Libia : Mitohy ny Fitotonganan'ny Maha Olombelona Amin'ity Ramadany ity

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fitroaran'i Libia 2011.

Mitohy ny fijalian'ny Libiana fepetra maha olombelona faran'izay mampivarahontsana satria mbola mavaivaiy ny ady ao amin'ny fireneny amin'ity Ramadany ity. Miainga amin'ny sakafo mankany amin'ny rano hatrany amin'ny solika ary ireo fahatapahan'ny herinaratra, hatramin'ny fandevenana ny havany maty sy ny tsy fahampian'ny vaovao marim-pototra
amin'izay zava-miseho ao ambadiky ny tranon'izy ireo, izany no manamarina fa ho henjana tanteraka ity volan'ny fifadian-kanina ity.

Mamarana ny fifadian-kanina tamin'ny hazavan'ny labozia, tao Libia.

Avy ao amin'ny Facebook, ChangeInLibya mizara ity  sary manaraka ity izay mampiseho fianakaviana Libiana nanomboka ny fifadiana amin'ity Ramadany ity, ny volan'ny fifadian-kanin'ny Silamo, ao anaty haizina

@ChangeInLibya : Fahatapahan-jiron'i Tripoly… miezaka mahandro sy mamarana ny fifadian-kanin'ny  Ramadany tsy misy herin'aratra ny vahoaka #liby http://fb.me/1clc8E4RH.

Lebeeya manamarina :

@Lebeeya: Tsy misy herinaratra efa 3 andro maninjitra ao Al Saraj RT @live2Tripoli: #Tripoli : naharitra adin'ny 8 ny herinaratra no tapaka ary eny an-tsefantsefany eny.

Mohamed Sharif Arouk mibitsika [ar] hoe :

اهل طرابلس يعيشون وضع مأساوي لا كهرباء ولا ماء(المنازل التي تستعمل المضخات) ولاهواتف ولا بنزين ولا ديزل والأخبار… http://fb.me/15OqHJQZD
@MohdSharifArouk : Mitohy miaina ao anatin'ny tsy zarizary ny mponina ao Tripoli : tsy misy jiro, rano (amin'ny trano izay mampiasa paompy), tsy misy telefaonina, lasantsy, gazoala, ary tsy misy vaovao.

Bent Benghazi (Zanaka vavin'i Benghazi) manampy :

@BentBenghazi : Tapaka ny Rano sy Jiro ao #Zawiya #libya #feb17 #gaddaficrimes

Ary Ivan Watson, mpampita vaovaon'i CNN ao Tripoli, mibitsika hoe

@IvanCNN : nahita tsara ny mpifanolo-bodirindrina ao afovoan'i  #Tripoli, haizim-pito tsy misy herinaratra. Misakafo hariva mihinana ny iftar miaraka amin'ny jiro labozia ny olona. Mampatahotra. #Libya


@IvanCNN
:  tapaka ny herinaratra ao amin'ny trano fandraisam-bahiny #Rixos , trano tsy maintsy ivantanana ao #Tripoli ho an'ny ankamaroan'ny mpanao gazety mitsidika any [mila fahazoan-dàlana izahay raha te-handigana tokonam-baravarana]. Voalohany izany.

Eo anelanelan'izany,  mampatsiahy antsika ny The Libyan One:

@TheLibyan1 : tsy hoe satria tsy afaka mameno ny sinibeny ny vahoaka  dia midika fa tsy ho afaka mameno ny azy i Gaddafi.

Ary manontany i bint_tarhouna :

@bint_tarhouna: Gaddafi izany nivarotra solika tany ivelany raha ny fianakaviako kosa tao Tripoli nandany iny  herinandro lasa iny  miaraka aminà fahatapahan-jiro efa ho  ora 3 latsaka izsan'andro #Libya

Raha mbola tsy ampy ny fahatapahan'ny herinaratra sy tsy fahampian'ny rano ary solika, ny trano dia voadaroka baomba amin'ity Ramadany ity.

17022011libya mizara ity video manaraka ity ao amin'ny YouTube, izay mampiseho  trano rava ao Jalu, izay lazaina fa nodarohan'ny tafika mpiara-dia amin'i Gaddafi baomba :

Displaced Libyan (Libiana nafindra toerana) dia mizara ny sasany amin'ireo loza nolalovany hatramin'ny nanombohan'ny ady tao amin'ny fireneny. Manamarika Izy :

@DisplacedLibyan : 6 volana ny adin'i  #Libya ka namoizako olona 4 tao amin'ny fianakaviako sy mpiaramonina anjatony, tsy isaina ireo olona any am-ponja.

@DisplacedLibyan : 6 volana ny adin'i  #Libya  dia efa in-3 sahady aho no nafindra tanàna.

@DisplacedLibyan : 6 volana ny adin'i  #Libya  dia mbola misy ihany ao amin'ny Facebook ireo milaza ho namana misisika manao izay hampidi-doza ny fiainanao aminà resaka saropady

Danya B Mohammed manontany tena :

@ceoDanya: Manontany tena,  reny firy no namoy ny zanany lahy, vehivavy firy no namoy ny anadahiny ary vehivavy  firy no namoy ny vadiny.  #GaddafiCrimes

Ary farany fa tsy ny kely indrindra, Noon Arabia, avy any Yemena, mizara vavaka iray ho an'ny mponina roa tonta, Libia sy Siria.

@NoonArabia: Ho tahian'Adriamanitra ireo Libiana miatrika ady ho amin'ny fahafahana ao #Libya & ireo Siriana ao #tanan-dehiben'i Siria eo ambany horohoro sy fifadian-kanina #Ramadan.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fitroaran'i Liby 2011..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.