Georgia: Nampiasain'ireo Mpilatsaka Ho Fidiana Ho Filoham-pirenena Ny Haino Aman-jerim-bahoaka Any Amin'ny Faritra Misintaka

Mpilatsaka ho fidiana telo no nifaninana ho filoham-pirenena tamin'ity herinandro ity tany Abkhazia, faritra iray misaraka amin'i Georgia izay Rosia, Nicaragua, Venezuela, Nauru, ary Vanuatu ihany no nankatoa azy. Ny Komisiona Foibe Misahana ny Fifidianana dia nanombatombana ny taham-pahavitrihana ho 70 isan-jato ho an'ny latsabaton'ny faha 26 Aogositra.

Avadkhara in the Abkhazia region of Georgia. Image by Flickr user mikesub (CC BY-NC-ND 2.0).
Avadkhara ao amin'ny faritra Abkhazia any Georgia. Sary an'ilay mpampiasa Flickr, mikesub (CC BY-NC-ND 2.0).

Na dia eo aza ny maha zokiny indrindra ny mpilatsaka ho fidiana, Sergei Shamba, teraka tamin'ny taona 1951, dia nitady ny fanampian'ireo haino aman-jerim-bahoaka izy mba hahazoany misarika ny fanohanan'ireo mpifidy amin'ny alalan'ny aterineto. Nandefa ny bitsika voalohany tamin'ny teny Rosiana ny 2 Aogositra i Shamba:

Моя цель – Абхазия в числе экономических лидеров Причерноморья.

Ny tanjoko – Mba ho isan'ny iray amin'ireo lohany ara-toe-karena ao amin'ny Manodidina ny Rnomasina Mainty i Abkhazia.

Manana pejy Facebook mihitsy moa aza i Sergei Shamba, saingy noho ny fahafahana miditra aterneto maivana dia maivana dia miisa 65 monja hatramin'izao no “mpankafy”. Izay tena mahaliana, amin'ny fotoana izay hanoratana, dia i Dmitry Rogozin irery no arahan'i Shamba, izay Ambasadaoron'i Rosia any amin'ny OTAN, ao amin'ny Twitter ary manana mpanara-dia miisa 31.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.