Tontolo Arabo: Mitohy Ny Adihevitra Amin'ny Twitter Vs Facebook

Niteraka resa-be tamin'ny twitter halina ny fampitahàna ny tranonkala bilaogy madinika iray izay azon'ny mpampiasa andefasana tsikera hatramin'ny litera 140 miohatra amin'ny tambajotra sosialy Facebook. Toy izao ny sasantsasany amin'ny fanamarihana avy amin'ny mpampiasa Twitter avy any Afovoany Antsinanana, izay mampindrana ny feony ho an'ny lohahevitra izay mandeha amin'ny tontolon'ny Twitter eran-tany.

Avy any Cairo, Amna Amer mibitsika :

@Amnamamer:#TwitterVsFB safidio izay tianao harahana satria maharesy lahatra anao, fb tsy maintsy manaiky ny fangatahana ho namana rehetra ianao raha tsy izany dia hahazo tsiny!

Wael Ghonim, Ejiptianina, izay nanjary fanta-daza taorian'ny fisamborana azy ny marainan'ny hetsi-panovàna Ejiptianina no manamarika:

#TwitterVsFB a worldwide trending topic tonight

#TwitterVsFB lohahevitra maresaka maneran-tany anio alina

@Ghonim: Ny làlan-jotra tokana ao amin'ny Twitter dia mahatonga ny maro hiezaka hiavaka (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: tokana an-tany) & tsy dia azo antoka hahazo mpanaraka

Mandritra izany, Basem Salem, mpandraharaha mpanao mari-trano izay monina ao Doha, Qatar no manontany:

@BasemSalem: و لما الهاكرز يدمروا الفيسبوك هانبات في الشارع يعني ؟؟ @NodaFouda @sare7flkoun #TwitterVSFB الفيس هو البيت تويتر هو القهوة”
@BasemSalem:Ary rehefa simban'ireo mpijirika ny Facebook, ho tavela eny an'arabe ve isika? Facebook no tranontsika ary Twitter no cyber-café-ntsika.

Manamarika ihany koa i Ahmed Awadalla, Ejiptianina iray avy any Caire :

@3awadalla: manodidina ny 8.5 tapitrisa ny mpampiasa fb any Ejipta raha 130000 monja ny mpampiasa Twitter

Teo anelanelan'izany, mampahatsiaro antsika ilay Ejiptiana Mohamed Diab:

@Mohameddiab678: #TwitterVsFB فيس بوك اللعبه بتخلص عند ٥٠٠٠ صديق .. تويتر إغراء لعبه الفلولورز لا تنتهي
@Mohameddiab678 : Ao @ Facebook, rehefa mahazo namana 5000 ianao dia mifarana ny lalao. Amin'ny Twitter, ny fitaomana hahazo namana maro dia tsy misy fetra.

Avy any Doha, Qatar, nanapa-kevitra koa i Sylvia Ayman.

@S_for_Slyvia: #TwitterVsFB خلاصة الموضوع..Tiako lavitra twitter noho ny facebook

@S_for_Slyvia: Ny tena zava-dehibe dia..Tiako lavitra twitter noho ny facebook

Ankoatr'izay dia manampy izy :

@S_for_Slyvia: #TwitterVsFB Twitter: tsy dia azo antoka, betsaka olona manaja kokoa…Amin'ny Facebook misy tsiambaratelo ny fiainana ary eny rehetra eny ireo tsy ampy saina (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: lazain'ny frantsay hoe salaud)! :

Fatafverina ao Ejipta, mamintina ilay Ejiptiana Shaimaa Khalaf :

@shaymaakhalaf : Facebook dia toerana andaainganao amin’ namanao. Twitter dia toerana iray anehoanao fahamendrehana miaraka amin'olon-tsy fantatra #TwitterVsFB

Ary i Amira Salah, mbola Ejiptiana koa, manamarika :

@amira_salah: #TwitterVsFB Facebook dia mitaona anao hankahala ireo olona akaiky kokoa anao, Twitter kosa mahatonga anao hitia olona tsy mbola fantatrao na oviana na oviana..

Ho an'ny fanehoan-kevitra hafa, azafady jereo ny tenifototra #TwitterVsFB

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.