Zambia: Nametraka ny “Vlaogy” mialoha ny fifidianana ny Mpiserasera

Nitondra hevi-baovao ity mpanao politika Zambiana ity mba hizara ny hafatra ara-politika sy ara-tsosialy ary ara-toekarena amin'ny alalan'ny horonantsary, na vlog araka ny fahafantaran'ny maro azy, mialoha ny fifidianana amin'ny 20 septambra. Nizara ny lahatsariny ao amin'ny YouTube izy.

Gongs Jhala, Zambian video blogger. Photo source: Gongs Jhala Facebook page.

Gongs Jhala, sary bilaogera Zambiana. Loharano: Pejy Facebook Gongs Jhala.

Gongs Jhala, mpandefa lahatsoratra amin'ny anarana hoe TheGongster , manoratra ny fanavaozana nentiny:

I've come up with a novel idea to share my views on political and social-economic hot topics in the run up to the Zambian elections on 20 September 2011. Please leave me your suggestions in the comment section below or on Zambian Peoples Pact on Facebook.

Tonga aho miaraka amin'ny hevi-baovao mba hizara ny fahitako ny politika, sosialy ary toekarena, izay lohahevitra mafana mikasika ny fifidianana izay ho atao amin'ny 20 Septambra ao Zambia. Azafady, apetraho eto ambany amin'ny fametrahana fanehoan-kevitra ny sosokevitrao na eo amin'ny Zambian Peoples Pact amin'ny Facebook

Tamin'ny lahatsary voalohany indrindra, Intro To Gongs Political Vlog, mandrisika ny vahoaka izy mba hitsara ny ezaka ataony ary mba hilaza aminy raha hevitra tsara izy ity na fandaniam-potoana fotsiny ihany:

http://www.youtube.com/watch?v=W44Kmku20YQ&feature=player_embedded

Jhala, monina ao Royaume-Uni, dia mpiara-miasa mavitrika ao amin'ny Zambia People’s PactFacebook- resaka vondrona politika izay hifanakalozan-kevitra momba ny hevitra politika amin'ireo vondrona politika isan-karazany handray anjara amin'ny fifidianana manaraka izay misy fizarana telo indray miaraka, tafiditra amin'izany ny fifidianana filoham-pirenena, solombavahoaka ary fifidianana governemanta isam-paritra.

Nahazo ity fihetseham-po manaraka ity ny vlog voalohany:

I think its a great idea but we people in diaspora might have vested interest in mother zambia but we have no means of voting from this end. So these people (i.e. zed polititians) would have to put some kind off act for us zambians in diaspora to vote as well during general elections .

Mino aho fa hevitra tsara be izany saingy izahay vahoaka aty ampielezana no mety hahita tombotsoa  any amin'ineny Zambia kanefa tsy misy dikany ny safidinay. Araka izany  tokony hametraka zavatra ho anay ampielezana ireo olona ireo (mpanao politika) hahafahanay hifidy mandritra ny fifidianana lehibe

Horonantsary faharoa nataon'i Jhala, Zambiana monina ao amin'ny Diaspora Nangataka ahy mba Hangina,  dia mifototra amin'ny fihetseham-pon'olona tao amin'ny “Dinan'ny vahoakan'i Zambia” raha nangataka ny hevitry ny mpiserasera hafa mikasika ny vlaogy nataony.

Nampahery ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mpandray anjara izay heverina ho akaikin'i Zambia, ao Botswana, sy avy any Royaume Uni ihany koa.

This is good. You sound well fired up. Thanks for your effort on this issue of discriminating against Zambians in diaspora. I saw it in Zambia, witnessed it in Botswana and now UK. Only God knows why we do such things.

Tsara izany. Toa hita fa niezaka mafy tsara tokoa ianao. Misaotra noho ny ezaka nasehoanao momba ny lohahevitra fanavakavahana manoloana ny Zambiana ampielezana. Nahita izany tao Zambia, nahita maso izany tao Botswana aho ary ankehitriny indray ao Royame-Uni. Ny Tompo irery no mahalala ny antony anaovantsika izao zavatra izao

Mpandray anjara hafa nankasitraka ny ezaka nataon'i Jhala.

Well said Gongs. No need for Zambians to talk down at other Zambians. Differences of opinion should be respected regardless of political, religious or lingual orientation and affiliation. We all want the best for mother Zambia, ad-hominen attacks on each other will only sway us from the core issues that we should be focusing on . A better Zambia for every Zambian Considering that it is not easy even for established politicians, especially those in the opposition to make it on state-owned Zambia National Broadcasting Corporation TV which has national reach, vlogs may be the way to go in the future. Two other privately owned TV stations have limited reach.

Tsara ny zavatra nolazainao Gongs. Tsy ilaina ho an'ny Zambiana ny manambany  Zambiana hafa. Tokony hajaina foana ny tsy fitovian-kevitra ara-politika na dia tsy mitovy firehana politika, finoana na fiteny ary fikambanana aza. Maniry ny tsara indrindra ho an'ineny Zambia isika rehetra, tsy mahavaha ny olana fototra ny fifanafihana samy olona izay tokony ifantohantsika . Zambia tsara indrindra ho an'ny Zambiana tsirairay avy. Fantatra fa  tsy mora izany na dia ho an'ny mpanao politika efa tafapetraka tsara aza, indrindra ho an'ny mpanohitra mba hanana fahafahana amin’ izay ao amin'ny fahitalavitra Zambia National Broadcasting Corporation izay mahenika ny faritra rehetra ao amin'ny firenena, ny vlaogy no mety làlana harahina amin'ny hoavy. Tsy hita afa-tsy amin'ny faritra sasantsasany kosa ny Fahitalavitra tsy miankina anankiroa hafa

Araka ny fanamarihana nataon'i ThandiEdumund, ny vlaogy indray no làlana mety harahina rahampitso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.