Panama: Rava ny Governemanta Iombonana

Somary nafanafana ihany ny fotoana nitondràn'ny Filoha Panameana, Ricardo Martinelli. Ny filoham-pirenena sady mpamorona ny antoko CD (Cambio Democrático, na Fanovàna Demokratika) dia tonga teo amin'ny fitondràna tamin'ny 60 isan-jaton'ny vato (tranga manan-tantara ho an'i Panama) tamin'ny fiaraha-miasa tamin'ireo antoko mpanohitra ary nahazo fanohanana lehibe avy tamin'ny antoko Panameñista ihany koa, fantatra amin'ny anarana hoe antoko Arnulfismo.

Ny “Fiombonana ho an'ny Fiovàna,” anarana nomena ny fikambanan'ireo antoko efatra, dia nikendry ny handresy amin'ny fifidianana amin'ny taona 2014 izay hanolorana ny filoha lefitra amin'izao fotoana, Juan Carlos Varela, hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena.Nefa noho izy zatra mikorontana sady miovaova hevitra dia nanova famindra indray i Ricardo Martinelli volana vitsivitsy lasa izay, ary nilaza fa hanolotra ny kandidàny manokana ny antokony (CD) ary raha tian'ny Arnulfismo hilatsaka hofidiana amin'ny anaran'ny Fiombonana i Juan Carlos Varela, tokony hisy ny fifidianana savaranonando eo amin'ny samy antoko. Avy eo dia niova hevitra indray ny filoha, ka niantso izany ho “light burn,” teny ampiasaina any Panama hitenenana ny fampirafesana eo amin'ny mpifankatia.

Samy nahita ny faharavan'ny Fiombonana ho an'ny Fiovàna avokoa ny olom-pirenena sy ny sehatra fanaovan-gazety, taorian'ny tranga maro nifanesy, izay tonga tamin'ny fara-tampony rehefa nisokatra ny fisoratana anarana tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ho an'ny antoko mpanohana ny fitondràna. Nanitrikitrika ny filoham-pirenena fa hanolotra ny kandidàny manokana ry zareo, araka ny nambarany tamin'ny alalan'ny kaontiny Twitter (@rmartinelli):

Cambio Democrático ira con candidato propio a presidente en el 2014. Si hubiera una alianza se escogeria en una primaria interpartidaria

Cambio Democrático dia hanolotra ny kandidàny manokana amin'ny 2014. Raha toa ka hisy ny fiombonana dia hofidiana eo amin'ny savaranonandon'ny samy antoko izany.

Juan Carlos Varela, avy amin'ny OEA-OAS ao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Nilaza ireo mpikambana ao amin'ny antoko Arnulfista fa hanolotra ny kandidàny manokana koa ry zareo kanefa nanapa-kevitra ny hitazona ny fiombonana ho an'ny fitondràna. Na izany aza, omaly hariva dia nangataka an'i Juan Carlos Varela ny filoha hitsahatra tsy ho Sekretera Jeneralin'ny Fifandraisana Iraisam-pirenena, toerana nisy azy hatramin'ny nahatongavany tao, 26 volana lasa izay. Nitatitra El Panamá América [es]:

El pedido a Varela es a título personal y no significa el rompimiento de la alianza de gobierno. El comunicado de la presidencia advierte que  “Varela descuidó su función de Canciller por tener 4 sombreros, canciller, vicepresidente, presidente de un partido y candidato”.

Fangatahana manokana natao tamin'i Varela ity ary tsy midika hoe rava ny governemanta iombonana. Mampitandrina ny tatitry ny filoha fa “tsy nahomby tamin'ny naha-Chancelier azy i Varela satria nisahana andraikitra efatra samihafa izy: Chancelier, filoha lefitra, filohan'ny antoko, ary kandidà.”

Tsy ela dia nipoitra ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter. Saika teo noho eo ihany dia niforona ny tenifototra #siyofueravarela [es] (raha izaho no Varela), izay nanambaràn'ireo Panameana ny hataony raha izy no sendra voaroaka amin'ny maha-chancelier azy. Manuel A. Perez, (@ManuaPerez) ohatra dia nanoratra:

#siyofueravarela dejaria que el loco me destituya pa que el pais veaa que esto es solo un capricho politico y no una alianza

#ifiwerevarela Havelako handroaka ahy ny vendrana dia ho hitan'ny firenena fa aingitraingitra politika fotsiny io fa tsy fiombonana izany.

Hermes Ramirez (@TotoPunx) koa dia nanoratra momba ny olana, ary manonona ny antoko mpanohitra voalohany PRD [Antoko Demokratika Revolisionera]:

#SiYoFueraVarela me uno al #PRD y demuestro que aun existe gente de palabra en Panama, y que los sucios no llegan a ningun lado #Martinelli

#Ifiwerevarela Hiditra ao amin'ny #PRD aho ary asehoko fa mbola misy ny olona mitàna ny teniny ao Panama ary tsy tonga lavitra ny olona manao kilalao maloto #Martinelli

Juan Carlos Varela (@Jc_Varela) tenany aza dia nandefa andianà hafatra tamin'ny Twitter. Voalohany dia nohazavainy fa tsy mbola nangataka manokana ny fialàny ny filoha :

En este momento el Presidente de la Repulica , no me ha solicitado personalmente la renuncia a mi cargo de Canciller.

Hatramin'izao aloha ny Filoham-pirenena tsy mbola nangataka ahy manokana ny hametra-pialàna amin'ny maha-Chancelier ahy.

Taorian'izay dia nanamarika izy tao anatina andiana tweets:

El tiene la facultad de destituirme como Canciller de la Republica.

Azony atao ny manala ahy amin'ny toerako maha-Chancelier an'ny Repoblika ahy.

Soy respetuoso de las opiniones de el Presidente, pero sera en su momento el pueblo el que juzgara mi actuacion como Canciller.

Hajaiko ny hevitry ny Filoha nefa anjaran'ny vahoaka ny mitsara ny asako amin'ny maha-Chancelier ahy rehefa tonga izay fotoana izay.

Taorian'izay izy dia nanao sarinteny momba ny resa-be mikasika fanomezana ampahan-tany, tamin'ny herinandro lasa, izay mety ho anton'ny fanalàna azy.

Debo reconocer serias diferencias con el Presidente la última semana por el manejo de el terreno de Paitilla.

Tsy maintsy ekeko fa fisiana tsy fitoviam-pijery goavana tamin'ny Filoha tamin'ny herinandro lasa noho ny fomba nitantanany ny tany tao Paitilla

Ny Panamaneana iray mpitoraka blaogy, Joao Q dia manoratra momba izany ao amin'ny blaoginy Medio Cerrado [es], izay nanondroany an'i Varela ho tompon'andraikitra amin'ny fanalàna azy, ary milaza fa tsy hain'i Varela ny fomba hanomezan-danja ny tenany, voalohany amin'ny maha-mpilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena azy, ary taty aoriana amin'ny maha-filoha lefitra azy.

El hecho de tener una alianza no significaba que Varela tenía que permitir tantos vilipendios. El solo hecho de que el Partido Panameñista fuera por primera vez en la “historia democrática” sin un candidato propio a las elecciones del 2009 ya era todo un escándalo y su alcahuetería, su silencio y su poca valentía (vuelvo y repito, por no decir otra cosa) lo han hecho merecedor al la destitución

Ny fananana fiombonana dia tsy midika fa afaka manala-baraka tena tahaka izao i Varela. Nahatalanjona na dia ny hoe fotoana voalohany hisian'ny Antoko Panameñista ao anatin'ny “tantara demokratika” tsy misy kandidà manokana ho an'ny fifidianana 2009 aza, ary ny fosafosany, ny fahanginany, sy ny tsy fananany herim-po (nolazaiko indray izany mba tsy hilazàna zavatra hafa) dia nitondra azy tany amin'ny fanesorana azy.

Nilaza i Varela nandritra ny famoriana mpanao gazety fa tapitra ny fiombonam-panjakàna ary nanome toky izy fa hitsahatra amin'ny toerany maha-filoha lefitra azy, nefa amin'ny maha-mpanohitra ankehitriny, izay miteraka sorisory eo amin'ireo  Panamaniana. Izany fanesorana izany dia niteraka fametraham-pialan'ireo sekreteram-panjakana sy sekretera lefitra avy amin'ny antoko Arnulfista, araka ny ampahafantarin'ny gazety La Prensa [es]:

“Creo que es claro: la alianza terminó”, dijo Varela a la prensa local a su salida de la sede del Ministerio de Relaciones Exteriores -entidad que dirigió por 26 meses-, donde estuvo acompañado de los ministros Alberto Vallarino, de Economía y Finanzas; y Carlos Duboy, de Vivienda y Ordenamiento Territorial, funcionarios que presentaron su renuncia al cargo tras conocer de la destitución de su copartidario.

“Mazava izany amiko: tapitra ny fiombonana,” hoy Varela nilaza tamin'ny haino aman-jery tany an-toerana raha niala ny biraon'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny-fikambanana notarihany nandritra ny 26 volana -raha izy narahan'i Alberto Vallarino, Sekreteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ary Carlos Duboy, Sekreteran'ny  Trano fonenana sy ny Fandrindrana ny Fananan-tany, mpiasa izay nametra-pialàna taorian'ny nandrenesan'izy ireo ny fialàn'ny lehiben'ny antoko misy azy.

Tsy nanao fanambarana tamin'ny haino aman-jery ny filoha (@rmartinelli) fa namoaka fehezanteny vitsivitsy tamin'ny Twitter:

Lo que nos toca a todos es seguir trabajando MAS por un mejor Panamá. Paso la página.

Ny tokony ataontsika dia ny miasa BEBE KOKOA hisian'ny Panama mendrika. Nivadika ny pejy

Ary taorian'izay izy namoaka:

Me he dado cuenta en estos dias que es cierto que la politica es el arte de hacer falsos amigos y verdaderos enemigos.

Tonga saina aho nandritra ireo andro farany teo fa marina ny hoe ny politika dia ny fahaizana mamorona sarintsarina namana sy fahavalo tena izy.

Azo antoka fa mbola miteraka fanehoan-kevitra sy hampitombo ny akony ny toe-draharaha ara-politika, taorian'ity faharavan'ny fiombonana ity.

Erasmo Prado Rosas, ao amin'ny blaoginy Retrato del ser [es], dia mahita vokany izay mety hampiseho ny fihetseham-pon'ny Panameana maro:

¡Gracias Sr. Presidente por dejarnos sumergidos en esta incertidumbre, en esta inestabilidad política, gubernamental y económica. Este país no es su hacienda privada, no es su supermercado, ni ninguna de sus cuentas millonarias. Recuerde siempre que este país no olvida y en algún momento usted pagará por todos estos malos ratos que nos hace pasar!

Misaotra anao Atoa Filoha mamela anay mifotetaka ato anaty fisalasalàna, ato anatin'ity fikorontanana ara-politika, ara-panjakana ary ara-toekarena ity. Tsy tranonao manokana ity firenena ity, tranom-barotrao, na iray amin'ireo kaontim-bolanao an-davitrisa maro. Tadidio fa ity firenena ity tsy mba manadino na oviana na oviana ary indray andro dia hivaly aminao ireo ratsy rehetra nataonao anay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.