Pero : Fanehoan-kevitra Taorian'ny Fanokanana an'i Ollanta Humala

Rehefa ela niandrasana, dia natao tamin'ny fomba ofisialy ny 28 jolay lasa teo, andro nahatsiarovana ny fitsingerenan'ny fahaleovan-tenam-pirenena ny lanonam-pametrahana amin'ny toerany ny filoha tao Pero; manana ny filohany vaovao ny Peroviana ankehitriny, dia Andriamatoa Ollanta Humala.

Ireo fanamarihana sy tsikera avy amin'ny tambajotram-pifandraisana sosialy dia rakotry ny finoana sy fanantenana, hatramin'ny kiana masiaka sy manambany ary fanamarihana mahatsikaiky momba ny fitafian'ny vadin'ny filoha, Nadine Heredia

Tony ny kabarin'i Humalla [es], mitanisa ireo fanapahan-keviny mirona amin'ny elatra havia, izay nahafa-po ireo sendika sy mpandraharaha [es]. Nambarany fa ny fifandraisana Fanjakana-Tsena dia hiavaka noho ny fidiram-bola nidina be [es], vokatry ny fitsabahana na ny fisintahan'ny fanjakana.

Ollanta Humala Peru Fandefasana tamin'ny TV ny kabarin'ny Filoha Ollanta Humala. (Sary : Victor Mantilla)

Tafakata ambony be tokoa ny hetsika tamin'ireo tambajotram-pifandraisana sosialy, nandritra ny lanonam-pametrahana ny filoha Ollanta Humalla tamin'ny toerany, indrindra fony Humalla nianiana [es] hitandrina toy ny anakandriamasony ny soatoavin'ny lalam-panorenan'ny taona 1979, izay tsy manan-kery intsony hatramin'ny taona 1993, fony Alberto Fujimorinifidy ny lalàna manan-kery ankehitriny.

Niteraka savorovoro tamin'ny maro izany, toa an'i Valeria  (@Vale_muniz); izay nibitsika hoe :

#tomademando no esta respetando nada si estan juramentando sobre una constitucion que no esta vigente, dictador!!

io [lanonam-pitokanana] an'i #tomademando io dia tsy manaja na inona na inona raha nianianana tamin'ny lalàna tsy manan-kery!, mpanao didy jadona!!

Mitovy hevitra amin'izany koa, MargOtt (@margott_cule) tezitra mafy :

LAAA XUXAAAAAAAAAA JURO X LA CONSTITUCION DE 1979!!!! ahi esta pues, ese es su PRESI!! nos cagamos!! #cambiodemando

HELOHIKO KOA IZANY, NY LALAMPANORENANA TAMIN NY 1979 NO NIANIANANY!!! Injay ny anareo, izany no mba filohanareo!! Voap*** isika e!! #cambiodemando

Teo noho eo ihany ireo mpikamban'ny antenimieran-doholona mpanohitra, izay tarihan'ny fujimorist Martha Chavez, nanomboka , nanoloana ny fijery mahatalanjon'ny ,….
Teo no ho eo ihany, ireo mpikambana ao amin'ny kaongresy, mpanohitra tarihan'ny mpanaraka an'i Fujimori, Martha Chavez dia nampiaka-peo nanohitra [es], nanoloana ny maso talanjon'ireo  vahiny mpitsidika [es], fihetsika izay tsy nandalo fotsiny fa voamariky ny rehetra tany amin'ny tambajotram-pifandraisana sosialy.

CALLEN A ESAS GALLINAS FUJIMORISTAS!!!!!!!!! #cambiodemando

MARENINA RY AKOHO MPANARAKA AN I FUJIMORI A !!!!!! #cambiodemando…..

Christian Rubio (@christian_rubio) manamafy hoe:….

Martha Chavez con la constitución del 93 en mano! que feo roche [vergüenza]npara las autoridades internacionales #cambiodemando

Martha Chavez, miaraka amin'ny lalàmpanorenan'ny 93! Tena fihanahanan-kevitra manahirana ho an'ireo manampahefana vahiny #cambiodemando

Pedro Atuncar miteny ao amin'ny Facebook :

que vergüenza nacional la conducta de nuestros padres de la patria hoy en la toma de mando presidencial. Si asi son quienes nos representan , entonces como avanzaremos, un salon de Inicial [preescolar] era mas ordenado.

Tena fahafaham-baraka ho an'ny firenena ny fihetsik'ireo mpanao lalànantsika ankehitriny, tamin'ny fametrahana ny filoha tamin'ny toerany. Raha toy izany ireo mpisolo tena antsika, hanao ahoana no ho fivoaran'ny fiainantsika, ny ankanin-jaza aza mbola milamina!

Ireo fihetsika masiaka sy tabataba natomboky ramatoa Chavez, mpikambana ao amin'ny kaongresy, dia niteraka fihetseham-po maro samihafa, ka namoronana ny pejy Facebook izay mitondra ny anarana hoe “Martha Chavez: Vergüenza Nacional (‘Martha Chavez, ilay fahafaham-barakan'ny firenena’), ka tao anatin'ny 24 ora monja dia mpitsidika 10.000 no nanaraka izany.

Nandritra ny famindram-pahefana, mpampiasa maro no faly tamin'ny Filoha vaovao, izay azontsika vakiana ato ny fanehoan-kevitra toy ity iray ity avy amin'i Franz Morales:

Por fin asumio el Comandante excelentisimo sr Presidente Ollamta Humala sus funciones . Ahora a poner en orden la casa y fumigarla bien para echar las ratas y cucarachas

Ela ny ela, napetraka amin'ny toerany Andriamatoa Filoha Hajaina Ollanta Humala. Ankehitriny, fotoana handaminana ny raharaha an-trano rehetra izao, hanilihana ireo voalavo sy kadradraka.

Midera ihany koa Emmanuel André (@EmmanuelAmdreM)  :

Le ponen banda presidencial a Ollanta Humala. Ahora, es mi presidente, tu presidente, nuestro presidente #cambiodemando

Napetraka teo ambonin'i Ollanta Humala ny samboady famantarana ny maha-filoha azy. Ankehitriny, izy no Filohako, Filohanao, Filohantsika #cambiodemando

Alfonso Junior Samanez koa dia falifaly nankalaza :……

Bienvenido Sr. Presidente de la Republica del Peru Tnt. Coronel Ollanta Humala Tasso… el pueblo peruano esta contigo. Viva el Peru!

Tonga soa Andriamatoa Filohan'ny Repoblikan'ny Pero, Lt. Kolonely Ollanta Humala Tasso, miaraka aminao ny vahoaka Peroviana. Ho ela velona i Pero!

Taorian'izany, ny fotoam-piravoravoana Peroviana dia nahitàna matso miaramila lehibe [es] notarihan'ny Filoha vaovao[es], ary nandritra izany dia nitosatosaka ny niteraka tsikera [es]  maro dia maro, toy ity iray avy amin'ny Victor Pariona ity:

Ya empezo el desfile militar del peru con el presidente Humala y su revolucion viva el peruuu carajooo hoy se bebe y mañana tanbien que volada locosss $$$$$$$$

Miàla any ny matso miaramilan'i Pero iarahana amin'ny Filoha Humala sy ny fanovàny,  ho ela velona i Pero, ozona izany, misotro isika anio sy rahampitso; fa rehefa avy eo$$$$$$$

Ilay mpandefa bitsika, Eucaris (@musa 1919) nampahafantatra hoe:

Ollanta Humala preside un desfile mientras se apaga la controversia por su juramento

#notis i Ollanta Humala mitarika matso raha mandritra izany kosa dia manempotra  ny adihevitra mahakasika ny fianianany http://bit.ly/nrbVjP [es]

Avy amin'ny kaontiny  Twitter, ny gazety La República (@larepublica_pe) nitatitra hoe :

Presidente Ollanta Humala se encuentra emocionado, por ratos entona las canciones militares

Nientanentana aoka izany ny Filoha Ollanta Humala, nandritra ny fotoana nihiràny ny hiran'ny miaramila #paradamilitar http://ow.ly/5QCzb #celebraperu

Benji Evangelista (@1080i60) nahatsikaritra hoe :

que bueno que Ollanta saludara a todos las personas que fueron a ver el desfile militar de hoy, no como Alan o Toledo que saludaban poco =/

Nahafinaritra kosa fa niarahaba ireo rehetra tonga nanatrika ny matso i Ollanta, tsy mba toa an'i Alan na Toledo, izay tsy dia niarahaba loatra =/

Manontany tena i Cesar Mayta (@cesarmayta)  :

Q sentira ollanta al ver el desfile militar, antes el habra desfilado?

Mba fihetsehampo toy inona ary no tsapan'i Ollanta raha nahita ny miaramila namindra, satria izy koa nanao izany taloha?

Ary ny sasany tsy manafina fa tsy Filoha mihitsy no andraisan-dry zareo an'i Humala, toa an'i Ricardo Lopez (@ratonmaton):

Que ironia ver a Ollanta Humala dar permiso e iniciar el desfile militar y ver a los policias que el mando a matar.

Tena mahatsikaiky ny mahita an'i Ollanta manokatra ny matso, sady  mijery ireo miaramilany nalefany hamono olona

Nefa koa maro ireo mpampiasa (Twitter), toa an'i  Yolanda Figueroa, no tsy nijery mihitsy ny fiiloha, fa variana nijery ny endrika ravon'ireo Peroviana :

QUE EMOCIONANTE EL DESFILE DE NUESTRA FUERZA ARMADA DE NUESTRO PERU

HAZAKAZAKA RE IZANY MBA HANDEHA HIJERY NY MATSON'NY TAFIKA MITAM-PIADIANANTSIKA PEROVIANA

Ny zavatra mahatsikaiky nanamarika ireny andro ireny dia ny hamaroan'ny tsikera mamazivazy mahakasika ny fitafian'ny Vadin'ny Filoha, Nadine Heredia, izay nanao akanjo mena midorehitra feno kentrokentrona [es] ny 28 jolay, nandritra ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny vadiny; ary ny 29 jolay, dia nitafy akanjo hafa mitovy didy amin'izay nanaovany ny omaly, saingy miloko mavokely [es], izay tsy nandalo fotsn fa tsikaritry ny rehetra, araka izao itateran'ny @Primerafuente azy izao :

Buenos dias a todos, Nadine Heredia y su vestido “Mirenme a Mí Carajo!!!” Marcando un estilo rococo de Primera Dama…

Manahoana daholo, Nadine Heredia sy ny fitafiany toa manao hoe “Jereo aty amiko!!!” Vadina filoham-pirenena manao fitafy rococo.

Arturo Galagarza (@ArturoGalagarza) mivazivazy momba ny fitovian'ny fanononana ny “fashion” sy “fascism” :

Nadine no esta Fashion,esta FACHON jajaja

Nadine dia tsy mpanara-damaody, FACHON izy (mitovy amin'ny Fascist) hahaha #QueFeoVestido [tena mba haratsin'izay akanjo re izany]

Bruno Ortiz (@blogdenotas), mpampiasa Twitter sady mpanao gazety, manampy ireo mpihira tsy mankasitraka ary mampitaha an'i Nadine Heredia amin'ny Filohan'i Arzantina, Cristina Kirchner :

Recién me pongo a ver el desfile y veo a Nadine. Parece un virrey. Es claro que quiere ser como Cristina K en lo fashion… no le liga [no lo logra].

Vao nipetraka hijery ny matso aho dia nahita an'i Nadine. Izay toy ny mpanjaka faharoa. Mazava fa te ho tahaka ny lamaody hendrin'i Cristina K … tsy noesoriny akory ilay izy

Alejandra Pachas (@Alezita87) mitsikera ny loko mavokelin'ilay fitafiana :

Nadine Heredia…representa a los algodones de azúcar del Perú ¡VIVA!

Nadine Heredia… manambara ny  “cotton” vatomamin'i Peru, HOORAY!.

Ireo mpampiasa toa an'i Erick Velasquez sy Erick Santos (@Beatlerick_) koa dia nihomehy tamin'ilay fomba fiakanjo hita ho toa mavesatra:

para Tortas Gaby que hizo el vestido de Nadine.

#FF ho an'i Gaby Cakes izay namorona ny akanjon'i Nadine. #desfilemilitar

Ny hafa kosa izay tsy niraharaha ny fanambaniana natao an'i Nadine Heredia, dia nanentana ny olona hifantoka amin'ny zavatra hafa, toa an'i Milan (@Milanta) na Luis Murrugarra (@Luish91https://mg.globalvoicesonline.org/wp-admin/post.php?post=21097&action=edit0) :

JAJA wtf en serio estan discutiendo los que se pone Nadine Heredia?? que importa eso! ni que fuera LadyGaga

LOL kiiii dia tena miady hevitra mafy ny amin'izay hitafian'i Nadine Heredia tokoa ve nareo?? Inona no olana amin'izany, fa tsy ohatran'i Lady Gaga iiizy.

Ankehitriny rehefa avy nianiana ho Filohan'ny Repoblikan'i Pero i Humala, hiatrika ny andraikitra maozatry ny fitarihana firenena izy, na dia ao aza ny fitomboana ben'ny harin-karena, isan-jaton'ny fahantrana avo be sy mitaritarika, noho izany ireo sehatra tsy nahazo vahana izao dia miandrandra mafy ny fahaizany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.