Pakistan: Mankalaza ny Fetin'ny Fahaleovantena

14 Aogositra ny Andron'ny Fahaleovantenan'i Pakistan, izay manamarika ny daty nialàna tamin'ny fanjanahana Britanika ary nahatonga azy ho firenena afaka. Amin'ity taona ity, nankalazaina tamin'ny firavoravoana be ny 14 Aogositra, tsy teny an-dalana ihany fa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa.

Bilaogera mahafatrapo nandefa lahatsoratra momba an'i Pakistan, mivavaka ho amin'ny fandrosoany sy ny fahombiazany. Na dia mikasika io andro io ihany aza ny lahatsoratra nalefany, dia maro ireo bilaogera mafana fo niadi-hevitra momba ny firehankevitr'i  Pakistan, milaza ny sombitsombiny avy amin'i  Muhammad Ali Jinnah, mpanangana an'i Pakistan.

Na dia eo aza ny olana sosialy, toekarena sy ny maha-olombelona ao Pakistan ankehitriny, dia manoratra feno fanantenana ireo bilaogera, mametraka ny fanantenanan'izy ireo amin'ny tanora sy manantena izany hisy fiovana tsara. Awais Aftab nanoratra tamin'ny Famoronana Angano:

Ao anatin'ny fiandohana vaovao ny vahaolana. Liberaly, laika ao Pakistan no vahaolana. Fifandeferana ao anatin'ny tsy fitoviana no vahaolana. Manohitra ny “extremisme” sy ny “fanatisme” no vahaolana. Fiadiana amin'ny fampihorohorona no vahaolana. Ao anatin'ny kolontsaina demokratika mazava ny vahaolana mba hitazomana ny zon'olombelona. Ao anatin'ny fampianarana nasiana fanavaozana sy hevitra tia mitsikera ny vahaolana. Eo am-pelantanantsika , ny tanora sy ireo izay manam-pahalalana tsara ao Pakistana, izay mbola havaozina ny vahaolana.

People from all walks of life came out to celebrate Pakistan Independence Day, Islamabad, Pakistan. Image by Niaz Ali, copyright Demotix (14/08/2011).

Vahoaka avy amin'ny faritra rehetra tonga mankalaza ny fetin'ny fahaleovantena Pakistan, Islamabad, Pakistan. Sary avy amin'i Niaz Ali, copyright Demotix (14/08/2011).

Amin'ny andron'ny fahaleovantena, manoratra momba ny  fahaiza-manao ny tanora ao Pakistan ao amin'ny bilaogiko manokana aho:

Tsy misy valiny ny fanontaniana kely indray mipika ankehitriny ‘inona no vahaolana?’ Tsy maintsy mijanona mitady vahaolana etsy sy eroa sy manontany ny olona tsirairay isika. Tsy misy olona manana valin-teny amin'izany satria isika, tanora, no manana ny valiny. Isika no vahaolana amin'ny zavatra rehetra  tsy mandeha tsara ao amin'ity firenena ity. Isika no vahaolana amin'ny tsy fisian'ny fitantanana, ny kolikoly sy ny fijangajangana, ny fampihorohoroana sy ny fiandaniana ary izay rehetra tokony hitadiavam-bahaolana. Amin'ireo sarambaben'olona , izay ny fitambaran'ny vahoaka rehetra no ankamarony, isika no hery hanavotra ny firenena ary fahefana izay afaka  tanteraka hamadika ny zava-misy tsy mety. Isika no hoavin'ity firenena ity ary miankina amintsika ny fomba hamolavolana ny endrik'izany hoavy izany.

Roshni nandefa lahatsoratra avy amin'i Nusrat Pasha izay lahatsoratra mampiseho lahateny lavabe tamin'ny kabary nataon'i Jinnah nandritra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny filazana fa mety firenena teokratika Islamika i Pakistana na tsia. Hoy izy namehy izany:

Isaky ny mampiasa ny teny “Islam” sy “Islamika” izay mahakasika an'i Pakistan i Jinnah, dia tsy misy ifandraisany amin'ny firenena mampihatra ny Shariah izany. Raha tokony hifantoka bebe kokoa amin'ny tena dikan'izany, izay matetika lasa lohahevitra ahitana dikanteny, adihevitra ary fifamaliana isan-karazany, i Jinnah nifantoka tamim-pahendrena tao amin'ny FANAHIN'NY fampianarana Islamika, izay ara-pamaritana ihany koa,  fanahin'ny finoana tokana fantatra. Avy amin'izany no nahombiazany niaro ny hevitra lahika sady tsy manao sorona ny singa ara-moraly sy ny zava-manintona manerantany.

Olomalaza sy mpamaha bolongana ni-tweet  izay voatsonga tamin'ny tenin'i Jinnah ary mirary soa noho ny fahatratrarana ny andron'ny fahaleovantena .

Salman Ahmed, mpihira  rock avy ao Pakistan ni-tweet toy izao:

@sufisal “Tsy mahomby mihitsy ny tolona atao raha tsy misy fandraisana anjaran'ny vehivavy miaraka amin'ny lehilahy. – Muhammad Ali Jinnah #14August #Pakistan” -

Ny vaovao mahafinaritra niandeha haingana dia haina tamin'ny mpisera Pakistaney koa dia ny zavabita manenrantany vaovao ao amin'ny Guinness vitan'olona mihoatra ny 5000 tao Karachi izay nifamory hihira ny hiram-pirenena. Nomanin'ilay mpandraharaha malaza Abid Beli ny hetsika ary no-tweet-ena tamin'ny tenifototra #anthemrecord ka tsy ela dia nifampizarana indrindra teo amin'ny mpisiokantsera Pakistaney ny alin'ny 14 aogositra.

Faisal Qureshi, mpanentana amin'ny fahitalavitra no ni-tweet:

@faisalqureshi: “Nahomby ny fandraketana ny Hiram-pirenen'i Pakistan. Tia tanindrazana 5857 no niseho sy nihira izany tamim-panahy voasandratra.#Pakistan#Karachi#14August

Ny fanampiny hafa ho an'ny mpiseran'nity firenena ity dia ny fivoahan'ny doodle an'ny Google [kisarisarim-pamantarana ny andro] hita teo amin'ny pejy fandraisan'ny Google Pakistan mampiseho ny fahaleovantenany:

Feno fanantenana sy faniriana hahita ho avy tsaratsara kokoa ny tontolon'ny bilaogy Pakistaney iray manontolo. Ny Fanabeazana, ny Hatanorana ary ny fikatrokana ara-tsosialy no voatonona ho fitaovana manafaka anay. Manohina ny fo ny mahita fijery tsara tahaka izany na dia mandia fotoan-tsarotra aza i Pakistan. Ary anisan'ny faniriana moa ny mba hahatanteraka tokoa ireny fanantenana ireny ary dia halaza amin'ny fandriampahalemana sy ny fanajana ny mahaolona ny firenena fa tsy amin-javatra hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.