Moldavia: Saritaka diplomatika nandritra ny fetim-pirenena Rosiana

 Nankalaza ny fetim-pirenena ny Federasiona Rosiana tamin'ny 12 Jona (Andron'ny Rosia). Tany Moldavia, nisy fifamaliana [ro] diplomatika ny andro nialoha ity fety ity izay nivadika ho fanalam-baraka diplaomatika ity.

Nitatitra ny haino aman-jery fa nomen'ny Ambasadera Rosiana Valeri Kuzmin [ru]  toerana [ro] nandritra ny lanonana ofisialy nokarakaraina tamin'ny 10 Jona, tao amin'ny Masoivoho Rosiana tany Moldavia i Vladimir Yastrebchak, izay nolazainy fa mpitarika ofisialin'ny Diplaomasia Transnistrianina (Faritra nisintaka tamin'i Moldavia i Transnistria izay niorina tamin'ny 1990; tsy nahazo fankatoavana ao amin'ny Firenena Mikambana. Miatrana any amin'ny faritra Transnistrianina tsy nahazo fankatoavana avy amin'ny manampahefana Moldaviana ny tafika sy ny fitaovam-piadiana miaramila Rosiana.)

Ho setrin'ny fihetsiky ny masoivoho Rosiana dia niala ny lanonana ny diplaomaty Moldaviana, narahin'ny diplaomaty misolo tena an'i Etazonia sy ny Fikambanam-be Eoropeana izy ireo.

Endrika tsy fanajana

Heverin'ny [ro] Praiministra Moldaviana ho fanompana ny vahoaka Moldaviana ny hetsika nataon'ny masoivoho Rosiana. Manantena izy fa ho hadisoana izy ity, fa hangataka fanazavana amin'ny alalan'ny fantsona ara-diplaomatika.

Nanolo-kevitra [ro] ny mpitarika ny Antoko Liberaly, izay isan'ny antokon'ny mpitondra any Moldavia amin'izao fotoana, fa tokony hiala ny firenena ny masoivoho Rosiana, raha toa mbola maneho ny fanohanany an'i Transnistria ny diplaomaty, hoe tena tsy fanajana ny fahaleovantenan'i Moldavia tokoa izany . Tsy haneho [ro] ny heviny mihitsy kosa ny ministry ny raharaham-bahiny Moldaviana raha tsy amin'ny herinandro ambony.

Miakatra ny fifanenjanana, indrindra hatramin'izay nanaovan'i Moldavia fifidianana goavana eo an-toerana amin'izao fotoana izao izay. Afaka fotoana fohy no hanaovan'ny renivohitra Moldaviana ny fihodinana faharoa sady farany ny fifidianana ny ben'ny tanàn'i Chisinau (mifaninana amin'ny kandidan'ny Antoko Kominista ny ben'ny tanàna liberaly amin'izao fotoana izao).

Nanome ny heviny [ru] ny masoivoho Rosiana any Moldavia mikasika ny fiodinana voalohany tamin'ny fifidianana teo an-toerana izay natao tamin'ny 5 Jona, izay niahiahy ny tsy fitongilanan'ny  mpanara-maso iraisam-pirenena OSCE. Nanome valiny taty afara ny minisitry ny raharaham-bahiny Moldaviana, milaza [ro] ny alahelony sy ny fialan-tsiny tamin'ny tsikera Rosiana.

Anatin'ny fihenjanana matetika hatramin'izay ny fifandraisana teo amin'i Moldavia sy Rosia, noho i Moldavia voateriterin'ny Rosiana matetitetika, ankoatra ny 50taona noterena hiditra tao anatin'ny  Firaisana Sovietika.

Nanana fihetseham-po avy hatrany mikasika ny fanalam-baraka ara-diplaomatika ny tontolon'ny bilaogy Moldaviana.

Nanoratra [ro] tao amin'ny lahatsoratry ny bilaoginy mitondra ny lohateny hoe ” i Kuzmin eo amin'ny lisitra mainty” i Vadim Zgherea:

Tena mahatsiravina ny mahita amin'ny masonao mivantana ny fomba hanaratsiana anao. Mahatsiravina izany raha toa ianao tsy afaka manao na inona na inona.

[…]

Ahoana moa ny fomba ahafahan'ny masoivoho Rosiana miteny zavatra toy izany eto, eto izay toerana mbola tsy nametrahana akory ny demokrasia? Misaotra ihany aloha an'ireo masoivoho Moldaviana, Amerikana sy Eoropeana noho ireo hetsika tsy nampoizina, aleo ny Rosiana ho fatin'ny henatra any.

Faly amin'i Moldavia i Vitalie Vovc. Ao amin'ny bilaoginy Today I am Moldova, hoy izy manoratra [ro]:

Tsy dia ahoana ny hoe ahoana ny mety ho ampitso. Tsy dia lehibe ihany koa ny mety ho vokany! Ny tena marina dia nanao fihetsika araka ny TOKONY HO IZY ny fireneko manoloana ny zavatra tafahoatra! Hanana fotoana kely hireharehana aho amin'ity alina! Ary tsy dia voadiniko loatra firy hoe mety ho vendrana hatraiza ny tenako na hoe “tsy dia mahay zavatra firy ihany koa” na manao sain-jaza mihitsy aza!

Mety haharitra hatramin'ny rahampitso maraina aza izy ity… Satria hanamora zavatra ny mpisolo tena sasany rahampitso, hanazava ary koa hitsikera…

Mirehareha amin'ny diplaomasia Moldaviana ihany koa i Oleg Cristal tamin'ny 10 Jona. Hoy izy mamaritra [ro] ny seho an-tsehatra mahatsikaiky:

Tsy ho ela dia nahao matso eo amin'ny Stefan cel Mare any Chisinau [ lalambe ao an-drenivohitr'i Moldavia], i Tiraspol [renivohitr'i Transnistria tsy misy mankatò], ary hotarihin'ny Masoivoho Rosiana any Moldavia izany. Fanampin'izany, fanekena ny fitondra any Tiraspol ny teny filamatra nampiasain'ny Masoivoho Rosiana hampahafantarana ny Iastrebchak. Hetsika fankatoavana ara-pitenenana, satria efa fanaon'i Moskoa izany taloha.

Tsy mino mihitsy i Oleg Cristal hoe nanao hadisoana ny Masoivoho Rosiana:

Raha hadisoana izy ity, dia tokony hahita fialan-tsiny tsy ho ela isika avy any aminy. Fa raha masoivoho manana traikefa be sahala amin'ny Masoivoho Rosiana any Moldavia TSY hanao “hadisoana” toy izany mihitsy. Etsy andanin'izany, nisy ihany koa ny hafatra ho an'i Chisinau na koa tena fiantsiana ady mihitsy amin'ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana ao an-drenivohitra ary koa mikasika ny fitsidihana tsy amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny [5+2 format] izay noheverina hatao any Moskoa amin'ny 21 Jona. Hanjary ho hahazoan'ny kandida kominista vahana ho amin'ny toeran'ny ben'ny tanànan'i Chisinau, Igor Dodon ny fahasimban'ny fifandraisana Moldaviana-Rosiana. Raha avy amin'ity fomba fijery ity, tena mila lanjalanjaina tsara tokoa ny fihetsika izay mety ataon'ny manampahefana Moldaviana.

Hitan'i Andrei Fornea ihany koa fa tena mendrika ho deraina ny diplaomasia Moldaviana; na izany aza maneho [ro] ireo manahirana azy ihany koa izy:

Mety hitondra amin'ny tsy fifankahazoana eo amin'i Moldavia sy i Rosia ity tranga ity raha jerena ny fifandraisana ara-diplaomasia izay efa osa eo amin'izy ireo izay nipoitra nandritra ny fiovam-pahefana tany Chisinau ary mety hitondra amin'ny fahirano ara-politika mihitsy aza, ny fisondrotan'ny vidin'ny entona fandrehitra ary ny zavatra hafa maro izay hampitolefika antsika manoloana an'i Rosia.

Faranany amin'ny hafatra ho an'ny Masoivoho Rosiana izany:

Izao ihany no teniko aminy: MANDEHANA MODY!

Hafatra mitovitovy amin'izany ihany koa no asehon'ny mpitoraka bilaogy hafa. Maneho sarin'i Kuzmin miaraka amin'ny lahateniny i Eugeniu Luchianiuc:

Kuzmin, mandehana mody dia misotroa Vodka!

Eo amin'ny bilaogy Pulbermax, manontany [ro] toy izao ny mpanoratra:

Te hahalala aho hoe avy amin'ny toerana aiza no anaovan'ny Masoivoho Rosiana izany lahateny izany… Jeneralin'ny KGB ve? Masoivoho Rosiana ve? Sa vehivavy mpanara-dia ny Kremlin ve?

Fihetseham-po manakiana no arafitr'i [ro]Corneliu Gandrabur:

Tokony hiala ny firenena i Kuzmin satria izy nandika ny Lalampanorenanan'ny Repoblikan'i Moldavia, [and. 1, 2 ary 3]. Tena heloka be vava ny fananganana ady mivantana amin'ny tany tontolo ary koa amin'ny fahaleovantena. Noho ny hetsika nataony noho izy masoivoho, dia izy no naneho ny tombontsoan'i Rosia ary ny antsika dia ny milaza fa tena niniana natao ireny ary nifanarahana tamin'i Kremlin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.