Tonizia: Mitohy Ny Hetsi-Panoherana, Mitohy Koa Ny Herisetran'ny Polisy

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Revolisiona Tonizia 2011.

Nirotsaka an-dalambe ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tunis ny Alatsinainy teo (15 Aogositra). Tafiditra ho anisan'ny anton'ny fitakian-dry zareo ny fananganana

Sora-baventy mivaky hoe "Hosni Mubarak mangataka ny ho eo anatrehan'ny fitsaràna Toniziana" Sary an'i Nawaat

fitsaràna tsy momba ny atsy na ny aroa afaka hitsara ireo manampahefana mpanao kolikoly sy ny namono ireo  “Mahery fon'ny Revolisiona”.

 

Ireo mpanao fihetsiketsehana dia mangataka koa ny hamotsorana tsy misy hatak'andro an'i Samir Feriani, mpanome vaovao sy mpiasam-panjakana ambony fahiny tao amin'ny Ministeran'ny Atitany tao Tonizia, izay any am-ponja hatramin'ny 29 May, taorian'ny namoahany taratasy roa tao amin'ny gazety an-tsoratra nilazany fa ireo olona mitana toerana ambony ao amin'ny Ministeran'ny Atitany no tompon'antoka tamin'ny famonoana ireo mpanao hetsika am-pilaminana nandritra ny Revolisiona Toniziana.

Noventesin'ireo mpanao hetsi-panoherana koa ny hoe “Mangataka ny handrodànana ny fitondrana ny vahoaka” sy ny hoe “Mitaky revolisiona indray ny vahoaka.”

@MouradMnif nibitsika hoe:

Mihetsika manohitra ny vahoaka ao #Tunisia mangataka FITSARANA mahaleotena,fahalalahan'ny  MEDIA ary POLISY manaja lalàna. #ManifTunis #15aout

Tamin'ny Alatsinainy, nanatri-maso hetsi-panoherana telo tamin'ny fotoana mitovy ny tao afovoan-tananan'i Tunis, saingy ny iray izay tsy ny  notarihan'ny Sendikan'ny Mpiasa Toniziana (UGTT), nizotra ho any amin'ny Lalambe manana n y maha-izy azy Habib Bourguiba, misy ireo tranoben'ny Ministeran'ny Atitany dia niafara tamin'ny fifandonan'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana.

Ilay bilaogera Bassem Bouguerra dia nizara lahatsary tao amin'ny YouTube mampitaha ireo hetsi-panoherana.

Nampiasa entona mandatsa-dranomaso ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao hetsi-panoherana. Nanambara ny Ministeran'ny Atitany fa nisy mpanao fihetsiketsehana iray nanomboka nandefa entona mandatsa-dranomaso, ka voatery namaly ny polisy.

@Wessimsara:la fete commence à l'aveniue RT @sameh_b: URGENT : Lacrymo devant le MI ça y est!!! #ManifTunis

Manomboka ny lanonana aty amin'ny Lamlambe Hbib Bourguiba RT@sameh_b: Vao izao: entona mandats-dranomaso eto anoloan'ny Ministeran'ny Atitany!!! #ManifTunis

@nayzek:Tir de lacremo à partir des minivan et voiture #maniftunis

Tifitra entona mandatsa-dranomaso avy any anaty fiara sy minibus #maniftunis

Namaly tamin'ny tora-bato ireo mpanao hetsi-panoherana. Nisy ihany koa ny tatitra fa hoe nitoraka vato nankany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana ireo polisy.

@ArouaBenSalah: En ce moment: Affrontements entre policiers et manifestants Avenue de Carthage #ManifTunis

Amin'izao ora izao: fifandonana eo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana, eto amin'ny Lalambe Carthage #ManifTunis

@FDTL_OFFICIEL:les jeunes partent et reviennent et la police frappe avec des pierres #ManifTunis #15aout “Source: un militant #Ettakatol sur place “

mandroso mihemotra ireo tanora ary mamely amin'ny vato kosa ry zalahy polisy. #ManifTunis #15aout “loharano”: mafàna fo iray ho an'ny  #Ettakatol (vondrona politika iray)

Ny lahatsary manaraka avy ao amin'ny  YouTube dia maneho polisy misintontsintona sy midaroka olon-tsotra iray tao afovoan-tananan-i Tunis, raha nanaparitaka ireo mpanao hetsi-panoherana izy ireo.

Tsy voalohany izao taorian'ny revolisiona toniziana no nisy polisy nanao herisetra taminà mpanao fihetsiketsehana. Tamin'ny volana lasa teo, tamin'ny fampiasàna kobay sy entona mandatsa-dranomaso no nanakanan'ny hery avy amin'ny mpitandro filaminana ireo mpanao hetsika am-pilaminana tsy hifamorimory tao an-kianjan'i Kasbah, izay ivon'ireo hetsi-panoherana tao Tunis renivohitra Toniziana. Ny hany maha-samihafa azy dia ilay hetsi-panoherana tamin'ny Alatsinainy nahasarika mpanao fihetsiketsehana maro, ary nahazo fanohanana nisinisy kokoa avy tamin'ny vahoaka.

Ny herisetra toy izany dia fampahatsiahivana amin'ireo Toniziana fa sarotra  ny miala amin'ny mahazatra. Ireo Toniziana mponin'ny aterineto sady bilaogera dia namoaka ny fahadisoam-panantenan-dry zareo  manoloana ny famoretana ataon'ny polisy. Indreto ny sasany amin'ny fanehoan-kevitra avy amin'izy ireo tao amin'ny Twitter:

@eyasliti:Police partout, Justice nulle part !! #maniftunis

Polisy eraky ny tanàna. Fahamarinana tsy misy

@MedAliChebaane:Dans ce pays, il faudrait seulement manifester pour le Gouvernement.Toute autre contestation sera réprimée! Vous nous faites haïr le Pays.

Eto amin'ity firenena ity, ny hany fihetsiketsehana azonao atao dia ny fanohanana ny governemanta. Ny hetsi-panoherana ankoatra izay dia hofaizina. Manao izay hankahalànay ny firenena ianareo!

@worldwideyes: La #Tunisie, un pays pris en otage par ses propres policiers #tunismanif

Tonizia dia firenena iray ataon'ny polisiny ihany ho takalon'aina

@Wessimsara:Tous Simplement : القمع متواصل وزارة الإرهاب لم تصلها الثورة بعد

Tsotra fotsiny: mitohy ny famoretana, ary tsy mbola nahadona ny Ministeran'ny Fampihorohoroana ny revolisiona

Tsy mbola naharakotra afa-tsy Tunis renivohitra ny hetsi-panoherana, saingy nisy ny fihestiketsehana hafa nitranga tany amin'ireo faritany hafa tao Tonizia. Nitovy ny zavatra notakiana ary nianga avy tamin'ny fangatahana fitsarana mahaleotena ka tonga tamin'ny fialàn'ny Praiministra  Béji Caid Sebsi.

Ity lahatsary manaraka tao amin'ny YouTube ity dia manasongadina ireo mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny faritanin'i Béja (Avaratra-Andrefan'i Tonizia) miventy ny hoe “manantena fitsarana mahaleotena ny vahoaka”, “Mitroatra manoloana ny farasisan'ny mpanao didy jadona ny vahoaka” ary “tsy mivadika amin'ny ‘ràn'ireo maritiora” :

Polisy manakana ireo mpanao hetsi-panoherna tsy hivorivory androany. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Voix Du Peuple

Androany, pejy Facebook iray antsoina hoe Voix du Peuple (Feon'ny Vahoaka) no nitatitra fa ireo mpanao hetsi-panoherana dia noràran'ny polisy tsy hifamorimory tao an-kianjan'ny Sendikan'ny Mpiasa Toniziana (UGTT) :

 

ليوم البوليس يغلق بطحاء الإتحاد العام التونسي للشغل ممارسات ارهابية قمعية، بإختصار بن علي مازال موجود في تونس.

Androany, nakaton'ny polisy ny kianjan'ny UGTT. Asa fampihorohoroana sy famoretana. Raha fehezina, mbola eto i Ben Ali.

Tantara mendrika no ho arahana ity satria ireo mpanao hetsi-panoherana tsy mbola ahitana mariky ny hakiviana izany, ary maro ireo hetsi-panoherana no mbola andrasana ato anatin'ny andro vitsy.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Revolisiona Tonizia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.