Iran : Hetsi-Panoherana Miha mafana Ho Fanavotana ny Farihin'i Urmia

Niverina nameno ny lalam-ben'i Tabriz sy Urmit ao amin'ny faritanin'i Azerbaijan ao Iran indray ireo mpanao hetsi-panoherana an'arivony ny Sabotsy 27/ Aogositra 2011 teo hangataka ny governemanta Iraniana mba hiaro ny Renirano urmia izay efa miha-ritra, iray amin'ireo ony masira lehibe indrindra eto an-tany.

Avy amin'ny renirano  miha-ritra mankany amin'ny fanavotana  ny firenena

Sarin'ilay ony Urmia avy amin'ny zanabolana ny taona 1984 avy amin'ny NASA (PD via Wikimedia Commons)

Nanapa-kevitra malaky ny manampahefana Iraniana ny hamoritra ireo mpanao fihetsiketsehana. Voasivana ilay vaovao tany amin'ireo fampahalalam-baovao tao Iran,  saingy maro kosa ireo lahatsary nakarina tao amin'ny  YouTube ary nofenoin'ireo bilaogera ny lahatsorany ny tontolon'ny cyber.

Ilay bilaogera  Urmuiscierli dia nanoratra [fa] fa nisy fifandonana teny an-dalambe teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny miaramila, ity farany izay namono sy nisambotra ireo mpanao fihetsiketsehana, ary namatotra zay ireo teo aminà hazo mihitsy aza.  Nisy bilaogera maro nanao antso avo ho ireo  Iraniana mba hanohana ireo mafana fo Azeri ary namoaka ny hetsika ho fanoherana ny fitondrana manerana ny firenena.

Ny fananganana barazy tamin'ny ampahany amin'ilay ony, izay narahanà haintany vao tsy ela izay dia nampihena be ny habetsahan-drao azon'ny farihy Urmia isan-taona. Io dia nampitombo ny fatran'ny sira, nandroaka vorona maro ary loza mananontanona ho an'ny “ecosystem” (fifandanjam-piainan'ny zava-manan'aina).  Raha ritra ilay renirano, Mponina an-tapitrisany ao amin'io faritra io no voatery hifindra monina mba hivelomana.

Mpanao fihetsiketsehana ao Urmia

Ao Urmia, hoy ny olona hoe miha-ritra ilay renirano ary tompon'andraikitra ny fitondrana.

Azarakan dia nanoratra [fa] fa ny nanombohan'ilay raharaha dia tao Azerbaijan, ary noho izany mila manohana ny adin'izy ireo  isika sady manao izay ho vitantsika mba hanakanana ny herim-pamoretan'ny  fitondrana amin'ny vahoaka Azeri. Hoy izy hoe,  zavatra tsy matetika hita izao ka tokony handroso hatrany isika mandra-paha azontsika ny fahafahana.

1freecountry(Firenena afaka ) dia manoratra [fa] fa ny reniranon'i Urmia dia tsy manavaka ny  Tehran sy  Tabriz, mila mifandamina isika  ato ho ato, na aiza na aiza.

Mosbate1000 nilaza [fa] fa :

Ireo mpiambina ny Revolisiona no tompon'andraikitra amin'ny fananganana tohodrano tahaka itony mba hakany tombontsoa be. Tokony ho mailo amin”ny fisian'ny miaramila anaty hàbaka tsy hita maso an'ny Mpiambina ny Revolisiona isika. Amin'ny fotoana tahaka ireny , mampakatra lahatsoratra izy ireo ary mizara rohy hanaovana izay hampizarazara an'ireo Iraniana.

Doughodushab nanao antso avo [fa] ho an'ireo Iraniana mba hiaro ny farihy Urmia sy i Azerbaijan. Manoratra ny bilaogera fa voafitaky ny fitondrana Silamo isika rehetra ka tokony hiaro ny lova voajanahary sy ara-kolotsain'ny firenentsika.

Andarbab nanome tolo-kevitra [fa] hoe ity Talata ity ny vahoaka ao Tehran sy ireo tanàna hafa dia hanao hetsi-panoherana ary haneho hevitra  ho fanohanana  an'i Azerbaijan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.