Rosia : Sigara Natao Ho An'ny Vehivavy Tanora Nahatonga Fifandirana

Dokambarotra iray vao tsy ela izay sy fonosana navaozin'ilay orinasa mpanao sigara isan'ny matanjaka ao Rosia no nahasosotra ny bilaogera Rosiana ka nahatonga adihevitra teo amin'ny andraikitra ara-barotra sy ny dokambarotra.

Donsky Tabak, iray amin'ireo tena mpamokatra sigara ao Rosia, dia nanavao ny fonon'ny sigarany roa malefaka natao  ho an'ny”vehivavy”‘ ary nanao dokambarotra tsara pasoka sy tanora kokoa:

Redesign of "Sweet Dreams" cigarettes, Illustration from Dontabak.ru

Fanavaozana ilay sigara "sweet Dreams" , sary avy amin'i Dontabak.ru

Sigara mikendry ny tanora?

Ny famoaham-baovao hita tao amin'ny tranonkalan'ilay orinasa [ru] ho an'ilay sigara “vaovao” Nofy Mamy, na  Sweet Dreams dia mivaky hoe:

Маркетинговая и дизайнерская концепция марки заключены в идее путешествий, о которых мечтают все молодые девушки. SWEET DREAMS – это сладкие мечты о прекрасных городах, где можно отдыхать, развлекаться и совершать покупки.

Ny fototra ara-barotra sy ny fanomezana endrika dia ny hevitra fitetezana izao tontolo izao,  izay nofinofin'ny tovovavy rehetra.  SWEET DREAMS (NOFY MAMY)– dia nofy mamy mikasika tanàna mahafinaritra maro, hahafahanao maka aina, manala azy, ary miantsena mitety mpivarotra.

Tanatinà lahatsoratra iray momba ny dokambarotr'ilay sigara, Adme [ru], tranonkala Rosiana mpanadihady sy mpanakiana dokambarotra, dia nanontany hoe [ru]:

Кто из маленьких глупеньких девочек не мечтает о жизни, изображенной на пачках этих сигарет? Шмотки, тачки, путешествия. Почувствовать себя хотя бы микроскопической частью этого мира можно незадорого — нужно всего лишь достать из сумки яркую пачку всего за 20 рублей и изящно расположить ее рядом с собой. Сигареты эти к тому же ароматизированы, а фильтр у них сладкий.

Inona no tsy nofisin'ireo tovovavy tanora, adaladala amin'ireo fiainana asehon'ny fonosan'ilay sigara? fiantsenana, fiara, fitetezana ny tontolo. Na dia ny fahatsiarovan-tena ho  bitika eto amin'ity tany ity aza  tsy lafo akory – ny zavatra ataonao fotsiny dia ny mandray 20-ruble iray manjelatra (na 0.7 dolara Amerikana) avy ao amin'ny poketranao ary apetraho soa amantsara eo akaikinao.  Ary fanampin'izany, misy hanitra  ilay sigara ary malefaka ny ‘filtre’ fifohana azy.

Tohin'ilay lahatsoratr'i Adme, Alexey Navalny, bilaogera Rosiana izay fanta-daza dia nampakatra lahatsoratra iray [ru]  naneho ilay dokambarotra vaovao sy ny fanamboarana ilay fonon-tsigara taloha sy taorian'ny fahavitany.  Navalny sy ireo mpaneho hevitra ihany koa dia nanakiana mafy ilay mpitarika ny Donsky Tabak, Ivan Saviddi, mpandraharaha iray -lasa solombavam-bahoaka avy amin'ny antoko politika United Russia,(na Rosia Mitambatra),  nanao dokambarotra  momba ilay sigara ho an'ny tanora sy ny vehivavy.

Miaraka amin'izany, ny vohikalam-baovao Rosiana Vesti dia nitatitra [ru]  fa ny Minisitry ny fahasalamana dia eo am-pamolavolana “lalàna henjana  mifehy ny fifohana sigara amin'izao,” mandrahona ny tsy hahazoana mifoka sigara intsony any anaty “fiarandalamby, ny seranam-piaramanidina ary ny fiaramanidina goavana fitaterana olona ”, ary koa fampakàrana ny hetra amin'ny sigara , fampakàrana ny vidiny ho  200 rubles (6.9 dolara Amerikana ) isaky ny fonosana.

Ny lahatsoratr'i Navalny dia niteraka onjam-pamerenana mandefa ny lahatsoratra sy fanamarihana maro, na izany fanamelohana ilay dokambarotra, na fanontaniana raha tena mandika lalàna marina tokoa ny fanavaozana ny fonosan'ilay sigara.

Mpaneho hevitra iray no  nampakatra lahatsoratra 16 momba ny lalàna ” mikasika ny dokambarotra” navoaka teo aloha[ru] (izay navoaka taty aoriana), izay milazalaza ny hoe ahoana ny vokatra sasany, toy ny  alikaola sy sigara, no nomena alalana hanao dokambarotra:

обращаться непосредственно к несовершеннолетним, а также использовать образы физических лиц в возрасте до 35 лет, высказывания или участие лиц, пользующихся популярностью у несовершеннолетних и лиц в возрасте до 21 года

[Mifanohitra amin'ny lalàna ny ] mivarotra mivantana amin'ny zaza tsy ampy taona , ary koa ny mampiasa sarin'olona latsaky ny 35 taona, na ny fanambaràna na ny fandraisana anjaran'ny olona fanta-bahoaka amin'ny ankizy sy ireo latsaky ny 21 taona.

Raha  nanamafy i ddkf [ru] fa tsy ilay dokambarotra ihany , fa koa ilay fonosana no mipaka any amin'ny tanora sy ny tanora tovovavy.

Так что если даже донской табак не будет крутить рекламу об этих сигаретах, все равно их яркая привлекательная молодежная упаковка сделает свое губительное дело, и никакой закон это не предотвратит!

Na dia tsy telin'i Donskoy Tabak aza ny dokambarotra momba ireny sigara ireny,  ny fonosana mamirapiratra, manintona ny tanora ery dia  manaitra foana , ary tsy misy lalàna mandràra izany.

Ao aminà lahatsoratra iray mitovy amin'izay ao amin'ny Gazeta.ru, fotofermer [ru] dia namaly hoe :

Чего все взъелись? Нормальный коммерческий подход. Хорошее графическое оформление и грамотная маркетинговая схема.

Inona no tena olana ?  Fomba fandafosana tsotra izany. Seho ivelany mahasarika ary fomba fivarotra fetsifetsy.

Mpitondra fanamarihana iray hafa no niaiky izany [ru] hoe tsy misy olana ny amin'ilay dokambarotra ary nilaza fa hoe ao ambadikin'ny fikiakiaky ny bilaogera ny mpanao politika:

на рекламе вроде взрослая девушка и на пачках написано, что продажа до 18+ запрещена, на пойму из-за чего истерика, из-за того, что владелец Донского табака единорос?

Eo amin'ilay dokambarotra dia toa efa lehibe ilay vehivavy ary misy soratra eo amin'ilay fonosana hoe tsy azo amidy amin'ny latsaky ny 18 taona, tsy haiko hoe avy aiza no nipoiran'ireny zavatra mampihomehy ireny, avy amin'ny hoe maha-mpikambana an'i Donskoy Tabak ao amin'ny United Russia(na Rosia Mitambatra)?
Ao amin'ny vohikala sy ny sehatra fifampiresahana Smoking Girl.ru an'ny ‘ SweetDreams’ na ‘NofyMamy’ dia naneho ny heviny mikasika an'i Donskoy Tabak ireo vehivavy mpifoka, mankasitraka amin'ny ankapobeny.

Sefatli nanoratra [ru] hoe:

Пачки очень крутые – белые с изображением девушек и архитектурными образами городов. Кто-ни будь виде, пробовал такие?

Tena mahafinaritra be ilay fonosany  – fotsy miaraka aminà sarinà vehivavy sy foto-drafitrasa eto amin'ny tanàna. Efa nisy nanandrana  azy ireny ve ?
"If it’s not allowed, but you really want it, then you can." Source: Adme.ru

"Raha voarara izany, nefa tena te-hahazo izany ianao, dia afaka ataonao izany." loharano : Adme.ru

Araka ny hita, mitatitra ny AdMe, fa ny taona  2008, Donskoy Tabak dia  tojo olana ara-tibonaly fony izy ireo nanao izay hamoahana dokambarotra iray ahitana vehivavy manao volo sara-droa (rambon-kisoa) mihinana glasy, miaraka amin'ny lohahevitra hoe : “Raha voarara izany, nefa tena te-hahazo izany ianao, dia afaka ataonao izany. “

Navoaka ihany ilay dokambarotra,  hoy i AdMe, ary Donsky Tabak dia tsy maintsy nandoa lamandy  100,000 roubles.

Ilay mpitondra fanamarihana, mikesite [ru] dia nanao fandinihana hoe :

Так написано же: “Если нельзя, но очень хочется, то можно” это же ведь не только рекламный слоган сигарет, это принцип, по которому живут все дохерархи нашей страны

Ary dia voasoratra ao mihitsy hoe : “raha voarara izany, nefa tena te-hahazo izany ianao, dia afaka ataonao izany” izay tsy dokanà sigara monja ihany, izany no foto-kevitra, izay ny doherachs velona ho antsika rehetra [fifangaroan'ny teny hoe “oligarch” sy ny  “do hera” (“a lot” – ru) manondro ireo ‘Pata be’ Rosiana ].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.