Malezia: Generation 709 miantso fihavaozana politika

Taorian'ny fihetsiketsehana Bersih tamin'ny 9 Jolay, vondrona tanora Maleziana ankehitriny no tonga hanohy ny fitakiana fifidinana malalaka sy marina, izay antsoin'izy ireo manokana hoe ‘Generation 709’ na ‘Taranaka 709’.

Ny Mpikarakara ny Taranaka 709, Lee Khai Loon, no nanoratra tao amin'ny Malaysia Today fa:

709 dia tsiaro iraisan'ny mponina avy amin'ny foko rehetra tafaray amin'ny fampiakarana ny tantaran'i Malezia. Ny Taranaka 709 dia sehatry ny tanora loana amin'ny resaka politika, zo politika (sivily) ary ny fahaiza-mitantana. Nirona ho amina tanjona iray izahay taorian'ny diabe manantantaran'ny 9 jolay: managana ny demokrasianay.

Mahaleo tena izahay, manana fomba fihevitra sy sehatra famakafakana. Tsy misy anatina fikambanana politika izahay, tsy manana loharanom-bola, saingy mirehidrehitry ny idealisma. Mihevitra izahay fa tsy milatsaka avy any an-danitra ny demokrasia, fa lalana manana dingana maromaro mila atao mivaingana. Amin'ny maha-andiam-piovana soslialy anay dia manana andrakitra sy adidy izahay ho lohalaharana.

Mino ny tanjaky ny tanora avy amin'ny foko rehetra tafaray izahay, izay hampahery kokoa ny tanora handray anjara amin'ny asa sosialy sy hiaro ny zony. Hitondra fomba fijery vaovao amin'ny rakyat [vahoaka] izany hitolona hiaraka ho amin'i Malezia demokratika.

Nosoratany ihany koa fa manana tanjona telo ry zareo:

(1) Fiarahana sy fanohanana ireo voafonja ara-politika rehetra noho ny fihaonana Bersih 2.0 sy amin'ny niharan'ny herisetran'ny polisy, ary tafiditra amin'izany ny famoahana avy hatrany ny mpitarika enina voatazona noho ny didy hitsivolana fahamaizana;

(2) Fandrisihana tanora bebe kokoa hiditra ao amin'ny fihavaozana demokratika, fahafahana politika [sivily] ary fahaiza-mitantana amin'ny alalan'ny fihaonambe milamina, valandresaka amin'ny mpanao gazety, forum ary asa ahitana zavabaovao;

(3) Manatratra tanora maromaro kokoa amin'ny fampahafantarana amin'ny alalan'ny fampiasana mavitrika ny valantserasera.

Geronimo, manoratra avy any Amerika mahatsapa fa misy ny fiovana.

Tsy hita nivondrona mihitsy ity Taranaka ity mandra-pisian'ny 709. Rahatrizay any aoriana any dia hijery todika ity Taranaka ity ary hiteny amin'ny zanany izay nanaovany azy.Izany no manome fanantenana, fahavononana sy tanjaka ho antsika.

Tsy mbola nahita an'i Malezia tahaka izao mihitsy izahay nandritra ny androm-piainanay. Ahoana ny natao mba handry mandrakizay ny avelon'ny 13 Mey 13 (1969) ? Mipetraka tao amin'ny hetsika Bersih 2.0 ny valiny. Tsy matahotra intsony ity Taranaka ity. Mitady ny ampitson'ny firaisana sy ny fahatanjahana ity Taranaka ity.

Bryan Khoo, izay nandray anjara tamin'ny hetsika dia mahatsapa izany ihany koa:

Tsy nanenenako mihitsy ny nandehanana tamin'ilay hetsika noho ny fandresen-dahatra tao amiko tao fa mbola toerana tsara ho ahy sy ny taranako i Malezia. Mino tanteraka aho fa firenena maha-te-ho-tia hatrany i Malezia ary manantena fa maro ny namana mbola afaka miaramijoro hanangana ampitso tsaratsara kokoa ho an'ny taranatsika manaraka.

Navitrika ny vondrona tao amin'ny valan-tserasera, miaraka amin'ny ezaka farany nataony izay lasa ‘Kempen Balik Bersih Kampung’ (Miverina an-tanàna niaviana hanadio ny tontolony), fandaharan'asa ambanivohitra handrisihana ny Maleziana any ambanivohiny hanely ny antso hisian'ny demokrasia sy ny rariny bebe kokoa ao amin'ny firenena. Ao anatin'izany ny fitakiana fa mila rafitra antoko-roa i Malezia, mila avaozina ny rafi-pitsarana ary tokony hisoratra anarana haingana ny tanora Maleziana afa-mifidy mba hanana ny ambarany amin'ny politika.

Ao amin'ny Facebook, efa nahazo mpankasitraka mihoatra ny 3000 ry zareo na dia mbola vao 300 ihany aza izany ao amin'ny Twitter.

Manaraka aoriana ihany koa amin'ny fananganana ny Taranaka 709 ny Maleziana monina any Amerika, ary miantso ny tenany ho ‘Generation 709 any Etazonia’.

Xandeloras ihany koa dia namoaka ny sary sy lahatsarin'ny hetsika Bersih.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.