ny Tanora Tao Luanda

Ny Asabotsy 3 Septambra 2011 dia nisy tanora teo ho eo amin'ny 200 teo no nivory tany Luanda, Angola ho fanoherana ny tsy fahampian'ny fahafahana sy ny fitondran'ny Filoha José Eduardo dos Santos nandritra ny 32 taona. Araka ny nolazain'ny vavolombelona dia niafara tamin'ny fikapohan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana izany fanoherana izany.

Nisy lahatsary iray nivoaka tamin'ny voalohany septambra nahitana antso sahisahy avy amin'ny mpikarakara tsirairay hanao fihetsiketsehana, ny ankamaroan'izy ireo dia artista mpanao hiphop. Ny fangon'ny lahatsary “32 anos é muito” moa dia midika hoe “be izay 32 taona izay.”

Ny maraimben'ny Asabotsy dia niely tamin'ny Facebook fa nataon'ny polisy “nanjavona” ny iray amin'ireo hita tao amin'ny lahatsary antsoina hoe, Pandita Nerú, nialoha ny fihetsiketsehana. Nolazainy tamin'ny gazety taty aoriana fa nariana tamina tany malalaka foana izay izy ary nilazana fa “72 ora sisa hiainako”.

Niezaka ny nifandamina ihany ny mpanao fihetsiketsehana na dia misy aza ny karazana fandrahonana tahaka izany. Ity Lahatsary ity dia ahitana ny fivoriana teo amin'ny kianjan'ny fahaleovantena, noraisina avy tao amina fiara izay milaza ny tahotry ny olon-tsotra tia mampita vaovao na dia amin'ny fanangonam-baovao ny zava-mitranga fotsiny ihany aza.

http://www.youtube.com/watch?v=FKUfnLAOK1o

Lahatsary hafa indray mampiseho tanoralahy iray heverina ho maratra sady mitsirara amin'ny tany ary ahitana mpitazatazana mitsikera amin-tabataba ny polisy eny lavidavitra eny. Ny lohateniny moa “Herisetran'ny polisy, Sagrada Família, Luanda”.

Fihetsiketsehana taloha

Ity fihetsiketsehana manaraka ity dia nantsoina tamin'ny alalan'ny aterineto tamin'ny volana Marsa 2011 saingy nataon'ny mpikarama an'adin'ny antoko mitondra tsy tontosa, ary ny iray hafa tamin'ny volana Mey.

Ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Mey teo amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena dia voarakitra an-dahatsary, ahitana ny mpikabary mitsikera ny Filoha ho manao kolikoly sy manao ampihimamba ny loharanombolan'ny solika.

Nahavoriana olona mientanentana ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Mey, noraisin-tsary eto manatontosa ny dihin'ny “Miala ny MPLA” .

Noravan'ny polisy tamin-kerisetra moa ity hetsika ity satria efa nanemitra manodidina ny mpanao fihetsiketsehana ny polisy, nisambotra ny sasany ary nanaisotra ny hafa  hiala ny kianjan'ny fahaleovantena ary nandrahoana ny mpaka sary ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.