Rosia: Ireo Bilaogera Nahatsiaro ny Fitsingerenan'ny faha 20 taonan'ny Fanonganam-panjakana ny Volana Aogositra

Ny 19 Aogositra 2011, Ny Rosiana dia nankalaza  ny  faha 20 taona nanomboka tamin'ilay “August Putsch,” ( Fanonganam-panjakana  ny Volana Aogositra) “coup d'etat” tsy nahomby, notarihin'ny manampahefana vitsivitsy avy tao amin'ny KGB  sy andianà miaramila  izay nanohitra ny fandaharan'asam-panovan'i Gorbachev sy ny fanapariahana ny fahefana any amin'ireo Repoblika Sovietika. Notarihana teny an-dalambe ny mponina mba hiaro ny  “White House / Trano Fotsy” na ny Lapam-panjakana, ilay  Tranon'ny  Sovieta Faran-tampony an'ny Federasiona Rosiana , manohitra ilay fanonganam-panjakana.

Ny tontolon'ny Bilaogy Rosiana – mizarazara toy ny mahazatra  – dia niresahana ilay Fitsingerenan'ny faha 20 taonan'ilay Fanonganam-panjakana, tranga iray izay nahitana karazana fandikana maro mahabe resaka. Hahomby ve ny bilaogera amin'ny fampitàna ho any amin'ny tanora ny fanantenana ny hisian'ny Demokrasia sy ny fahafahana izay tsapan'ireo mpiaro ny governemanta ?

Boris Yeltsin, in front of the White House, Moscow, 19 August 1991. Photo: ITAR-TASS, Wikipedia

Boris Yeltsin, teo anoloan'ny Lapam-panjakana, Mosko, 19 Aogositra 1991. Sary : ITAR-TASS, Wikipedia

Famadihana sa fandresena ara-demokratika?

Diary manoritsoritra ny fotoanan'ilay fanonganam-panjakana no nozaraina tanaty aterineto nataon'i oleg kozyrev [ru], yustas [ru] (Sergey Yushenkov,  ny rainy dia isan'ny mafana fo niaro ny Lapam-panjakana), babushkinskaya [ru], hasid [ru], Adele Kalinichenko [ru] ao amin'ny  ej.ru, sy ireo hafa.

Mikhail Gorbachov,  filoha teo aloha tao USSR, dia nitafatafa tamin'ny antsipirihany  tao amin'ny Echo.msk.ru [ru].

Boris Akunin, mpanoratra malaza, nahatsiahy [ru]:

Это один из самых важных моментов в моей жизни. Впервые, в тридцатипятилетнем возрасте, я понял, что живу дома, что это моя страна.
[…]
Августовские события 1991 года – единственное, за что наше поколение может себя уважать.
Больше, увы, пока хвастать нечем.

Isan'ny fotoan-dehibe teo amin'ny fiainako izany. Sambany , tamin'izaho  35 taona, vao  azoko fa io no tranoko , io no fireneko.
[…]Ny zava-nitranga ny volana Aogositra  1991 – ireo no mba zavatra azon'ny taranatsika hajaina amin'izao fotoana izao.
Hatreto , indrisy, tsy misy zavatra  [hafa] azo ireharehana. 

Mandritra izany, misy ihany koa ireo  manohana ireo [ru] mpihoko :

21 августа мне стало ясно, что мою страну захватили враги, в Кремле измена и надо уходить в партизаны. […] казалось, кроме нас троих измену в Кремле и вражескую оккупацию Родины никто не заметил.

Ny 21 Aogositra [ny fiafaran'ilay fanonganana sy ny faharesen'ny hery mpanohana ny Demokrasia ] niha-nazava tamiko ny raharaha , fa lasan'ireo fahavalo ny fireneko, nisy famadihana tao amin'ny Kremlin, ary tokony hampitraotra ahy izany. […] Toy ny hoe , ankoatra ny telo taminay , tsy nisy nahatsikaritra ilay famadihana tao amin'ny  Kremlin sy ny fananihan'ny fahavalo ny Firenensika.

Na dia eo aza ny fanohanana ny hevitry ny fanonganam-panjakana, ilay ‘conservateur’ mpampiasa ros_sea_ru dia nanoratra fa [ru] faly izy tafaraka  amin'ny olona manohitra ny KGB, na dia  ‘diso aza ny olona tamin'izany fotoana izany’.

i Hasid, bilaogera, dia nanoratra [ru] fa ny taona 1991 angamba no fotoana tokana, mba nananàn'i Rosia hevitra ny hoe firenena:

Россия должна стать частью европейского пространства (не только в географическом, но и культурном, правовом и т.д. смыслах). […] В 1991 году эта идея была, её большинство вслух не могло сформулировать из-за многовековой атрофии голосовых связок, но внутри она жила. Что вот сейчас откроют границы, люстрируют вохру и туземных служителей колониальной фактории. Независимый суд, многопартийная система, ну и прочий базовый набор добродетелей белых людей.

[izao ilay hevitra ] Rosia dia tokony ho ao anatin'ny tontolon'i Eropa (tsy ara-jeografika ihany, fa ara-kolotoraly koa , lalàna , ary amin'ny tontolo hafa). […]
Ny taona 1991 no nisy izany hevitra izany, kanefa ny ankamaroany tsy nahavita namoaka izany noho ny fifintinan'ny tadim-peotsika (noho isika tsy nihetsika) efa taonjato maro izay, saingy ao anaty dia mbola velona hatranby ilay hevitra . Ilay hevitra hoe hosokafana amin'izay ny sisintany , ny miaramila mpiambina ary ny manampahefana rehetra  orinasa mpanjanaka antsika dia ho voahilika avokoa. Rafi-pitsarana mahaleotena, rafitra ahitàna antoko maro , ary ireto toetra fototra manaraka ireto mampiavaka ny ‘olona fotsy hoditra.’

Hantsana eo amin'ny taranaka mifandimby – Loza mananontanona ho an'ny tontolon'ny bilaogy.

Miresaka io Aogositra 1991 io ao amin'ny tontolon'ny bilaogy, saika isan-taona mihitsy ireo bilaogera Rosiana avy amin'ny antoko politika, mampitaha ilay raharaha amin'ny raharaha politika amin'izao fotoana izao  (jereo ny fanadihadihana  Global Voices tamin'ny  2006 sy 2007).

Ny fisaintsainana sy ny fahatsiarovana dia miovaova isan-taona, toy ny kabary rehetra atao momba ilay olana. Fanadihadiana iray [ru], nataon'i the Levada Center nanomboka ny taona 1994, no naneho mazava fa ny fomba fahitàna ilay fanonganam-panjakana dia tena niova, niainga tamin'ny hoe ‘tolona hahazo fahefàna’ (fomba filàza tena nahazo laka ny taona 1990) nankamin'ny hoe teboka manan-tantara’ izay nisy fiantraikany goavana ho an'ny firenena sy ny mponina ao aminy’ (jereo ny sary eto ambany).

Reactions to August Coup in Russia, 1994-2011. Source: Levada.ru, Illustration: Alexey Sidorenko

Fanehoan-kevitra mikasika ny fanonganam-panjakana tao Rosia ny volana Aogositra , 1994-2011. Loharano: Levada.ru, Sary: Alexey Sidorenko

Mandritra izany, ny vitsy an'isa nahita fianarana sy manam-pahaizana manokana   (7-10 isan-jaton'ny mponina ) ihany no manohana ny maha-‘ demokratika’ ilay tranga ; mahavariana, io isan-jato io dia tsy misy maha samihafa azy tamin'ny an'ny taona 1990 – talohan'ny nampidirana malalaka ny aterineto.

Ny fandikàna ilay fanonganam-panjakana ihany koa dia arakaraky ny taona. Raha ho an'ireo bilaogera izay mahatsiaro manokana ilay tranga (ny sasany amin'izy ireo dia isan'ny niaro marina tokoa ny Trano Fotsy ), ny tsy fahombiazan'ilay fanonganam-panjakana dia zavatra nampirehareha, toy ny hoe tsy fantatr'ireo bilaogera tena mbola tanora ny lanjan'izany ara-tantara..

Oleg Kozyrev dia nihomehy [ru] ilay fitantarana  ‘angano’ maoderina mikasika ilay fanonganam-panjakana ny volana Aogositra izay tena ampiasain'ireo mpanao propagandy , tahaka an'i Nikolay Starikov, iray amin'ireo mpiaro ny tsanga-kevitra Kremlin ‘Nashi’ – hetsiky ny tanora  (jereo ny filazàny azy ato [ru]):

Заботящиеся о стране патриоты из КГБ хотели спасти ее от развала. […] Именно поэтому в Москву ввели войска […]Но тут вмешались США. Они наняли Ельцина погубить СССР. […]Ельцин окружил Белый дом людьми, которых все три дня путча он постоянно обманывал.А потому путч как-то закончился и Ельцин захватил власть.Демократы тут же все разворовали и страна, буквально купавшаяся в роскоши до 1991 года вмиг опустела и обнищала.

Ireo KGB tia tanindrazana izay nihevitra izay hahasoa ny firenena dia nikasa ny hamonjy azy amin'ny fahasemporana. […] Izay no antony nitondran'izy ireo hery miaramila ho ao Mosko […] Kanefa nirotsaka an-tsehatra i Etazonia. Nanakaràma an'i Yeltsin hanimba an'i  URSS izy ireo . […] Nohodidinin'i Yeltsin niaraka tamin'ireo olona nadalainy hatrizay ny Trano Fotsy. Ary izay no niafaran'ilay fanonganana, tsy hay hoe ahoana, ka dia niraisin'i  Yeltsin ny fahefana. Nangalarin'ireo Demokraty ny zavatra rehetra ary nitondra ny fiainana feno fiadanan'ilay firenena [e.g. jereo ny sary sasany tamin'ny tranga ny taona 1991 ato] tanaty fotoana fohy ho amin'ny fahabangana sy fahantrana.

Na inona na inona kabary mahazo laka anaty aterineto,  ny  hevitr'ireo mpihoko  sasany tamin'ny  1991 dia mivandravandra aty amin'ny 2011, araka ny  nambaran'i Andrey Malgin tamin'alahelo [ru]:

Из Постановления № 1 Государственного комитета по чрезвычайному положению в СССР (19 августа 1991 г.):
4. Приостановить деятельность политических партий, общественных организаций и массовых движений.
[…]
8. Установить контроль над средствами массовой информации…

Avy ao amin'ny Didy hitsivolana No.1 an'i  Komitin'ny  Governemanta momba ny  Raharaha Tsy ara-potoana  (GKChP) ao URSS  (19 Aogositra , 1991):
4. Ajanony ny hetsik'ireo antoko politika, fikambanana fiarahamonina sivily, ary ny hetsi-bahoaka.
[…]
8.  Fehezo ny haino aman-jery…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.