Iran: Mpitoraka Bilaogy Nafahana Taorian'ny 25 Andro Nitokonana Tsy Nihinan-kanina

Navoaka ny fonja rehefa nandoa onitra ny Alahady teo ny Dr. Mehdi Khazali, mpitoraka bilaogy, tonian-dahatsoratra sy zanakalahina mpitarika fivavahana mpitahiry ny nentin-drazana sady mpikambana tao anatin'ny Filankevitr'ireo Mpiambina ny Ayatollah Khazali, taorian'ny 25 andro fitokonana tsy hihinan-kanina. Nanandratra ny feony tamin'ny governemanta Iraniana ilay mpitoraka bilaogy nandritra ireo roa taona lasa, ary fanintelony izao izy no voasambotra. Mpitoraka bilaogy Iraniana maro no naneho hevitra momba ny famoahana azy, tahaka ny fitokonany tsy hihinan-kanina talohan'izany.

Tanatin'ny lahatsorany voalohany taorian'ny famoahana azy, nanonona ilay olona manan-kaja Imam Ja'far al-Sadiq i Khazali ka miteny: “Mbola mafy noho ny vy ny mpino ary afaka vonoina izy, velona indray ary vonoina indray. Nefa tsy hanova na inona na inona amin'ny finoany izany rehetra izany.”

Basiji Sabz dia  manoratra [fa] amin'ny famoahana an'i Khazali: “Derao Andriamanitra. Manantenà ihany koa ho an'ireo gadra tsy manan-tsiny, indrindra i Mir Hussein Mousavi ao amin'ny Hetsika Maitso.

Khorshid Neshan dia miteny [fa]:

Tsy fantatsika ny antony nisamborana an'i Mehdi Khazali na koa ny fomba naneken'izy ireo ny onitra. Nanoratra  Hadit iray ho toy ny lahatsorany voalohany indrindra taorian'ny namoahana azy izy. Tokony ho fantany fa raha anatina fifaninana ara-pinoana miaraka amin'ny fitondrana izy, ho resy. Iriko mba ho tazoniny ho azy irery ireo fihetseham-pony momba ny fivavahana sy ny finoany.

Mpitoraka bilaogy maro no miahiahy momba ny fahasalaman'i Mehdi Khazali's tamin'izy tany am-ponja ary maneho ny fanohanan'izy ireo any anatin'ny lahatsorany.

Sedaye Azadi dia nanoratra [fa]:

Efa mihoatra ny 20 taona i Mehdi Khazali no tany amin'ny fonjam-panjakana ary manao fitokonana tsy hihinan-kanina izy. Manamarina ny fiandaniany amin'ny vahoaka izany. Miraharaha ny fitokonany tsy hihinan-kanina ve ianao? Miraharaha ireo mpitarika ny Hetsika Maitso, Mehid Karoubi sy Mir Hussein Mousavi, izay eo ambanin'ny fanaraha-maso eny amin'ny toeram-ponenany ve ianao? Raha tsy miraharaha ianao, tsy misy ny maha-olona anao… Manontany ve ianao hoe maninona ny zanakao no mankany am-ponja noho ny ady fifampitorahan-drano? Satria tsy misy fahalalahana. Maninona no tsy misy ny fahalalahana, satria ianao tsy miady ho an'izany.

MehrdadIrani dia nanoratra [fa] fa nafindra any amin'ny faritra faha-350-n'ny Fonjan'i Evin i Mehdi Khazali ary nahita ny rainy voadaroka ny zananilahy rehefa nosamborina izy. Ireo vavolombelona hafa dia niteny fa naratra ny tendan'ilay mpitoraka bilaogy nandritra ny fisamborana azy.

Charkh o Falk dia miantso [fa] mpitoraka bilaogy hafa mba hanohana an'i Mehdi, ary tsy hiandry ny fahalasanany. “Mety hanosika ny fitondrana handray fepetra ilaina amin'ny fanajanon'i Mehdi ny fitokonany tsy hihinan-kanina ny hetsika iray ataon'ny bilaogera” hoy izy. Niteny ihany koa izy fa nantsoina haka ireo zavatra notazomin'ny manampahefana i Khazali, nefa dia nosamborina tamin'ny tsy antony avy eo.

Agahi ta Rahayi dia midera [fa] ny fanoheran'i Mehdi Khazali ary milaza fa izany dia mampiseho fa lehilahy mitazona ny teniny izy.

Inona koa no tokony hitranga mba hampifoha antsika? Ny sasany dia manontany hoe maninona i Ejipta no afaka [nanongam-panjakana], raha tsy nahavita izany kosa Iran … Ny sasany miteny hoe miandrasa, hisy maraina vaovao ho avy tsy ho ela, nefa any amin'ny Tendrontany Avaratra dia miandry 6 volana vao maraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.