Makedonia : Mbola Tsy Miraharaha Ny Fangatahan'ireo mpanao Fihetsiketsehana Ny Manampahefana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray  manokana mikasika ny Hetsi-panoherana ao Makedonia 2011.

Ny rantsana mpanao lalàna sy mpanantanteraka ao amin'ny governemantan'i Makedonia dia mbola manohy tsy miraharaha ny fangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny herisetran'ny mpitandro filaminana. Nandritra ny telo volana farany, nampiasa tetikady maro isan-karazany ireo mpanao fihetsiketsehana hisarihana ny sain'ny olona sy handravàna ny sakana napetraky ny antokon'ny mpitondra tamin'ireo haino aman-jery eo ambany fifehezany tsy hahazo mitatitra, eny fa na dia ny hiresaka mikasika ilay hetsi-panoherana fotsiny aza, toy izany koa ireo namana sy ireo mpikambana ao aminy.

Hatramin'ny tapaky ny volana Jolay,  mbola nanohy nivory teo anoloan'ny sarivongan'i Mére Teresa ireo mpanao fihetsiketsehana isan'andro amin'ny 6 ora hariva. Tsy toy ireo herinandro vitsivitsy voalohany tamin'ny fanombohan'ilay hetsi-panoherana, nandritra io fotoana io taty aoriana kely dia tsy isan'andro no nanaovana ilay Diabe.  Fa kosa, nanomana teo amin'izy samy izy ihany ary tamin'ny alalan'ny fampiasana lohahevitra samihafa ho fandraisana anjara ireo mpanao hetsi-panoherana

Fanerena ny Parlemanta

Ny sabotsy 25 Jona, ireo mpanao fihetsiketsehana dia nanao hetsika lehibe hanerena ny Parlemanta : nihodidina ilay tranoben'ny Antenimiera Makedoniana izy ireo, teo no nisy ny   fotoam-panokanana tamin'izany fotoana izany. Vnukot dia namatsy fanadihadiana feno momba io andro io, tao anatin'izany ny fampisehoana zavakanto nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana. Betsaka fanazavana fanampiny azo jerena amin'ny alalan'ny tahirin-tsary maro.

 

 

Ireo mpanao fihetsiketsehana dia nifamaly im-betsaka taminà politisiana maro, izay nanararaotra ny fotoana fisakafoanana hitsidihana ny biraon'ny antokon'ny mpitondra izay eo akaikin'ny Parlemanta. Ao anatin'izany ny fihorakorahana ny sasany tamin'ireo minisitra amperin'asa - isan'ireny ry Gordana Jankulovska Ministry ny Atitany , izay angatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fametraham-pialany amin'ny andraikitra fibaikona.

Nandritra io hetsika io, ny rantsana mpanao lalàna dia nametraka   fandraisana andraikitra sivily [mk] tao amin'ny Parlementa niaraka tamin'ny fangatahana hametrahana rafitra tsy miankina iray hanarahana maso ireo polisy. Tsy norarahian'ny Parlemanta ilay resaka, ary mbola tsy nanome valinteny izy hatreto. Ny Ministry ny Atitany dia mbola mijanona eo amin'ny toerany – mbola voatondro ihany izy mandra-pirafitr’ ilay governemanta vaovao.

Diabe, andro faha-30

Ny 7 Jolay,  ny alin'ny andro faha-30 hatramin'ny nahafatesan'i Martin Neshkovski, ireo mpanao fihetsiketsehana dia nidina an-dalambe indray tao amin'ny lalamben'i  Skopje. Araka izany, Vnukot dia nandrakotra io hetsika io:

Nifanohitra tamin'ireo herinandro maro lasa, tena vitsy ireo mpanao fihetsiketsehana, teo amin'ny olona 100 teo.  Ny ankamaroany dia mitazona sary avy amin'ireo hetsi-panoherana tamin'ny volana lasa, ka toa lasa fampirantiana mifindrafindra an-dalambe no natao.

Toy ny mahazatra dia nivory tao amin'ny trano fahatsiarovana an'i Mére Theresa ny vahoaka, avy eo nankany amin'ny Parlemanta, ary taorian'izay dia nanandrana ny hiditra tao amin'ny Ministeran'ny Atitany. Tsy nahomby ilay andrana,  satria ireo polisy nanao tohivakana dia efa nanakana teo amin'ny sakeli-dàlana ka tsy afaka nidirana.

Tao dia, niantso ny olona rehetra monina ao Makedonia mba haneho fanohanana ny hetsika ny rahalahin'i Martin. Avy eo dia notantarainy ny tantarany momba ny nahafatesan'ny rahalahiny, ary taorian'izay izy dia nangataka ny fampiharana sazy ho an'ireo olona tafiditra amin'izany.

 

30 andro nanaovana fihetsiketsehana tao Skopje, Masedonia avy ao Dejan Velkoski taoVimeo.

Fety Fivoahana

Ny 7 Jolay,  solontena maro avy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana no nanararaotra ilay fotoana hanelezana ny feo teo amin'ny sehatr'ireo mafana fo nandritra ilay  Fetibe fivoahana tao  Novi Sad (rohy amin'ny teny  Makedoniana , Serbiana ).

Ary koa, nandritra ny seho an-tsehatry ny tarika  Makedoniana Superhiks mpiangaly ska-punk sy reggae,  ireo mpikambana ao amin'ilay tarika dia nitafy akanjo ambony nisy sary famantarana ilay hetsi-panoherana ary nanazava momba azy ireo (sary ).

Lahatsary Fanambaràna

Ireo mpanao fihetsiketsehana dia nanao hetsika handraketana sy hizaràna ilay lahatsary, azo jerena ao amin'ny Mombamomba ny Ny rariny ho an'i Martin ao amin'ny YouTube. Nanatevin-daharana tao daholo ny olona maneran-tany, ao anatin'izany Gresy, Polandy, Slovakia, Nederlandy, Irlandy, Angletera, Aostralia, Etazonia , Kroasia, “New Zealand“, Kosovo, Okraina, Alemana , “Latvia“, Kenia, Rosia, Moldova, Bolgaria, Venezoela, Romania, “Georgia“, Italy, Indonezia, Serbia, Meksika, Afrika atsimo, Filipina , Syria, Frantsa.).  Ilay Makedoniana mpanao hatsikana fanta-daza, Sashko Kocev, dia nandray anjara tamin'ilay izy niaraka tamin'ny  sehony [mk] vao noforonina momba ny fitadiavana  fahafahana ao anaty dabam-pako, ary i  Boris Kaeski dia namoaka lahatsary mikasika ilay seho imasom-bahoaka nataony tao Vienna.

Seho an-dampihazo tao Antigone

Ny 18 Jona, ilay vondrona mpanakanto dia nanao seho imasom-bahoaka an'ilay tantara an-dampihazo [mk] Antigone nataon'i  Sophocles.  Ny resaka nasehon'ilay tantara fahiny dia mamoaka tsara ny hevitr'ilay hetsi-panoherana, satria maneho tantaranà tanora iray izay manohitra ny fitondrana mba ho fanomezam-boninahitra tanora iray maty.

Ny fahanginan'ny Haino aman-jery

Tao aorian'ny fikatonan'ny fahitalavitra  A1 ny 30 Jolay,  ny sisa tavela tamin'ny filazam-baovao ara-elektronika sy ny an-tsoratra dia nanaiky ilay fahirano momba ny fitaterana ireo hetsi-panoherana. Tany ampiandohan'ny volana Aogositra, Fokus weekly (gazety mpiseho isan-kerinandro), iray amin'ireo gazety vitsy sahy namoaka fanakianana momba ny zava-nitranga teo amin'ny lohateniny, namoaka tantara mikasika ilay hetsi-panoherana izay ahitana resaka iray manao hoe niantso tonian-dahatsoratra iray tao amin'ny MTV  ny mpanao gazetin'izy ireo ka  nanontany azy momba ilay fandraràna. Tsy nolaviny ilay izy, fa hoy izy hoe tsy amin'ny telefaonina no tokony hiresahany an'izany.

Ny Hetsiky ny Andro Nahaterahana

Ny  16 Aogositra , ny andro tokony ho  nahafeno 23 taona an'i Martin Neshkovski, ilay maty, ary ho famaliana ny antson'ny  fianakaviany, olona manodidina ny 200 -300 teo no tonga teo amin'ilay antsoina hoe “hetsiky ny andro nahaterahana.” Nanasongadina seho sy hetsika teo anoloan'ny parlemanta ilay hetsika,  ary nanisy mofomamy naha-be resaka, miendrika fatin'olona.  Nahatonga fanehoan-kevitra ratsy tao amin'ny  tambajotra sosialy ny fampiasàna an'io, avy amin'ireo olona nanohana ilay hetsika fa kosa tsy tia ilay endrika manafintohina izay adikan'izy ireo ho toy ny fihetsiky ny marary saina.

Hetsiky ny andro nahaterahana avy ao  Dejan Velkoski tao amin'ny Vimeo.

Etsy ankilan'izany ireo olona nandefa tahirin-tsary sy lahatsary [mk], Vnukot dia nanome fandrakofam-baovao an'io hetsika io ihany koa.

Nafanafàna ny rivotra iainana, ary tava maro no nirotsa-dranomaso. Rehefa tonga ilay mofomamy, teny kely monja no re momba ny tokony hinanan'ny olona ao amin'ny parlemanta io mofomamy io , mba ahafahany mahatsapa hoe ahoana ny ngidiny. Narehitra nanodididna ny latabatra nisy ilay mofomamy miendrika faty olona ny labozia, miaraka amin'ny harona plastika eo amin'ny lohany.

Aleksandar Neshkoski, rahalahin'i Martin, nanome fanambaràna ho an'ny filazam-baovao  : “Amin'ity andro ity, Martin dia tokony ho efa feno [23], nefa indrisy,  nandeha namonjy io fety mahafaty io izy, tany no nangalàna ny ainy tamin'ny fomba nahatsiravina ; notazonina ho tsiambaratelo fotoana ela ilay izy, mbola tamin'ny fomba mahatsiravina ihany… Androany, asaina daholo ny olona rehetra, avy amin'ny governemanta sy ny mpanohitra, sy Makedonia manontolo, mba ho tonga haneho fanohanana, haneho firaisankina mba hamahana ilay olana. Nefa, tsy nisy olona avy amin'ny governemanta na avy amin'ny mpanohitra, navela nanao izay tiany ny olona… Andriamanitra anie hanampy antsika rehetra.”

Avy eo, tapaka fa ilay mofomamy miendrika sarinà fatin'olona misy harona plastika eo amin'ny lohany dia hapetraka eo anoloan'ny tranoben'ny Parlemanta. Nirohotra teo anoloan'ilay sakana ny olona rehetra, teo akaikin'ilay mofomamy.  Nefa teo mihitsy ireo polisy no nihatrana teo an-dalana sy nanakana azy ireo tsy hiditra ny vavahadin'ilay andrim-panjakana.

Tao aorian'ny fifamaliana am-bava sy fifanosehana nandritra ny fotoana fohy, nanapa-kevitra ireo polisy fa ekena ny hametrahana ilay mofomamy teo amin'ny bozaka. Tamin'izay fotoana izay,  ireo olona nitondra ilay lovia dia nanararaotra ilay raharaha sy ny tsy fahampian'ny fahamailoana ka nihazakazaka nankeny amin'ilay toerana nokinendriny.

Tamin'ny faran'ilay hetsi-panoherana, ireo polisy dia tsy namela ireo mpaka sary an-gazety haka  akaiky loatra ny sarin'ilay mofomamy. Ka nanomboka nihiakiaka ireo olona hoe : “Fahalalahan'ny fanaovana gazety!”

Ireo olona nandray anjara tamin'ilay hetsika nandritra ny telo volana dia nangataka ny mba hitohizan'ilay hetsika . #protestiram (”Manohitra aho”) no  tenifototra Twitter izay mbola ampiasaina hatramin'izao iresahana sy anaovana fanambaràna.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray  manokana mikasika ny Hetsi-panoherana ao Makedonia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.