Filipina : Tabataba Noho Ny Haratsian'ny Endriky Ny Manila Zoo (Toerana Fitehirizana Biby)

Ny haratsian'ny endriky ny Manila Zoo dia nahatonga fahatairana teo amin'ireo Filipiana mpampiasa aterineto taorian'ny sary izay nalefa tamin'ny aterineto, vokatry ny fiakaran'ny teny fanalahidy “Manila Zoo” ho lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny volana lasa teo.

Nanomboka ny 12 Jolay lasa teo avokoa izany rehetra izany raha nampiakatra sary manodidina ny 2008-2010, an'ireo biby marary sy ratsy mihidy ao amin'ny valan'i Manila Zoo ao amin'ny Tranokalam-baovaony i Nix de Pano. Ny andro manaraka, ny naman'i de Pano, Karen Ang namerina nandefa ny sasany tamin'ireo sary tao amin'ny tranonkala “The Pro-Pinoy Project”:

Tsy dia ela loatra,  miparitaka eran'izao tontolo izao tamin'ny Twitter ilay resaka. Ny teny fanalahidy “Manila Zoo”  dia lasa lohahevitra malaza noho ilay sary nalefa izay nahazo mpamerina mibitsika an'arivony ary nandefa izany indray. Nisarika ny fijerin'ireo olomalaza sasany sy ireo fampahalalàm-baovao goavana izany koa.

Ny Olona ho an'ny Fikarakaràna Ara-moraly ny Biby na Ethical Treatment of Animals (PETA) dia nanomboka nanao fanangonan-tsonia tamin'ny aterineto, hiantsoana ny Ben'ny Tananàn'i Manila, Alfredo Lim mba hanajanona ny vinavina haka biby maro ho ao amin'ny valanjavaboary. Nangataka fanatsarana ny fahasalamana fototr'ireo biby, ny fanidiana ny valanjavaboary :

Ny zirafy, soavaly, sokatra, voay, bitro, ary ireo osy izay miaina ao amin'ny Manila Zoo dia mifanizina loatra ao anatin'ny fitoerany. Sisi, orangutan iray miaina irery , dia zara raha misy toerana hitsoran'ireo tongony. Mali, elefanta iray mitoka monina, dia napetraka irery ao anaty vala, ary ireo tigra, izay tia milomano, dia tsy nomena zavatra hafa afa-tsy rano mihandrona.

Mandritra izany, ny bilaogera Faith Salazar dia miantso mpiasa an-tsitrapo hanampy hikojakoja ny valanjavaboary ary hiditra ho mpikambana Naman'i Manila Zoo.

Mazava ho azy, fa mila fanatsarana goavana ny Manila Zoo. Voalohany indrindra, tsy ampy ny mpikarakara. Mila olona izay hanome fitiavana ho an'ny biby toy ny fifankatiavan'ny ray aman-dreny sy ny zanany na dia sarotra aza ny mety ho fahazoan'izy ireo izany. Ny olona izay nanome sakafo tsy fantatra ireo biby no mahatonga ny faharatsian'ny fahasalaman'ireo biby. Plastika, tahonà glasy sy zavatra hafa mandratra no voatelin'ireo biby – noho izany, zirafy roa no maty, ny iray tamin'ireo vavoniny efatra dia feno plastika.

Ang sy de Pano dia niara- nitsidika ny Manila Zoo tao anatin'ny herinandro nanaraka ilay fampiakaram-peo manoloana ny toe-javatra mampalahelo momba ireo biby ao. Nomarihan'izy ireo tamin'izany fisian'ny fanatsarana ny valanjavaboary tsy araka izay hita tamin'ireo sary tranainy tamin'ny roa taona lasa. Ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola avy amin'ny fitondram-panjakana, na izany aza, no mahasarotra ny fiainan’ ny valanjavaboary misy ireo biby andaniny, sy ireo tompon'andraikitra ankilany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.