Libya: Tapitra ny lalao ry Gaddafi

Miditra any Tripoli renivohitry ny firenena ny revolisionera Libyana. Miavaka mihitsy ny fientanetanana an-tserasera, miaraka amin'ny fitabataban'ny Twitter feno hiaka sy horakora-pifaliana manisa ny segondra farany hiandrasana ny fialan'i Gaddafi eo amin'ny fitondrana. Miely ny feo fa efa nametraka ny fitaovam-piadiany sy nitolo-batana ny andia-miaramila misahana ny fiarovana azy.

Siokantseran'i Blake Hounshell ao amin'ny Foreign Policy[politika ivelany]:


@blakehounshell
: GAME OVER. #Libya

Tapitra ny lalao

Ampian'i Shabab Libya:

@ShababLibya: Martyr's square formally known as ‘green’ square is now home to Freedom Fighters. Game Over

Fitoeran'ny Mpiadin'ny Fahafahana ankehitriny ny Kianjan'ny Maritiora fantatra amin'ny hoe kianja ‘maitso’. Tapitra ny lalao

Mizara izay sombiny hitany amin'ny fahitalavitra mivantana avy any Tripoli ihany koa ny mpisiokantsera.

Manoratra i Hind Hassan:

@hindhassan: Can hardly hear @SkyNews Alex Crawford speak because of celebrations, sound of car horns, gunfire & fireworks behind her #Libya #Tripoli

Zara raha heno ny tenin'i Alex Crawford ao @SkyNews noho ny fankalazana, feo ary ny anjomaran'ny fiara, poabasy ary ny afomanga ao aoriany #Libya #Tripoli

Manonona izay lazain'i Crawford i Andy Carvin mpanao tetikady ao amin'ny NPR :

@acarvin: “They feel liberated. Fireworks going off, guns going off, truly an amazing site.” -Alex Crawford, Sky #libya

“Mahatsiaro ho afaka ry zareo. Mandeha ny afomanga, mandeha ny poa-basy, tena toerana mahavariana”-Alex Crawford, Sky #libya

@acarvin: Crawford: “This is going to be the biggest party tripoli has ever seen. Look at these people – do they seem worried?” #libya

Crawford: “Hizotra ho ny lanonana lehibe indrindra mbola tsy nitranga tany tripoli hatrizay izy ity. Jereo ireo olona ireo – Manahy ve ry zareo?” #libya

Manam-baovao hafa ihany koa i Brian Whitaker ao amin'ny Guardian:


@Brian_Whit
: Numerous reports claiming Said Gaddafi has been captured. Can't confirm. #libya

Maro ny milaza fa voasambotra i Said Gaddafi. Tsy afa-manamarina. #libya

Raha mbola manontany i Evan Hill ao amin'ny Al Jazeera:

@evanchill: So I'm heading into west Libya in a couple days. I wonder who'll be running the country by then.

Vao roa andro aho izay no nizotra tany andrefan'i Libya. Nanontany tena aho tamin'izay mitondra ny firenena nanomboka hatreo

Mandritra izany fotoana izany i Cindy A. no mizara ny fihetseham-pony izay ao amintsika amin'ity alina ity:

@Organica_: I wish there were more Libyans on Twitter. I'd give them all hugs. #Libya #Tripoli #Greensquare

Nanantena aho fa maromaro kokoa ny Libyana ao amin'ny Twitter. Te-hanome “dona” kely azy rehetra aho.  #Libya #Tripoli #Greensquare

Aza miala hahitanao ny vaovao farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.