Venezoela: Fikorontanan'ny Fidirana Amin'ny Blogger.com

Nandritra ny volana Aogositra, nitaraina ireo bilaogera Venezoeliana mikasika ny olana amin'ny fidirana ao amin'ny tolotry ny Blogger.com. Misy fàhan-kevitra iray nosokafana [es] ao amin'ny seha-pifanakalozan-dresaka ho fifanohanana ao amin'ny Google, ka araka ny voalazan'izy io, dia manome valiny samihafa ny  ‘traceroutes’ (fijerena ny làlan-kizoran'ny dianao any anaty aterineto) ataon'ny mpampiasa, ary ny iray  tena matetika miseho dia ny hoe “Destination host unreachable” (solosaina Tiana Hahatongavana Tsy Tratra Antso).
Araka ny ambaran'ireo mpampiasa azy, dia mitsitaitaika ny olana ary manakana azy ireo tsy hiditra amin'ny vakiraokany sy ny bilaoginy azy manokana. Sady koa, nolazain-dry zareo fa azo atao ihany ny miditra amin'ny Blogger, rehefa mitranga ilay olana, amin'ny fampiasàna DNS fanolo ao amin'ny Google.
Mitatitra ireo mpampiasa fa nitranga izany tany aloha, ary dia misy fàhan-kevitra hafa, hatramin'ny 2010 , mitatitra olana tsy misy vàlaka amin'io. Na izany aza, tsy naharitra ela toy izao velively ny olana, ary tsy nahasarika velively ny sain'ireo fampahalalam-baovao mahazatra. Andro vitsy tany aloha tany, ny iray tamin'ireo gazety Venezoeliana tena manana ny maha-izy azy, Últimas Noticias [es], no nitatitra hoe:

Según las denuncias, se está produciendo una limitación en los servidores DNS de Cantv en Venezuela que dificulta el acceso de usuarios y blogueros al famoso sitio Blogger.com perteneciente a Google, donde se crean los conocidos “blogspot”.

Araka ny tatitra, misy fanakantsakànana any amin'ny DNS-n'ny lohamilin'ny CANTV ao Venezoela, izay mibàhana koa ny fahafahan'ny mpampiasa miditra any amin'ilay vohikala malàza Blogger.com an'ny Google, izay toerana famoronan'ny olona ny “blogspot” [bilaogy] fanta-daza.

Ao amin'ny Twitter, milaza ny ahiahiny ireo mpampiasa:

@euglidesgarcia: En VENEZUELA hay problemas para acceder a las paginas de Blogger… Y no hay quien de respuesta o posibles razones de esta situación…!!!

@euglidesgarcia: Ao Venezoela dia misy fikorontànana ny fidirana amin'ireo pejin'ny Blogger. Ary na iray aza dia tsy misy mba manome valinteny, na ny mety ho antony mahatonga io toe-draharaha io…!!!

@concienciavial: @googledevlatam saludos.Desd Venezuela pregunto: ¿por q tantos problemas para cargar blogger desd cualquier navegador?es aquí o son ustedes?

@concienciavial: @googledevlatam Arahaba, avy aty Venezoela aho no manontany: nahoana no olana ny fanokafana ny Blogger avy amin'ny ‘explorateur’ rehetra? eto ve io sa ianao io?

Manamafy ny olona fa, na dia efa notaterina im-betsaka tany amin'ny CANTV aza ilay olana ( CANTV ilay ISP Venezoeliana mpanome tolotra aterineto izay an'ny fanjakàna), tsy misy mihitsy valinteny mba nomen'ilay orinasa, sady tsy mba novahany ny olana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.