Espana: Famoretana An-kerisetra Nataon'ny Polisy Tamin'ny Mpanao Gazety Nitatitra ny “Diabe Laika”

Ny valin-kafatra mahery setran'ny polisy [es] tamin'ireo hetsi-panoherana tao Madrid, Espana, izay nanomboka tany amin'ny fiandohan'ny volana tany, ary tonga tanatin'ny heriny niaraka tamin'ny  fitànana ilay mpanao gazety, Gorka Ramos [es] (efa navotsotra [es]), no nitondra taminà haza lambo tsy nifandanja nahazo ireo mpanao gazety sy mpanao tatitra [es] nandrakotra ilay hetsika. Tapaka lamboridy ny famoretana nandritra ny Diabe Laika [es] tamin'ny 17 Aogositra, nentanin'ilay fitsidihana vao haingana teo nataon'ny Papa [es] tao Espana. Saingy, inona moa ny  “Diaben'ny Laika”?  i Francisco Blanco Prieto no manazava [es] ao amin'ny bilaoginy:

No es una manifestación anti-Dios, ni anti-Papa, ni anti-Rouco, ni anti-religión, ni anti-cristiana. Es una marcha en defensa de la Constitución que consagra un Estado laico, liberado de subvenciones, injerencias, servidumbres, condenas y bendiciones de toda doctrina, sea ésta cual fuere.

Tsy fihetsiketsehana fanoherana an'Andriamanitra, na fanoherana ny Papa, na i Rouco [Arsevekan'i Madrid], na ny fivavahana, na ny Kristiana io akory. Diabe ho fiarovana ny Lalampanorenana izay mametraka fitondrana Laika, tsy misy fitsabatsabahana, na fanelingelenana, na fanompoana, na fanamelohana na tso-drano avy aminà foto-pinoana izatsy sy izaroa, na toy inona na toy inona izy ireny.

Kanefa, io hetsika io dia nampangaina [es] ho “tsy fandeferana” sy fihetsika fandranitana [es].  Noho ireo tranga fahiny tany aloha, somary azo an-tsaina ihany ny hitranganà karazam-pifanoherana toy izany eo amin'ireo mpomba ilay Diabe Laika sy ireo mpikambana ao amin'ny Andro Manerantany ho an'ny Tanora 2011 izay nanao diabe ihany koa nanodidina ny faritry ny Kianja Puerta del Sol ao Madrid taminà fotoana mitovy. Ilay hetsika dia niafàra tamin'ny fidirana an-tsehatra mahery vaika nataon'ny polisy [es] nifanandrina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana efa ho 4000 hatramin'ny 8000. Na izany aza, zavatra tsy nampoizina ny hetsika nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao gazety voatendry handrakotra ilay zava-nitranga.
Pau Llop avy amin'ny Bottup [es], vohikala iray ho an'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra ao Espana, dia niteny mikasika ny tetikady mahery setra nataon'ny polisy hampanginana ireo mpanao gazety sy ireo nanatri-maso ny famoretana nataon'izy ireo tamin'ny olon-tsotra, ao anatin'ny lahatsoratra iray nampitondraina ny lohateny hoe: “Ahora te vamos a pegar sin que te vean, ‘periolisto'” (“Darohanay ialahy isany androany rehefa tsy misy mahita, ialahy isany mpanao gazety be atidoha ireo”) [es]:

Te duele, ¿eh?, ahora sí que te vas a enterar…” Me hacen mucho daño. Me estampan la cabeza contra la puerta de la furgona, con las manos atrás.

Ya os decía yo que iba a ganar la porra

Si te decimos que te pongas a la pata coja, te pones, entendido

Tanto el titular de este artículo como las frases que lo empiezan son palabras recogidas por dos de los periodistas agredidos ayer por agentes de la Unidad de Intervención Policial (antidisturbios) en el centro de Madrid, a escasos metros de la Puerta del Sol y en el recorrido de la manifestación laica -legal y autorizada por la Delegación del Gobierno- contra los gastos de dinero público ocasionados por la visita hoy del Papa de Roma a la capital española para presidir la Jornada Mundial de la Juventud.

Maharary an, sa tsy izany? Ankehitriny ho fantatrao tsara ny haratsiny…” Tena nanao izay hampangirifiry mafy ahy ry zareo. Nadonan-dry zareo tamin'ny varavaran'ny fiara ny lohako, ny tànako amin'izany voatàna any an-damosiko.

Efa niteny taminao aho fa tsy maintsy hahazo kibay

“Rehefa miteny aminao aho hoe mitsambikina, dia mitsmbikina, azo?

Ny lohatenin'ity lahatsoratra ity, hatramin'ny fifanakalozan-dresaka nentiny, dia teny nambaran'ireo mpanao gazety roa niharan'ny herisetran'ireo olona avy amin'ny Tarika Polisy Mpanao Be Midina (mpandrava korontana) tao afovoan'i Madrid, metatra vitsy monja miala ny Puerta del Sol, mandeha amin'ny làlan'ilay Diabe Laika — ara-dalàna ary nahazo alàlana avy amin'ny Delegasionan'ny Governemanta — manohitra ny fandaniana volam-bahoaka ateraky ny fitsidihan'ny Papa avy any Roma mba hitarika ny Andro Manerantany ho an'ny Tanora 2011.

Ao anatin'ity lahatsary tamin'ny 4 Aogositra ity, azon'ny mpijery atao ny mahita sahady ny karazana fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana, ka anisan'ireny ny mpanao gazety:

Mivezivezy any anaty aterineto any ihany koa ny fitantarana avy amin'ireo mpanao gazety sasany voatazona na voadaroka, toy ny an'i Jonás Candalija [es] taorian'ny namotsoran'ny polisy azy, ary ny an'i Lidia Ucher [es], vehivavy iray mpanao gazety izay hita nodarohan'ny polisy ihany koa. Ity lahatsary ity avy amin'ilay mpampiasa Youtube, , [es] dia maneho ny fotoana nitondran'ny polisy ny mpitati-baovao iray:

Ity lahatsary iray ity, avy amin'ny mpampiasa Youtube, [es]  dia mampiseho polisy manao fisafoana ny araben'i Madrid mikaroka ireo mpanao fihetsiketsehana, sy ny fomba mahery setra ataon-dry zareo amin'ireo izay nandray anjara tamin'ilay fihetsiketsehana, hatramin'ireo nitatitra ny zava-nitranga mihitsy koa aza:

Ao anatin'ny famoahan'ny  Periodismo Humano (Fanaovan-gazety Amin'ny Maha-olona), misy fanamarihana [es] iray azo jerena mikasika ilay lahatsary teo aloha, miaraka aminà fanazavàna avy amin'ilay mpanao gazety voadaroka taorian'ny nakàny sary ilay herisetra nataon'ny polisy taminà tovovavy iray nizotra teny an'arabe. Vokatr'ireo zava-nitranga ireo dia efa nisy sahady ny sasany mangataka  mba hatao hita mazava tsara ny mari-pamantarana (TIP) ny polisy sy ireo olona mpandrava korontana [es].   Ny rohy teo aloha dia miaty fanangonan-tsonia ho an'i  Antonio Camacho, Minisitry ny Atitany ao amin'ny governemanta Espaniola.

Ilay mpampiasa Youtube, [es], dia nampakatra lahatsary samihafa, isan'ireny ny iray izay mampiseho fifamaliana am-bava teo amin'ny mpandray anjara tamin'ny Diabe Laika sy ny mpikambana avy amin'ny tanora Katolika, ary iray hafa maneho ny famoretana nataon'ny polisy taorian'izay [es] :

Tamin'ny volana Aogositra fotsiny dia efa enina sahady ny mpanao gazety nitoroka herisetra nataon'ny polisy [es], nefa lazaina fa ny governemanta dia miantoka ny fanatanterahan'ireo olony ny asany ‘amim-pahamalinana sy amim-pahamatorana”, toa tsy mbola ho ato ho ato no hihatsaran'ny toe-draharaha.

Pau Llop avy ao amin'ny Bottup dia nandray anjara tamin'ny fanomezana rohy ho an'ity lahatsoratra ity.
Ny sary nampiasaina ho sary kely famantarana dia avy amin'ilay mpampiasa Flickr, pollobarba, ary ampiasaina eo ambany fiarovana Atribución-NoComercial-SinDerivadas 2.0 Genérica (CC BY-NC-ND 2.0) avy amin'ny  CC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.