Shily : #paronacional (Fitokonana Faobe) vs. #yonoparo (Izaho Tsy Mitokona)

Ny Workers’ United Center (CUT)  dia niantso fitokonana faobe ny 24 sy 25 Aogositra 2011, ho karazana fanoherana ny tsy fitoviana ara-sosialy sy ara-toekarena ao Shily, miaraka amin'ity lisitra fanangonan-tsonia manaraka ity[es] :

1. Ho fanavaozana ny hetra. Takianay ny handoavan'ny orinasa sy ny manankarena hetra ambony.
2. Fanovàna ny rafitry ny fisotroan-dronono. Takianay ny hananan'ny Fanjakana andraikitra lehibe amin'ny rafitry ny fisotroan-dronono ary ny handraisan'ireo orinasa anjara amin'ny tahirim-bola ho an'ny mpiasany.
3. Fanatsarana ny fitandroana ny fahasalamana ho an'ny Shiliana rehetra. Takianay ny hanovàna ny fomba fiantohana ny fahasalamana misy amin'izao fotoana.
4. Fitsipi-pampianarana vaovao. Tohananay ny fitakian'ny mpianatra : fampiatoana ny tombotsoa manokana amin'ny fampianarana ary fiantohana ny fahafahana miditra amin'izany ho an'ny tsirairay.
5. Lalàna Vaovao Mifehy ny Asa. Takianay ny lalàna vaovao mba miantsoka ny fahalalahana sendikaly, ny zo hitokona, miaraka amin'ny fanavaozana  hafa.

Ny mpitarika fahiny ny mpianatra, politisiana sosialista sady bilaogera, Daniel Manoucheri (@dmanoucheri) no mamintina hoe :

Lo q la gente hoy clama no son meras reformas legales. Es más profundo. Hay un sentimiento nacional contra el modelo impuesto en dictadura

Ny antsoantsoin'ny olona androany dia tsy hoe fiovàna araka ny lalàna fotsiny. Miditra lalina noho izany. Misy ny fahatsapan'ny firenena manohitra ny lasitra nampetraka an-terisetra nandritra ny fotoan'ny jadona.

Hatramin'izao, mbola tsy azo antoka hoe nahomby na tsia ny fitakiana,  saingy fara-fahakeliny ny fanehoan-kevitr'ireo mpampiasa ny Twitter mpomba sy tsy mpankasitraka ity karazana hetsi-panoherana ity dia niely be ka nahatonga ny tenifototra #paronacional (fitokonana faobe) sy #yonoparo (Izaho tsy mitokona) ho lohahevitra malaza ao amin'ny firenena.

Ireo izay mankatoa dia miteny symampiasa ny tenifototra #paronacional (fitokonana faobe).

Sary an'ny mpampiasa Flickr alpuerto araka ny Creative Commons License (CC BY-NC 2.0)

Ilay mpilalao sarimihetsika Ana María Gazmuri (@AnaMariaGazmuri) dia manambarana tamim-pihetanam-po :

Paro Nacional en paz!!! Con la fuerza de la razón,las manos limpias y a cara descubierta caminemos hacia un Chile para todos !!!

Fitokonana Faobe ampilaminana!!! Amin'ny Antony Mafonja, tànana madio ary endrika tsy miafina, andao hiara-mamindra ho an'i Shily tsara kokoa ho an'ny rehetra!!!.

Mankahery ireo mpanaraka azy i Maximiliano Villar (@maxialejandro) :

Apoyemos el #paronacional… En tarde #cacerolazo

Andao hanohana ny #paronacional (fitokonana faobe)…Ary aveo ny #cacerolazo (vely vilany)

Ilay mpianatra, Carolina Valenzuela (@CaroValenzuelaR), dia mitsikera :

Manifestaciones en varios puntos de la capital, gran parte de mi país movilizandose <3! #PARONACIONAL. Es hora de alzar la voz!!

Hetsi-panoherana amin'ny faritra samihafa ao an-drenivohitra, ampahany lehibe amin'ny fireneko no mihetsika<3! #PARONACIONAL (Fitokonana Faobe). Fotoana izao hanandratana ny feontsika!!

Mampitandrina i Pero Pato Inostroza (@chkpato) :

la concentracion de poderes se ve tb en las pegas: si no para la mineria y el transporte, el #paronacional no sirve para nada.

hita hatrany amin'ny toeram-piasàna ihany koa ny fampivangongoana ny fahefana; raha tsy miditra amin'ilay fitokonana faobe ny ministeran'ny harena ankibon'ny tany sy ny fitaterana, dia tsy misy ilàna azy  ny  #paronacional (fitokonana faobe).

Mandritra ‘izany, ireo izay manohitra ny fitokonana dia nampiasa ny tenifototra #yonoparo (Izaho tsy mitokona):

Ny kaonty Twitter an'i ‘Derecha Tuitera’ (Tweeting Right) [es] (@DerechaTuitera) dia mankasitraka ireo mpanaraka azy :

BUENOS DIAS A TODOS LOS CHILENOS Q ESTAN TRABAJANDO!!! Chile se construye NO se destruye!! #YONOPARO

MIARAHABA NY SHILIANA REHETRA AMPERIN'ASA!!! Voaorina i Shily  fa TSY potika!! #YONOPARO (Izaho tsy mitokona).

Manamarika i Jacinto Gorosabel (@JGorosabel) :

Esto no es un paro, es un boicot contra la gente de trabajo, por eso #yonoparo

Tsy fitokonana io, fanaovana an-kivy ireo olona miasa io, izany no anton'ny #yonoparo (Izaho tsy mitokona)

Manazava i Pablo Witto (@theDagger_) :

Aunque no voté por Piñera, estoy a favor de respetar a un gobierno elegido democráticamente. Respeto al país. #YONOPARO

Na idia tsy nifidy an'i Piñera aza aho, ankatoaviko ny governemanta lany tamin'ny fomba demokratika. Hajaiko ny fireneko.#YONOPARO (Izaho tsy mitokona)

Ary koa, manazava ilay mpandraharaha Rodrigo Reyes G. (@pajaritus) :

#yonoparo pq la mejor forma de argumentar un cambio es proponiendo ideas e innovando en tu trabajo….

#yonoparo (Izaho tsy mitokona) satria ny fomba tsara handresen-dahatra amin'ny fanovàna dia ny fanolorana hevitra ary manatsara ny asanao…

Na dia mbola misy bitsika maro alefan'ny andaniny roa mpakasitraka sy mpanohitra, manambatra miaraka aminà fampihomehezana ireo zava-drehetra momba ilay fitokonana, ny fisamborana sy ireo fifanolanana, ilay mpampianatra sady mpampiasa Twitter Inútilsubversivo (@inutilsubersivo)

Unos estamos en paro, otros fueron a trabajar pero han estado puro twiteando, OSEA ESTAMOS TODOS EN #PARONACIONAL

Ny sasany mitokona, ny hafa nandeha niasa fa nibitsika fotsiny, NEFA  IZAHAY REHETRA DIA MIRAY AMIN'NY #PARONACIONAL (Fitokonana Faobe)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.