India : Mafàna fon'ny RTI sady Mpiaro Tontolo Iainana Novonoina Antoandro be Nanahary

Shehla Masood (39), mahery fo sy mpiasa ao amin'ny ONG  Right To Information , na Zo hahazo Vaovao dia maty voatifitra teo anoloan'ny fonenany ao Bhopal ny Talata maraina. Fantatra tamin'ny fanentanana hiarovana ny tontolo iainana ihany koa izy. Araka ny tatitra dia vao avy namonjy fifadian-kanina i Shehla ho fanohanana ny hetsik'i Anna Hazare  ‘India Miady amin'ny Kolikoly’.

Shehla,  mpampiasa Twitter mavitrika iray, dia narahina mpibitsika Indiana maro ary  toy izao manaraka izao sasany amin'ny fahitan'izy ireo ity fahafatesana mampalahelo ity :

landofom: RT @kunalmajumder: fahatairana! maheri fon'ny RTI  @shehlamasood maty voatifitra tamin'ny 11 maraina. Ora 7 lasa izay ny bitsikany farany “#LS nahemotra”. Toy ny any Pakistana ankehitriny!

@jhunjhunwala: Shehla Masood dia teny an-dàlana handeha hihaino raharaha mikasika Tigra vavy iray. Mahatsikaiky fa na ireo Tigra, na ireo mahery fon'ny RTI dia samy nazaina sy  novonoina avokoa…

nageshparaddi: @shehlamasood dia nisy namono androany. Nanoratra taratasy milaza ny tahony ny amin'ny ainy Izy bit.ly/qPNODm.

TRISH00L: Vitany> RT @shehlamasood: Firy tamintsika no niady tamin'ny kolikoly? Mba efa nampiaka-peo imasom-bahoaka ve ianao? Mba efa nanao fitaraina an-tsoratra ve ianao?

raahildabest: Teo anelanelan'izany, mangatsiaka sy maty mitsirara i @shehlamasood. Novonoina noho ny herimpony. Very an-javony tao anatin'ny raharaha Hazare Haze n y fahafatesany. #Shehla Masood #SHAME (#HENATRA)

@aknksha: Ho an'ny Gazety Indiana, ny fitifirana an'i  #ShehlaMasood tamin'ny antoandro be nanahary dia fehezina amin'ny hoe “mpanohana an'i #AnnaHazare novonoina.” MAHAMENATRA

surnell: @shehlamasood: Misaotra anao  amin'ny zava-drehetra nahafantarako anao. Voninahitra lehibe ny nahalalana anao. Handry ampiadanana anie ny fanahinao. Hotohizanay mankany mankany ny  tigetra.

shanutweets: Tena malahelo mafy an'i #ShehlaMasood ary i #bhopal. AOK'IZAY ny fihazana ireo mahery fon'ny  RTI

I_Madcap: Tsy nisy vaovao tamin'ny fahitalavitra nanome tatitra amin'ny antsipirihany ny famonoana an'i @ShehlaMasood . Mahery fo iray avy amin'ny RTI novonoina, mety ho noho ny asany be herimpo.

Ny polisy dia manadihady mba hamantarana ny  antony sy ny mombamomba ireo mpamono.

Sarin'i Shehla Masood nalaina tao amin'ny Facebook

Ny bilaogy blog dia mampakatra fanambaràna momba ny fahafatesa-maritioran'i Shehla Masood :.

Izahay manao sonia ery ambany, dia nivarahontsana noho ny fifanojoan-javatra kidaladala toa maneso hoe ireo mafàna fo mpiaro tigra, foko, hazo ary ny tontolo iainana dia hazaina sy vonoina amin'ny fomba mitovy.

Mangataka izahay ny hanaovana fanadihadiana hatrany an-tampony ny mety hisian'ny fifandraisan'ny famonoana azy sy ny fijoroany noho ny fomba tsy ara-dalàna hitrandrahana Diamondra ao amin'ny distrikan'i Chhattarpur, Madhya Pradesh ataon'i Rio Tinto, orinasa hita aminà firenen-tsamihafa  mitrandraka harena ankibon'ny tany izay manana ny foibeny any UK, miray amin'ny Rio Tinto plc,  orinasa voasoratra any amin'ny Tsenam-bola ao Londona sy NY, ary Rio Tinto Limited, izay voasoratra any amin'ny Australian Securities Exchange, na Tsenam-bola Aostraliana, ankoatra ny zavatra hafa mampiahiahy [..]

Nahazatra an'i Shehla Masood ny mamarana ny hafany amin'ny hoe  “Roarrrrr”  feno fireharehana, izay tsy vitan'ny  balan'ireo nandatsaja aina azy hampanginina.

Azafady tsidiho ny sarin'i Shehla ao amin'ny Facebook (mila miditra Facebook mihitsy) ary ny bilaoginy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.