Pakistana: Nahazo Rariny Ny Tanora Taorian'ny Nivoahan'ny Lahatsarin'ilay Vono olona Tsy Nandalo Fitsaràna

Ny 8 Jona 2011, maty voatifitra ny tovolahy iray 19 taona, tena tfitra akaiky tokoa nataonà Rangers Pakistane iray tao Karachi. Ny tatitra voalohany dia nilaza fa saiky hamely ilay olon'ny mpitandro filaminana ity tanora iray nitondra fiadiana ary maty noho izany. Kanefa, ora maro taty aorian'ilay loza, nameno ny fahitalavitra Pakistane maro ny  lahatsary avy eny an-toerana izay nahatonga ny maro hisaina fa tsy nitondra fitaovam-piadiana izany io tanora io.

Kalsoom ao amin'ny bilaogy  CHUP no namoaka ny vaovao:

Ny Alarobia, ireo famoaham-baovaoa rehetra dia nitatitra fa tanora iray no “novonoina tamin-kerisetra” famonoana sy nandalo fitsaràna nitranga tao amin'ny Sahan'i Benazir tao Karachi. Araka ny lazain'ny Express, nampangaina ho  “mpanendaka,” na mpangalatra ilay zalahy io, ary nosamborin'ny polisy izay avy eo nanolotra azy an'ireo Ranger izay nampihataka sy nitifitra azy teo amin'ny kibony, na dia teo aza ny fitalahoan'ilay lehilahy. Voalaza fa mpianatra manala ‘matric’ (na fanadinana eny amin'ny Ambaratonga Faharoa) izy, tahaka ny rahalahin'ny mpanao fanadihadiana iray ao amin'ny fahitalavitra Samaa, ary maty teo noho eo izy.

Effigy of a Ranger officer hanging, seen during a protest against the extra judicial killing of Sarfaraz Shah. Image by Ayub Mohammad, copyright Demotix (11/06/2011).

Sarinè manampahefana Ranger nahantona, hita nandritra ny hetsi-panoherana manohitra ny namonoana tsy nandalo fitsaràna an'i Sarfaraz Shah.Sary an'i Ayub Mohammad, copyright Demotix (11/06/2011).

Toy izao no nanehoan'i Dr. Awab Alvi avy amin'ny  Teeth Maestro ny hasosorany:

Tsy hitako ny teny ho enti-milaza, taorian'ny nijereko ilay lahatsary nisy an'i Sarfaraz Shah notifirin'ireo mpampihatra lalànantsika mamoaka didy ao anatin'ny folo segondra latsaka monja. Sahala amin'ny hoe nentina ho any amin'ny paositra fisavàn'ny Ranger izay ao anatin'ny Saha Benazir Bhutto manapaka eo amin'ny Boat Basin Karachi i Sarfaraz Shah fa nampangaina ho nitazona fianakaviana iray ho takalonaina. Nafampàna ny teny nifanaovan'ny roa tonta, miaraka amin'ilay ampangaina hoe meloka mangataka ny famindram-pon'ity  miaramila misafoaka ka mangataka azy mba hampidina ny basiny – niafara tamin'ny tifitra roa nataon'ilay miaramila tany amin'ny kibon'ity nidiran-doza, namela azy hison-drà teo ary dia maty mety ho noho ny fahaverezan-drà be loatra i Sarfaraz ora vitsy [?] taty aoriana.

Ammar Yasir ao amin'ny TeaBreak.pk dia nibitsika ny fanehoan-keviny:

Vao avy nijery ny lahatsary momba an'i Samaa aho ary te-hihaoka handoa. Eto Karachi no misy an'io, dia saintsaino ny famonoana olona tsy mandalo fitsarana any Balauchistan.

Ao anatin'ny fandehan'ny tantara, ireo mpampiasa Twitter dia nanomboka nanontany raha mba handray fepetra momba iny tranga iny ny Lehiben'ny Fitsaràna ao Pakistan izay raha ny marina dia nitranga indrindra satria izy nandray fepetra  suo motu (araka ny hitsin'ny lohany).

Rangers soldiers beat a motorcyclist during clash with protesters during demonstrations by members of the public over the unavailability of fuel in Karachi, Pakistan. Photo by PPI Images, copyright Demotix (28/02/2011).

Miaramila Rangers midaroka mpitondra kodiarandroa iray nandritra ny fifandonana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ny hetsi-panoherna nataon'ny vahoaka ho fanoherana ny tsy fisian'ny solika tao Karachi, Pakistan. Sary avy amin'ny PPI Images, copyright Demotix (28/02/2011).

2 volana monja taorian'ilay zava-nitranga, voaheloka ho faty ilay manamboninahitry ny rangers voampanga nanao ny tifitra. Ireo manmapahefana ambiny nanatrika ny zava-nitranga nefa tsy nanao na inona na inona fa nitazam-potsiny dia voaheloka higadra mandra-pahafatiny. Nifamahofaho be ihany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny tontolon'ny bilaogy momba ilay didim-pitsaràna.

Zainab Imam niarahaba ilay didy tamin'ireto teny ireto:

Ny 12 Aogositra, voasoratra ny tantara.  miaramila iray ivelan'ny tafika, tsaraina amin'ny fitsarana sivily, no voaheloka ho faty noho ny famonona olona tsy nandalo fitsaràna tao Karachi – ilay tanàna izay miaina eo ambany fanaraha-maso hentitr”ireo Rangers efa maherin'ny 10.000.

Io didy io tsy hoe fotsiny nanameolka ny vono olona tsy araka ny lalàna fa koa nanambara fa izany no asa fampihorohoroana, na dia manampahefana amin'ny fampandriana fahalemana aza no nahavita izany. Io fitsarana miady amin'ny asa fampihorohoroana io dia nanamafy ny  “anjara andraikitry ny lalàna”.

Tanaty lahatsoratra am-bilaogy iray mitondra ny lohateny hoe “Tantaranà Vono Olona Roa : Itadiavana Fitsaràna Mitovy” tao amin'ny bilaogy NewsLine, Kashif N. Chaudhry dia nanao fampitahàna ny valim-pitsaràna navoaka ho an'ny tranga Sarfraz Shah tamin'ny valim-pitsaràna tamin'ny namonoana ny governoran'i Punjab, Salman Taseer. Chaudhry dia velom-panontaniana amin'ny tsy fitovian'ny didim-pitsaràna:

Ireo tranga roa ireo dia mampiseho mazava fa ny fitsarana matroka ao Pakistan dia tsy hahaleotena mihitsy raha mbola izao foana no zava-misy. Ireo teny ao amin'ny lalampanorenan'i Pakistan izay miseho ho manaja ny zon'ny olom-pirenena tsirairay dia hitohy hatrany ho hevi-dravina monja ihany. Ny làlan-tokana hahafahan'i Pakistan manana fitsarana mendrika sy mahaleotena dia raha vitan'ny Pakistane maro ny miaina manaraka ny ohatra feno fahasahiana nataon'Ing Taseer.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.