Tontolo Arabo: Mijery an'i Londres “May” Amin'ny Valantserasera

Mizara ny heviny mahakasika ilay fandrobana misy ankehitriny ao Grande Bretagne ireo mpisiokantserasera Arabo, fandrobana izay nanomboka telo andro lasa izay taorian'ny namonoan'ny polisy ilay tovolahy 29 taona Mark Duggan tao Tottenham, avaratr'i Londre. Maro ireo tsy nankasitraka ny mpandroba sy ny fanimban-javatra nataon'izy ireo, izay nahahenika ny faritra maro ao amin'ny firenena , manamarika hatrany izy ireo fa tsy misy hifandraisany ny amin'izay mitranga ao Grande Bretagne sy ny revolisiona sy ny fihetsiketsehana misy ankehitriny manerana ny tontolo Arabo.

A car is set on fire in Hackney, London

Fiara nisy nandoro tao Hackney, ao Londres. Sary avy amin'i Julio Etchart © Copyright Demotix (08/08/11)

Tezitra fotsiny ihany ny sasany mahita fa miharatsy ny zava-mitranga ary mijanona manaraka ny fizotran'izany amin'ny alalan'ny valantserasera izy ireo, izay tamin'ity indray mitoraka ity dia mifaninana mihitsy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra amin'ny fampitana vaovao manerana izao tontolo izao ny valantserasera.

Nanampy betsaka tamin'ny fanapariaham-baovao mikasika ny revolisiona Arabo ny valantserasera, izay nanomboka tao Tonizia, ary nitohy amin'ny fanomezana fanantenana amin'ny fitakiana ny fahafahana sy demokrasia manerana ny faritra, revolisiona mihamalazo sy ny fihetsiketsehana manerana an'i Ejypta, Libya, Yemen, Bahrain ary Syria, torak'izany ihany koa i Jordana sy Maraoka.

Amin'ireo firenena manerana izao tontolo izao izay mampitandrina ireo mpandeha ho an'ny Grande Bretagne, Mishaal Al Gergawi, avy any Emirat Arabo mitambatra, ni-tweet toy izao:

@algergawi: Mety mampihomehy ireo mponina ao Londres ny mamaky ny fampitandremana ho an’ ireo mpandeha avy any amin'ny firenen-kafa ho an'ny Grande Bretagne; na koa ny manodidina izany.

Maraokana Hisham Almiraat manahy ary mieritreritra fa ny fandrobana tao Londres dia fikasana hanodina ny fikasana hamoaka  vaovao izay tena zava-dehibe-tahaka ny revolisiona ankehitriny manerana ny faritra:

@Hisham_G: Mendrika ny ho faizina ny mpandroba ao #Londres , izany dia noho ny fanodinan'izy ireo ny fikasan'ny fampahalalam-baovao hamoaka izay tena zava-dehibe tahaka an'i: #Syria #Libya #Yemena

Bahreinita Muna Fakhroo mampatsiahy antsika ny fahatsiarovana tamin'ny fahazazana amin'ity vazivazy ity:

@MunaFakhroo: #Izaofotoanahafahafaizao, raha miditra ao anaty fiara ianao ary ny kapila manjelatra ho an'ny ankizy kely misy hira hoe “may i londres”!!

Avy ao Dubai, ao Emirat Arabo mitambatra, sanganehana i Huda Serhan:

@Hudz: Mahavariana ahy tanteraka ny fomba handravan'ny vahoaka ny tanànany izay mahafinaritra. #londonriots

Saudi Khaled nanampy toy izao:

@khaled: Nanamarika aho fa novonoin'ny YouTube ny lahatsary sasany tao #London tamin'ny #londonriots satria mifanohitra ny zavatra tokony atao izany, kaonty sasantsasany ihany koa no nakatona. #censorship?

Ary i Iyad El-Baghdadi, izao monina ao Emirats Arabo mitambatra, nanontany hoe:

@iyad_elbaghdadi: Tsy misy olona hampitaha ny fikomiana tamin'ny taona 2005 tao Frantsa? Fampitahana tsara ve sa ratsy izany? #LondonRiots

@iyad_elbaghdadi: Misy olona afaka manao fampitahana amin'izany fikomiana izany sy ny fikomiana tamin'ny taona 1980 ve? Ireo rehetra izay nanontaniako dia nilaza fa mbola ratsy kokoa. #LondonRiots

Mara Mostafa, avy any Dubai koa, manantena fa salama  tsara ny fianakaviana sy namana any Grande Bretagne:

@MaraDXB: mivavaka aho mba ho salama tsara ny fianakaviana sy ny namana any Grande Bretagne #londonriots

Ary i Muhammed Ali J, izao monina ao Dubai koa, nizara fihetseham-po mitovy amin'izany:

@MaliZomg: Te ho TEZITRA mafy aho mikasika ilay #londonriots saingy raha ny tena marina, dia ny fahasalaman'ny fianakaviako sy ireo rehetra tsy manantsiny no tena zava-dehibe amiko. Hiaro azy ireo anie i Allah.

Manaraka izany, Muntajib, avy any Abu Dhabi, nilaza zavatra hafa:

@Muntajib: manontany tena aho amin'izay mety hitranga amin'ny fiara mirentirentin'ny arabo [#arabsupercars] ao #londonriots !!

Ny mahavariana an'i Muntajib kosa dia isaky ny lohataona, mandefa ny fiarany tsara tarehy lafo vidy any Londres mba hampihaingo ny tanàna ny Arabo mpanankarena .

Mohamed Alabdulkarim, avy any Emirat Arabo ihany koa, nizara vazivazy hafa:

@mohamed_NA: Tsy fotoana tokony hanaovana vazivazy izao saingy mahatsikaiky kosa ny mahita raha mandeha mitsoaka an'ny Arabia Saodita ny Mpanjakavavy Elizabeth!

Arabia Saodita nampialokaloka ilay mpanao didy jadona Toniziana Zeine Al Abideen Ben Ali izay nandositra, ary tsaboina any kosa ankehitriny ny filoha Yemenita Ali Abdulla Saleh.

Ary i Sherif Ghanem Ejyptiana, ni-tweet toy izao kosa:

@sherifghanem: Tokony hifehy ny #Londonriots btw #justsaying ny mpitandro ny Filaminana Ejyptiana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.